Dia natao batemy koa i Jesoa

Fankalazana ny Batemin'ny Tompo

« Tamin’ilay natao batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao batemy koa i Jesoa »

(Lk. 3: 21)

 

Ny Mistery nahatongavan’ny Zanak’Andrimanaitra ho nofo no ankalazaintsika hatramin’ny Noely ka mifarana amin’izao Alahady fankalazana ny Batemin’ny Tompo izao. Ireo Tenin’Andriamanitra rehetra naroson’ny Fiangonana ho antsika tao anatin’izay andro maromaro izay dia samy nampisongadina daholo fa tena Zanak’Andriamanitra tokoa i Jesoa ary nietry tena ho tonga olombelona mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny fahotana ary ho mendrika hahazo ny famonjena izay efa nomanin’Andriamanitra Ray hatramin’ny nahariana izao tontolo izao. Raha tsiahivina kely ny fizotrin’ny Tantaram-pamonjena dia voalaza mazava tsara tamin’ireo Vakiteny samy hafa nohenointsika tamin’ny Noely ny fomba nahaterahan’i Jesoa Mpamonjy. Efa nambarantsika tamin’izay fa tsy tantara noforonina izany fa tena zava-nisy marina ary maro ireo vavolombelona nanatri-maso ny zava-niseho tamin’izany fotoana izany.

Taorian’ny Noely dia nankalaza manokana ny fetin’ny Fianakaviana Masina isika izay mampiseho mazava tsara fa niaina tao anatin’ny fianakaviana tahaka ny olona rehetra i Jesoa ary niara-nonina tamin’i Maria reniny sy i Josefa izay voatendrin’Andriamanitra ho ray mpiahy sy mpitaiza azy. Io fiainan’i Jesoa teo anivon’ny Fianakaviana Masin’i Maria sy Josefa io no porofo hita maso fa ilay Zanak’Andriamanitra tonga nofo dia tsy anjely na fanahy fa tena olombelona nofo sy rà ka nifanerasera tamin’ireo mpiara-belona aminy. Izany no ilazana amintsika fa tena tafiditra tanteraka amin’ny fankalazana ny Mistery nahatongavan’ny Zanak’Andrimanitra ho nofo ny fankalazana ny fetin’ny Fianakaviana Masina. Rehefa izany dia nankalaza ny Epifania ihany koa isika, nisy ny nanao izany tamin’ny Alahady heriny ary nisy vao tamin’ny 06 janoary lasa teo no nakalaza izany. Ny tian’io fankalazana io hasongadina dia ny fanambarana mazava amintsika fa tonga hamonjy ny olona rehetra i Jesoa ary niseho miharihary fa Izy no Mesia, Tompo sy Mpamonjy an’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny famangian’ny Majy izay tonga nitsaoka sy nanome voninahitra azy.

Ny antony tena anaovantsika izao famintinana izao dia mpa hampahatsiarovana antsika fa iray ihany ary tsy azo sarahina ireo fety samy hafa izay nankalazaintsika hatramin’ny Noely ka mifarana amin’izao fankalazana ny nanaovana batemy an’i Jesoa izao. Io fety lehibe io tokoa no ankalazaintsika androany ary efa voalazantsika fa ity no Alahady amaranana ny fankalazana ny Noely izay nibanjinantsika sy nandinihantsika lalin-dalina kokoa ary tamin’ny fomba manokana ny Mistery nahatongavan’ny Zanak’Andrimanaitra ho nofo. Mifarana eto izany ny firesahana amin’ny fomba miavaka ny mahakasika ny fahazazan’i Jesoa ka anaingan’ny Fiangonana antsika handinika indray ny asa nanirahan’i Ray azy, dia ny famonjena antsika olombelona. Raha mijery ny Tety Andro momban’ny Litorjia tokoa isika dia mahita fa ny Alahady fankalazana ny Batemin’ny Tompo ihany no Alahady tsotra voalohany mandavantaona. Izao fankalazana manetriketrika izao ary no iantsoan’ny Fiangonana antsika hahatsapa ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra Ray izay nandefa an’i Jesoa Zanany hamonjy antsika tamin’ny alalan’ny fanetren-tena lehibe nananany ka nanaiky hatao Batemy ihany koa na dia Andriamanitra tompon’ny fahefana rehetra aza izy.

