Ho aminareo anie ny fiadanana

Alahady faharoan'ny Paka

Tonga Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin'izy ireo hoe: Ho aminareo anie ny fiadanana!” (Jn 20, 19-32)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Mbola mamerina ny fiarahabana finaritra antsika rehetra vitasoan’ny Paka daholo. Ity alahady androany ity no alahady faharoa amin’ny Fankalazana ny Paka, antsoina ihany koa ity andro an’io ity hoe Alahadin’ny Famindram-po. Ataoko fa efa tojo ihany ihany ilay sarin’i Jesoa mijoro manatrika, mijery somary miondrika, managan-tànana havanana ary ny tanany havia kosa mitehina sady manondro eo amin’ny tratrany. Avy eo amin’io faritra tondroin’ny tànany io, izany hoe eo amin’ny lanivoany, dia misy tara-pahazavana mena sy fotsy mivoaka. Izany no sarin’i Jesoa be Famindram-po. Ny nahazahoana voalohany izany sary izany dia i Masera Faustina Kowalska, tany amin’ny taona 1935. Fahitana hitany izany ary nanomboka tamin’io ihany koa moa no nanombohana ilay antsoina hoe Raozerin’ny Famindram-po satria hafatra azony manokana ny hanaovana izany nandritra ny fahitany. Averiko ihany, fankalazana an’i Jesoa be Famindram-po ary andro natokana hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra be famindram-po ity andro anio ity; marina fa tsy anio ihany no ahatsiarovana izany fa andro natokana hankalazana manokana ihany ny anio.

Ny evanjely aroson’ny Fiangonana androany dia mitantara ny fisehoan’i Jesoa tamin’ireo mpianany, indroa miantoana, taorian’ny nitsanganany ho velona. Mizara telo mazava tsara ny fampianaram-pinoana azo tsoahina amin’ny famakiana ny Evanjely an’io. Azo tarafina amin’ny fizarana voalohany ao amin’ny Evanjely anio ny hetahetan’i Kristy ho antsika olombelona tsirairay. Tsy inona akory izany fa ny Fiadanana. Ny voalohan-tenin’i Kritsy rehefa niseho tamin’ny mpianany Izy, dia tsy hafatra betsaka ary tsy fampianarana lava fa teny indraim-bava ihany: “Ho aminareo anie ny Fiadanana”. Ireo Apostoly, rehefa nahita fa “resy” i Kristy dia nanahy mafy ny hanjò azy ireo ary nitebiteby izay tsy izy fa hoe ho voasambotrin’ny manam-pahefana sy ny mpitondra fivavahana jody ihany koa. Nihidy aman-trano izy ireo ary raiki-tahotra. Eo anatrehan’izany tebiteby sy ahiahy izany no isehoan’i Kristy sy ankaherezany azy ireo ary iantsoany Fiadanana ho azy ireo. Tsy ireo Apostoly tamin’izany andro izany ihany tsy akory no iantsoan’i Kristy Fiadanana fa isika rehetra ihany koa; indrindra moa rehefa mandalo fotoan-tsarotra ara-pinoana isika ankehitriny ka mihidy anaty ary mitebiteby ny ho amin’ny rahampitso. Ny fampianarana faharoa kosa dia ny mahakasika ny Sakramentan’ny Fampihavanana. Tenin’i Kristy ao amin’ity Evanjely anio ity ihany koa ny hoe: “Raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana”. Ny Pretra sy ny Eveka, noho ny Fanahy Masina anosorana azy ireo, dia manana ny fahefana hamela ny heloka. Tsy misy iankinan’ny fahamendrehan’ilay olona voahosotra izany na dia kely aza fa nohon’ny Herin’Andriamanitra miasa feno tanteraka ao amin’ny Fanomezan’ny Fanahy Masina. Ny Fampianarana fahatelo azo ifampizarana ihany koa amin’ity Evanjely androany ity dia ny momba ny Finoana. Hoy i Kristy tamin’i Tomà: “Nino ianao, ry Tomà, satria nahita Ahy; sambatra izay tsy nahita ka nino”. Tsy ho azy ihany fa ho antsika rehetra ankehitriny indrindra izany Teny izany. Fomban’ny olombelona ny tsy mino raha tsy mahita sy manatri-maso. Fa mazava dia mazava ny Tenin’i Kristy anio: izay tsy nahita Azy sy nanatri-maso ny Fisiany ara-nofo, nefa mino Azy ho Kristy nandresy ny fahafatesana no tena sambatra ary manam-pinoana lehibe indrindra. Antso ataon’i Kritsy amintsika rehetra amin’izao vaninandro diavintsika izao izany Teniny izany. Sambatra isika fa na tsy nahita Azy aza dia mino sy mankato ny Teniny. Meteza àry hino hatrany fa izany no fototrin’ny Hasambarana

Mirary Alahady finaritra ho antsika rehetra tsirairay.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086