Ity no Zanako malalako indrindra, henoy izy

Alahady Faharoa amin'ny Karemy

Ity no Zanako malalako indrindra, henoy izy” (Mk 9, 2-9)

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Raha fintinina fohy ny Voalazan’ny Evanjely vakiana amintsika amin’ity Alahady ity mba ho vatsim-panahintsika mandritra ity herinandro vaovao ity dia hoe : Niova tarehy ny Tompo; tonga mamirapiratra ny endriny ary ny fitafiany fotsy botsika. Nanatri-maso izany fiovan’ny Tompo tarehy izany i Piera, Jakoba ary Joany. Nentin’ny Tompo nitokana tany an-tendrombohitra izy telo mirahalahy ireo ary nahita maso ny zavatra nitranga rehetra. Nandritr’izany fiovan’ny Tompo tarehy izany dia tonga teo anatrehany i Elia sy Moizy. Voasaron’ny rahona izy rehetra ary tao anatin’ny Rahona dia nandre feo izy ireo nilaza hoe: “Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy”. Inona daholo no tian’izany rehetra izany hambara?

I Elia dia mpaminany lehibe teo amin’ny vahoaka Israely. Manana ny anjara toerana goavana eo amin’ny tantaram-pamonjena ny mpaminany satria izy ireo no nanomana sahady ny hiavian’ny Mesia. Toy izany koa, i Moizy no loharanon’ny Làlana satria izy no nandray mivantana ilay takela-bato mirakitra ny didy folo, izay fototrin’ny Lalàna rehetra ara-pinona teo amin’ny vahoaka jody ary mbola tandrovana mandraka ankehitriny. Ny Faminaniana, ny Làlana, ireo antontan-kevitra roa ireo no fototra ijoroan’ny finoana Jody. Ary amin’ny maha mpandova finoana antsika avy amin’ny finoana jody dia zava-dehibe ho antsika ihany koa ny Faminaniana sy ny Làlana. Ny fijoroan’i Elia sy Moizy teo ankavia sy ankavanan’i Kritsy dia fanehoana amin’izao tontolo izao fa tanteraka ao amin’i Kristy ny Tenin’ny Faminaniana rehetra ary Izy no ilay Mpanantateraka faratampony ny Làlana. Ny lova lehibe ho antsika Kristianina amin’izany fanehoam-pinoana izany dia ny hoe: ny Làlana sy ny Faminaniana dia soritra ho antsika ihany koa hanantonana an’i Kristy. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia hoe: ny fiainana ny teny Faminaniana sy ny fanarahantsika ny Làlana avy amin’Iaveh dia sori-dàlana ho antsika hahatongavana eo amin’i Kristy.

Ny fampianarana faharoa kosa dia ny momba ny fihetsika nataon’ireo apostoly nanatri-maso ny zava-misy. Mba hahafantsika miaina ny maha-kristianina dia tsy maintsy mihataka amin’ny fiainana andavanandro isika; avela manontolo izay rehetra mety hanembantsembana ny hahitana ny famirapiratan’i Kristy ary miakatra amin’ny toerana ambony. Ny toerana ambony ho lazaina eto tsy hoe akory tendrombohitra fa ny fiainantsika mihitsy no efa tendrombohitra. Ny fiakarana tendrombohitra dia tsy inona tsy akory hoy aho teo fa ny fanaovantsika ezaka hanantona akaiky ny Tompo. Izany no fomba tokana hahafahantsika mitazana tsara an’i Kristy ao anatin’ny voninahiny feno, izany no rafitra hahafahantsika mibanjina Azy amin’ny maha-Andriamanitra feno Azy. Izay sahy mandao ny maha-izy azy ihany no ho afaka hibanjina an’i Kristy amin’ny maha-Andriamanitra Azy. Ary rehefa avy mibanjina Azy anefa dia tsy hoe mijajirika fotsiny eo fa tsy maintsy “midina” ny tendrombohitra. Ny fidinanana ny tendrombohitra dia tsy inona akory fa ny fiatrehana ny fiainana andavanandro. Ny Kristianina avy mibanjina an’i Kristy sy mandray ny fahazavana avy Aminy dia tsy maintsy mitondra izany fahazavany izany eo amin’ny manodidina azy ary mijoro ho vavolombelona; tsy dia amin’ny teny loatra fa amin’ny atao indrindra indrindra, fa i Kristy no Ilay Zanak’Andriamanitra malalany indrindra. Tsy dia amin’ny teny loatra hoy aho izany fijoroana ho vavolombelona izany fa amin’ny atao sy amin’ny fiainana manontolo mihitsy. Tsy natao hibanjina ny famirapiratan’i Kristy fotsiny isika kristianina fa voaantso indrindra indrindra mba hiaina sy hivelona izany eo amin’ny manodidina antsika; amin’izay dia ny Kristianina rehetra indray kosa no ho zary fahazavana sy ho famirapiratana ho an’ny fiaraha-monina misy azy.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0524