Tsy tokony handeha izy fa omeo hanina

Alahady Fahavalo ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona

Homba antsika mianakavy anie ny Tompo.

Tamin'ny heriny isika dia niresaka manokana momba ny fikatsahana ny Fanjakan'ny lanitra. Sarobidy mihoatra ny harena ka hahafoizana izay ananana rehetra mba hahazoana azy. Nitodika kokoa tamin'ireo izay manana i Jesoa, indrindra ireo izay tsy mahafoy ny hananany. Satria ny manan-karena dia tsy izay manam-be ihany akory fa izay mifikitra loatra amin'izay kely ananany.

Amin'ity alahady androany ity indray dia miresaka momba ny tsy fananana ny Evanjely. Olona nanaraka an'i Jesoa ka noana tsy misy hohanina. Ny vahaolan'ny olombelona manoloana izany dia izay nolazain'ny mpianatra. Asaivo mody izy ireo hisakafo. Izany tokoa matetika ny vahaolana aroson'ny olombelona manoloana ny tsy fananan'ny hafa. Fialàna andraikitra, fanilikilihana. Impiry tokoa isika no mahita antony foana tsy hanomezana ireo izay anaty fahasahiranana? Resy lahatra mihitsy isika matetika mampiseho ny hamafisan'ny fontsika: "Aza manome mpangataka fa mandainga fotsiny ireny" hoy isika rehefa misy mpangataka mitaraina. "Aza manome an'io fa hividianany sigara sy toaka fotsiny", rehefa sendra mpangataka malotoloto lamba. "Mandehana any am-piangonana any amin'ny Caritas fa efa ry zareo no miandraikitra ny mahantra", kanefa isika amin'io matetika tsy manome fanampiana ny Caritas akory. sns. Fa i Jesoa kosa tsy niolakolaka fa avy hatrany dia nanome vahaolana teo no ho eo: "Tsy tokony handeha izy fa omeo hanina." 

Ray mpiahy ny zanany Andriamanitra. Tsy manary izay mihaino azy. Ireto olona nanaraka an'i Jesoa ireto dia nametraka fitokisana taminy, nihaino Azy. Dia indro tokoa fa namoky azy ireo Jesoa tamin'ny fotoanan'ny hanoanana. Filaza matetika ny hoe tsy mivavaka ny olona raha tsy ao anaty fahoriana. Ao anaty filàna vao mba mahatsiaro ny Tompo. Marina izany. Ao anatin'ny fijaliana no mitady mpamonjy, fa sarotra kokoa ny miantso mpamonjy tsy fantatra. Raha mifanerasera amin'i Jesoa hatrany isika mandritra ny androm-pifaliana, monina ao aminy hatrany, ka izy honina ao amintsika, dia tsy ho lavitra antsika izy rehefa sendra anaty fahasahiranana isika.

Manatona an'Andriamanitra dieny tsy mangetaheta, mitoera eo anilany dieny tsy noana. Ndrao tsy manan-kery hanatonana azy intsony isika amin'ny fotoana mahasahirana antsika. Ndrao lavitra loatra azy isika amin'ny fotoanan'ny fijaliana ka tsy mahita hiantsapazana.

 

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0975