Izy kosa hanao batemy anareo amin’ny Fanahy Masina

Fankalazana ny Batemin'ny Tompo

Ny fankalazana ny Batemin’ny Tompo no amaranana ny fankalazana ny Noely izay niarahantsika nibanjina ny Mistery nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo. Mifarana eto izany ny firesahana amin’ny fomba miavaka mahakasika ny fahazazan’i Jesoa ka anaingan’ny Fiangonana antsika handinika misimisy kokoa ny asam-pamonjena notanterahiny araka ny nanirahan’ny Ray azy. Ity Alahady fankalazana ny Batemin’ny Tompo ity ihany koa no Alahady tsotra voalohany mandavan-taona izay anomezan’ny Fianogonana antsika ny Evanjely mampiseho ny fiantombohan’ny fiainan’i Jesoa ampahibemaso. Ambaran’ity Evanjely androany ity fa « Tamin’izany andro izany, nitory teny i Joany nanao hoe: “Avy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehi-kapany akory aho. Izaho nanao batemy anareo tamin’ny rano, fa Izy kosa hanao batemy anareo amin’ny Fanahy Masina”. Ary tamin’izany andro izany, dia tonga avy any Nazareta tanànan’i Galilea i Jesoa, ka nataon’i Joany batemy tao Jordany (Mk. 1, 7 – 9). Mazava ny voalazan’ny Evanjely eto fa tonga avy any Nazareta tanana nahabe azy i Jesoa, ka nataon’i Joany batemy tao Jordany. Io no fotoana nanombohany ny asam-pamamonjena nanirahan’ny Ray azy dia ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly tamin’ny olona rehetra, ny fanasitranana ny aretina isan-karazany, ny fandroahana demony ary ny fananganana amin’ny maty.

 

Tamin’io fotana naovana batemy an’i Jesoa io no nahalalan’ny olona rehetra fa izy tokoa no ilay Mesia Zanak’Andriamanitra. Ambaran’ny Evajely androany fa « raha vao niala avy tao anaty rano Izy, dia nahita ny lanitra nisokatra, sy ny Fanahy nidina tahaka ny voromahailala, nankeo amboniny ; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe : “Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko” » (Mk. 1, 10 – 11). Tsy Joany Batista irery no nadre izany feo izany fa izay rehetra nanatrika io batemin’i Jesoa io dia samy nadre izany feo izany daholo. Midika izany fa ny nanaovana batemy an’i Jesoa no fotoan-dehibe nampahafantaran’Andriamanitra azy tamin’ny alalan’ny feo avy any an-danitra fa tena izy tokoa no ilay Zanaka malala nirahiny hamonjy antsika ho afaka amin’ny fahotana. Ireo nanatrika teo izany no vavolombelona nahita mazo ny zava-niseho rehetra ka tsy isalasalana fa na olombelona mitovy amin’ny rehetra aza i Jesoa dia Andriamanitra ihany koa satria ilay feo avy any an-danitra mihitsy no nanambara izany.

Marina fa ny batemy tamin’ny rano nataon’i Joany Batista dia voatokana ho an’ny mpanota saingy na tsy mpanota aza i Jesoa amin’ny maha Andriamanitra azy dia nanaiky handray izany batemy izany noho ny fanetren-tenany araka ny ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika mano hoe : « nanaiky an-tsitrapo ny Tompontsika handray ny Batemin’i Md JoanyBatista, izay voatokana ho an’ny mpanota, mba “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Mt 3,15). Io fihetsik’i Jesoa io dia fanehoana ny fanetren-tenany. Ny Fanahy izay nisonenika teo ambonin’ny ranon’ny fahariana voalohany no nidina teo ambonin’i Kristy tamin’izay, ho fambara mialoha ny fahariana vaovao, ary ny Ray no nampiseho an’i Jesoa fa “Zanany malalany” (Mt 3,16-17) » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1224). Azo lazaina araka izany fa ny nanaovana batemy an’i Jesoa dia tandindon’ny batemintsika ihany koa satria amin’ny alalan’ny fandraisana ny Sakramentan’ny Batemy dia tonga zanak’Andriamanitra ihany koa isika.

Vakiteny I : Iz. 55, 1 – 11

Tononkira : Iz. 12, 2 - 3. 4bcd. 5 – 6

Vakiteny II : 1 Jo. 5, 1 – 9

Evanjely : Mk. 1, 7 – 11


Ny Sakramentan’ny Batemy no manala antsika amin’ny fahotana ary mahatonga antsika ho olom-baovao miaraka amin’i Kristy araka ny ampianarin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika antsika manao hoe : « ny Batemy masina no fototry ny fiainana kristianina manontolo, tokonambaravaran’ny fiainana ao amin’ny Fanahy (vitae spiritualis ianua), sy varavarana izay manokatra ny fidirana amin’ireo sakramenta hafa. Tamin’ny Batemy isika no nafahana tamin’ny fahotana sy nateraka indray ho zanak’Andriamanitra, manjary rantsambatan’i Kristy sy voakambana ho vatana iray amin’ny Fiangonana ary natao ho mpandray anjara amin’ny fanirahana azy : “Ny Batemy no sakramentan’ny fahateraham-baovao amin’ny alalan’ny rano sy amin’ny teny” » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1213). Noho izy varavarana izay manokatra ny fidirana amin’ireo sakramenta hafa dia ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika fa « ny vokatra samihafa amin’ny Batemy dia ampahafantarina amin’ny alalan’ireo singa fototry ny zavatra tsapan’ny fandrenesana amin’ny fombam-pivavahana ara-tsakramenta. Ny fandentehana ao anaty rano dia ilazana ny fanehoana an’ohatra ny fahafatesana sy ny fanadiovana, nefa koa ny fahaterahana indray sy ny fanavaozana. Ny vokatra roa lehibe indrindra amin’ny Batemy àry dia ny fanadiovana ny fahotana sy ny fahateraham-baovao ao amin’ny Fanahy Masina » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1262).

Amin’izao fankalazana ny Batemin’ny Tompo izao dia tsara tokoa ny ampahatsiahivana antsika ireo fampianan’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika ireo. Marina fa efa fantantsika izy ireo saingy tsy mahasasatra ny mamerimberina azy mba hanamafisana hatrany izay fahalalantsika izay ary mba hahafahantsika mivelona tanteraka ny vokatry ny batemy noraisintsika. Araka izany dia tsy fombafomba fotsiny ihany ny fandraisantsika ny Sakramentan’ny Batemy fa mitaky adidy lehibe amin’ny maha zanak’Andriamanitra antsika. Izany indrindra no ambaran’i Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly izay vakiana amintsika androany manao hoe : « ny marika ahafantarana fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika, dia ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny, satria izay nateraka avy amin’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao ; ary ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza àry no maharesy an’izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra? » (1 Jo. 5, 2 – 5). Ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny tokoa no adidy lehibe miandry ny vita batemy rehetra koa miara-mivavaka isika amin’izao Alahady fankalazana ny Batemin’ny Tompo izao mba tena hivelona ny batemy noraisintsika tokoa amin’ny alalan’ny fahazotoana mivavaka izay mariky ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy amin’ny alalan’ny fitiavana ny namana izay anisan’ny didy lehibe indrindra amin’ny didy rehetra araka ny ampianarin’i Jesoa antsika.

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0973