Matokia fa izaho ihany, ka aza matahotra

Alahady Fahasivy ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Asa na mba toa ahy ianao fa raha izaho manokana aloha dia mahatsapa fa tafiditra tanteraka amin’ny vanim-potoanan’ny fampihorohoroana tanteraka isika izao. Tsy ireo mahery fihetsika ihany no tiako ho lazaina mampihorohoro eto fa ny fiaraha-monina manontolo mihitsy no feno fampihorohoroana; miaina tsy lavo loha ny olona rehetra. Na fahitalavitra, na onjam-peo, na aterineto dia feno fampihorohoroana avokoa. Ny ahiako koa aza dia toa efa fampihorohoroana sahady izao resaka ataoko amin’ny fifampizarana izao; tsy misy afa-midify ary tsy misy afa-miala. Any amin’ny tany mahantra dia horohoroan’ny tsy fandriam-pahalemana sy fanaovan’ny mpitondra kelitsimbamamindro ny vahoaka ka raiki-tahotra lalandava, tsy andro, tsy alina. Any amin’ny tany andalam-pandrosoana dia horohoroan’ireo orinasa vavety iraisam-pirenena ny vahoaka ka manaraka am-bokony izay tiany fa raha tsy zany dia very fihinanana. Any amin’ny tany mandroso, horohoroan’ny mpitondra fanjakana ny vahoaka amin’ny fampiakarana ny hetra sy ny faneriterena ara-pitsipi-pamokarana isan-karazany. Any amin’ny tany silamo dia horohoroan’ny fanjakana didi-jadona ny vahoaka amin’ny fanapahan-doha tsy misy fitsarana sy ny famonoana toy ny kisoa ireo kristianina. Mazava hoazy, any amin’ny tany miady moa zany dia efa rano fisotro maraina, atoandro, hariva ny horohoro. Ary, eny, fa na dia eo amin’ity aterineto ity aza dia misy fampihorohoroana; tsy hilaza aho afa-tsy ireny “raha tsy manao amen ianao dia hisy tranga hoavy aminao” eny ao anivon’ny fesiboky ireny… Vokany: feno tahotra izao tontolo izao, miaina anatin’ny tahotra ny olona rehetra.

Soa ihany fa mbola eo i Kristy manome toky ahy, manome toky anao ary manome toky antsika rehetra hoe mbola eo Izy, ary miara-dàlana amintsika isan’andro. Tsy hoe miara-dàlana tsotra fotsiny aza Izy fa mampitony ny rano sy ny rivom-piainantsika misamboaravoaran’ny tahotra. Efa Teniny ho antsika rehetra io fampanantenana fahatoniana io, dia anjarantsika indray kosa ny mandray an’izany ho teny fiainana. Mazava hoazy, tsy hanao mazia-mazia i Kristy fa mba miandry fandraisana anjara avy amintsika ihany koa Izy. Tsy hoe sanatria tsy vitany irery ny hampitony ny tahotra eo amintsika fa ny iriny dia ny mba handraisantsika anjara am-pinoana. Ny fandraisantsika anjara amin’izany dia midika fa resy lahatra isika fa mahavita an’izany i Kristy ary indrindra indrindra maniry isika ny hisian’ny fahatoniana; fiekem-pinoana izany. Ny hany kely hataontsika mba hampitony ny tahotra sy ny tebitebintsika manoloana izany ahiahy isan-karazany izany dia tsy inona akory fa ny fiekena an’i Jesoa ho Tompo aloha voalohany indrindra. Ny Fiekena an’i Jesoa ho Tompo dia midika fa afaka hahavita zavatra goavana eo amin’ny fiainanao Izy. Ny faharoa manaraka izany dia ny fandraisana Azy ho eo antsambokelin’ny fiainanao. Rehefa raisinao ho eo amin’ny fiainanao i Kristy dia ho sahy hisedra ny fiainana tsy amin-tahotra na ahiahy ianao fa hatoky sy hijoro satria manana mpiaro mahatoky sy vonona hiaraka hisedra aminao ny mafy sy ny sarotra. Rehefa raisinao ho mpiara-miatsambo eo amin’ny fiainanao i Kristy dia azo antoka fa ho maivana ny tontolo andronao na dia donain’ny tahotra sy ny fampihorohoroana isan-karazany aza. Raiso i Kristy hiara-dàlana aminao na aiza na aiza, raiso i Kristy hiaraka hisedra ny onjam-piainana aminao fa aza mandeha irery, aza misedra ny tahotra irery. Inona fotsiny no hananana Azy ho Tompo raha tsy hanampy antsika Izy, sady efa Teniny rahateo izany; raiso ho anao ny Teny Fampanantenany.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0933