Mibebaha hianareo ary minoa ny Evanjely

Alahady Voalohany amin'ny Karemy

Mibebaha hianareo ary minoa ny Evanjely” (Mk 1, 12-15)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Anombohako ny fizarana ny Tenin’Andriamanitra amintsika mianakaby amin’ity andro androany ity dia tsy haiko ny tsy hirary soa antsika rehetra amin’izao Alahady voalohany amin’ny karemy izao; mirary koa raha mirary mba ho tanteraka soa aman-tsara ity karemy diavintsika ity, mirary koa raha mirary mba hisy vokany eo amin’ny fiainantsika izao efa-polo andro anomanantsika fo sy fanahy mialohan’ny fankalazana ny Paka izao. Arak’izany dia miditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny karemy tokoa isika mianakavy amin’izao fotoana izao; niantomboka tamin’ny alarobia teo izany fotoana izany izay nomarihina manokana tamin’ny fanosorana lavenona izay marikin’ny fibebahana sy fampahatsiahivana antsika tsirairay fa fohy ny aina ary ilaina ny fibebahana mba hanomanana ny hoavy. Vovoka isika ka hody vovoka.

Mizara roa mazava tsara ny Evanjely renesintsika amin’ity alahady ity; ny fizarana voalohany dia milaza ny nanjo an’i Jesoa tany an’efitra ary ny fizarana faharoa kosa dia ny momba ny asa nataony sy ny toriteny nolazainy nanohy izay efa natombok’i Joany Mpanao Batemy. Tsara marihina aloha fa ity ampahan’Evanjely ity dia ialohavan’ny filazana ny Batemin’ny Tompo nataon’i Joany teo amin’ny reniranon’i Jordany. Nony nahazo ny Fanahy Masina tamin’ny fandraisany ny Batemy i Kristy, dia lasa nankany an’efitra mba hivavaka ary nalain’ny demony fanahy; fa ihany koa ny anjelin’ny Tompo nanompo azy. Tsy lavitra an’izany ihany koa ny fiainantsika Kristianina. Anatin’ny Karemy isika izao. Dia samy mba mandray fanapahan-kevitra tsara ary mivoadivoady fa hiala amin’ireo fahazaran-dratsy mandavo ny nofo sy mahatorovana ny fanahy. Fa saingy entin’ny rivorivo-piainana dia tonga ny fakam-panahy isan-karazany manangoly ny fanahy sy mandangolango ny vatana; alaim-panahy hiverina amin’itsy fahotana itsy, alaim-panahy hianoka iroa hafinaretana manimba ny vatana iroa, kitihin-kery hafa hirona amin’iry fiainana maramara iry. Izany no manjo antsika kristianina; ary indrindra, toa izay sahy manapa-kevitra hiatrika ny efitrin’ny fahanginana sy ny faharesen-dahatra hiady amin’ny ratsy no toa vao maika roritin’ny fakam-panahy maro. Arakarakin’ny anapahana hevitra fa tsy hirona amin’iroa fomba fiainana tsy mety iroa no vao maika koa isian’ny fifandrifian-javatra mandrisika sy mitaona makany; amin’ny lafiny maro io fakam-panahy io. Fa saingy, ary soa ihany, misy ny anjely miambina sy miahy antsika. Mankahery amin’ny fotoana sarotra izy ireny ary indrindra indrindra manakana izay loza mety hiseho. Asa ianao, fa raha toa ahy dia misy fotoana ilazako samy irery hoe “raha izaho ihany dia tsy ho voatohitro iny fakam-panahy teo iny, fa nisy hery hafa nanampy ahy teo ka tsy nahalavo ahy”. Ireny fotoana ireny no iasan’ny herin’Andriamanitra tanterahin’ny Anjely miambina antsika. Ary raha ny marimarina kokoa aza dia tsy hoe miambina fotsiny izy ireo fa tena manompo antsika mihitsy.

Ny fampianarana faharoa ho antsika amin’ity Evanjely ity dia ny momba ny adidy miandry antsika kristianina tsirairay. Tahaka an’i Kristy izay nanao antso avo ho amin’ny fibebahana sy ny finoana ny Evanjely, dia manana adidy ihany koa isika kristianina ny hiantso ireo manodidina antsika hanavao ny fiainany. Saingy, mifanjohy amin’izay efa nolazaiko tetsy ambony, tsy hoe lazaina sy antsoina fotsiny ho an’ny hafa io fibebahana io fa amin’ny atao mihitsy. Mibebaha aloha ianao fa io fihetsika mibebaka ataonao io dia antso mafy mihitsy ho an’ny hafa ka hizorany amin’ny fibebahana. Fadio ny “tari-bato vilam-bava, ka hafa ny lazain’ny vava ary hafa ny tondroin’ny molotra” fa ampifanaraho mandrakariva ny atao sy ny lazaina. Sahia mijoro amin’izany fa ny Tompo no homba anao.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099