Ambaran’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany tokoa fa « tamin’ilay natao batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao batemy koa i Jesoa, ka raha mbola nivavaka Izy dia nisokatra ny lanitra ; ary nidina teo amboniny ny Fanahy Masina naka endri-batana toy ny voromahailala, dia nisy feo re avy any an-danitra nanao hoe : Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko indrindra » (Lk. 3: 21 – 22). Mazava araka izany fa natao batemy tahaka ny vahoaka tokoa i Jesoa. Efa fantantsika fa ny Batemy izay nataon’i Joany dia Batemim-pibebahana ka izay rehetra nandray izany dia nahazo ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Tsy noho ny fahotana anefa no nahatonga an’i Jesoa hanatona hataon’i Joany batemy fa hampisehoany amin’ny olona rehetra fa izy no ilay tena irak’Andriamanitra Ray, hamonjy ny olona ho afaka amin’ny fahotana fa i Joany dia mpanomana ihany ny fahatongavany. Teo amin’io fotoana nanovana Batemy azy io indrindra no niseho ankarihary ny maha Mpamonjy azy ary tamin’io fotoana io no nanambaran’i Joany tamin’ny vahoaka fa tsy izy no Kristy fa ilay tonga manatona azy hatao batemy no tena Kristy izany no ilazan’ity Evanjely androany ity amintsika fa « tamin’izany andro izany, raha mbola niandry ny olona sy samy nisaina tao am-pony fa i Joany angaha no Kristy, dia niteny i Joany ka nanao tamin’izy rehetra hoe : Izaho manao batemy anareo amin’ny rano, fa avy Ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho : Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo » (Lk. 3: 15 – 16).

Mampahatsiaro ny Batemy noraisintsika ihany koa ity fankalazana ataontsika andraony ity. Azo lazaina fa ny nanaovana batemy an’i Jesoa dia tandindon’ny Batemy noraisintsika ihany koa. Amin’ny alalan’ny fandraisana ny Sakramentan’ny Batemy dia tonga zanak’Andriamanitra ihany koa isika satria nandray ny Fanahy Masina mahatonga antsika hiray lova aminy. Ny Sakramentan’ny Batemy ihany koa anefa no manala antsika ho afaka amin’ny fahotana tamin’ny fototra. Mazava ho azy fa sady mandray ny Batemy nataon’i Joany isika no mandray ihany koa ny Batemin’i Kristy dia ilay Batemy amin’ny Fanahy Masina sy ny afo. Ny Sakramentan’ny Batemy no manala antsika amin’ny fahotana ary mahatonga antsika ho olom-baovao miaraka amin’i Kristy. Koa miara-mivavaka isika amin’izao Alahady ankalazana amin’ny fomba manokana ny Batemin’ny Tompo izao mba tena hivelona marina tokoa ny Batemy noraisintsika.

Tsy fombafomba fotsiny no anaovana Batemy antsika fa tena zava-dehibe tokoa satria io no fototra iorenan’ny maha Kristianina antsika. Enga anie izao fankalazana ataontsika androany izao hanampy antsika hahatsapa hatrany fa i Kristy no tena loharano ipoiran’ny fahasoavana rehetra ka rehefa miombona aminy amin’ny alalan’ny Batemy isika dia mahazo toky fa handray izay fahasoavana avy aminy izay. Izany rahateo no ambaran’ny Vateny Faharoa izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany manao hoe : « efa niseho ny fahasoavan’Andriamanitra, loharanom-pamonjena ho an’ny olona rehetra, mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filàn’izao tontolo izao; fa ho velona amin’ity fiainana ity manana ny toetr’olona mahalala onony, marina, tia vavaka, miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy, Izay nanolo-Tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an’ny Tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa, sady fatra-pitia ny asa soa rehetra » (Tt. 3 : 11 – 14).


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2195