Ary izao lazaiko aminareo izao, dia lazaiko amin'ny olona rehetra koa: Miambena

Alahady Voalohany amin'ny Fiaviana

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Manomboka amin’ity alahady androany ity dia hanakoako ao am-piangonana indray ny “Mesia sy Mpamonjy, tongava faingana aminay, hitondra ny fiainana, avia, avia re”, ny “Arotsahy re, ô ry lanitra ô, ny andonao mpamelombelona”, sy ireo sisa hafa. Raha mahatsikaritra ianao dia hira toa miantso olona na fotoana hoavy ireo hira rehetra ireo; ary raha miantso olona hoavy moa izany dia tsy maintsy hoe misy ihany koa fiandrasana. Dia izany tokoa; manomboka amin’ity alahady androany ity tokoa ny Fiaviana. Manomboka androany ihany koa ny taona vaovaon’ny Fiangonana. Ao anatin’ny taona B indray izany isika izao manomboka izao.

Ny toem-panahy ikolokoloan’ny Fiangonana antsika mandritr’izao Fiaviana izao dia ny Fanahy Miambina. Miambina inona anefa? Angamba tsy dia hahadika azy loatra ny hoe “miambina inona” fa tsaratsara kokoa raha atao hoe “miambina an’iza”satria Olona no andrasana. Nefa toa vao maika mananosarotra koa raha toa hatao hoe “miambina an’iza” satria toa mpangalatra na jiolahy na biby fiompy ve sanatria no hambenana. Ny ambenana dia tsy inona akory fa ny fotoana hiavian’ilay Olona; izany hoe ilay Olona hoavy no andrasana sy ambenana ny hiaviany. Mazava ihany angamba ny Olona lazaiko eto; tsy iza akory fa i Kristy. Herinandro telo eo sisa dia hankalaza ny Noely isika rehetra, Noely ankalazana ny nahaterahan’ny Mpamonjy, ankalazana ny nahatongavan’Ilay Zanak’Andriamnitra ho nofo tahaka antsika ka niaraka nonina tamintsika olombelona. Izany fotoana iandrasana ny Noely izany no Fiaviany. Fa mbola tandindona ihany aza moa izany fa ny azo lazaina ho tena dikany ihany koa dia ny Fiainantsika mihitsy no Fiaviana; ny fiainantsika rehetra sy tsirairay mihitsy no Fiaviana. Satria ny hahatongavan’ny Mpamonjy ho an’i Tsirairay amintsika dia isan’andro mihitsy. Ny fahatongavan’ny Mpamonjy tiako lazaina eto koa anefa tsy hoe rehefa ho faty isika fa ny fidiran’io Kristy Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika tsirairay. Noho izany, tsy hoe rahampitso na afaka fotoana any aoriana be any io Fiavian’i Kristy io fa androany, isan’andro. Ary izany no ilazany ao amin’ny Evanjely hoe: “Ary izao lazaiko aminareo izao, dia lazaiko amin'ny olona rehetra koa: Miambena”.

Tantara kely moa no anehoan’i Kristy an’io fiambenana io: tompontrano nandeha nivahiny ka nanankina ny tranony tamin’ireo mpandraharaha. Matetika, tahaka izany, rehefa hoavy ny “deba” dia mitaintaina ny mpandraharaha. Tsy izany anefa no toe-tsaina tian’i Kristy hananantsika miandry Azy fa fahatoniana ary indrindra aza hafaliana tahaka ny olona tia miandry ny hiavian’ny olon-tiany ka tsindrian-daon-kafaliana. Sanatria dia sanatria raha hoe “Rafotsy be very laona ka miandry izay higadonany”; izany hoe midonanam-poana ary mitaintaina sy latsa-tahotra. Fa Fahatoniana sy hafaliana hoy aho teo. Mazava hoazy, raha olona hamonjy anao tokoa moa no andrasana, dia nahoana no tsy ho faly miandry Azy ary tsy andry mihitsy aza izay hahatongavany. Dia izany no mahatonga antsika mihira sy miantsa hoe “Mesia sy Mpamonjy, tongava faingana aminay, hitondra ny fiainana, avia, avia re”. Antsoina Izy hoavy faingana, antsoina mba hitondra fiainana. Tsy haka ohatra lavitra isika fa ohatra akaiky ny fijalin’ny vahoaka malagasy fa sady lafo dia lafo ny vidim-piainana moa ny tsy fandriam-pahalemana mahavery fanahy mbola velona. Ataoko fa fotoana tsara indrindra izao hiangaviana ny Tompo hoavy hanova ny fon’ny Mpitondra ka hitsinjo ny madinika sy ny vahoaka valala tsy mandady harona. Samia ary mahereza isika rehetra ary enga anie ity taona vaovaon’ny Fiangonana ity hitondra fiovana sy fihavaozana tsara eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny maha-olona.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0239