Misaotra anao aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany

Alahady Fahaefatra ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Raha misy manome zavatra ho anao

Kingà miteny hoe: «Misaotra tompoko ô»

Ataoko fa tadidinao tsara izany tononkalo izay; fony faha garabola no nianarana an’izany tsianjery izany ary heveriko hoy aho fa mbola tsaroanao tsara. Tononkalo tsotra nefa nifono fahaiza-miaina lalina ary tavela ho tapisaka ao an-tsaina hatramin’izao. Raha izaho manokana aloha dia tsapako fa lova tsara ho ahy io tononkalo fohy io; voafehiny ao manko ny fototrin’ny tontolon’ny fahaiza-miaina eo anivon’ny fiaraha-monina dia tsy inona akory izany fa ny fahaiza-mankasitraka.

Nanaitra ahy tanteraka ity ampahan-tsoratra masin’ny Evanjely vakiana amintsika amin’ity alahady faha-14 mandavataona ity. Nanaitra ahy satria dia i Jesoa mihitsy no misaotra; i Jesoa mihitsy no manandratra vavaka fankasitrahana. Mankasitraka an’Andriamanitra Ray i Jesoa noho ny soa nataony Taminy. Tsy inona ilay soa fa ny nanomezan’Andriamanitra fahasoavana an’ireo madinika sy tso-piainana mba higoka ihany koa ny famonjena. Ireo hevitra roa ireo ary no andeha hifampizarantsika eto indray anio; ny voalohany dia ny momba ny Fisaorana an’Andriamanitra ary ny faharoa kosa dia ny Fitiavan’Andriamanitra ny olon-drehetra ka na ny madinika sy ny tso-po aza dia afaka migoka ny fahasoavana avy Aminy.

Matetika aho rehefa mivavaka dia fahazaran-dratsiko mihitsy ilay tonga de mijoboka amin’izay zavatra tiako sy iriko homen’Andriamanitra ahy. Hiatrika fanadinana aho. Ny zavatra lazaiko voalohany amin’Andriamanitra dia ny hanomezany ahy hery sy tanjaka ary fahaizana hiatrehako an’ilay fanadinana. Tsy tsaroako akory izay mba hisaotra Azy amin’ny fahasalamana sy ny fotoana nomeny ahy ka nahafahako ho tonga manoloana ilay andro hiatrehako ny fanadinana. Ataoko fa tsy izaho irery no manao toy izany fa na ianao ihany koa aza. Miala tsiny fa tsy hoe sanatria aho mitsara anao sy ny hafa raha miteny an’izany fa milaza ny zava-misy iainantsika rehetra. Eto ary i Kristy dia mampianatra antsika fomba fivavaka anankiray. Raha Izy aza Ilay mahavita ny zavatra rehetra ary tena Andriamanitra, mbola misaotra ny Ray; noho izany, isika ihany koa dia tsy maintsy misaotra ny Ray isakin’ny mivavaka, alohan’ny hangatahantsika Aminy izay ilaintsika. Fahalalam-pomba fototra hoy aho ny fahaiza-mankasitraka. Ampiharina eo amin’Andriamanitra ihany koa izany fahalalam-pomba izany. Isaorana mandrakariva Andriamanitra amin’izay rehetra ataony amintsika. Iza moa isika no ho afaka hitanisa ny soa ataon’Andriamanitra amintsika? Noho izany, na ny fisaorana ataontsika amin’Andriamanitra aza dia tsy hahavaly velively ny fitondrany antsika. Ny fifampizarana faharoa mifanjohy amin’izany dia ny momba ny Fitiavan’Andriamanitra antsika rehetra tsy misy avakavaka. Toe-tsaintsika manko ny hoe “izahay moa mainty, izahay moa mavomavo” ka mba hihaino ahy ve Andriamanitra? Ny rehetra rehetra amintsika dia manana zo feno higoka ny fahasoavan’Andriamanitra. Tahaka ny anaposahan’Andriamanitra ny masoandroany ho an’ny olon-drehetra no anatosahany ihany koa ny fahasoavany ho antsika rehetra tsirairay; fa fotsiny ihany, isika mihitsy no mila manova ny fomba fivavaka mba ho vavaka tena matoky sy mino ny fanampian’Andriamanitra antsika rehetra. Tsy misy hoe “itsy masoandro ho an’ny deba ary itsy masoandro ho an’ny madinika”. Toy izany koa Andriamanitra; tsy manavaka na iza na iza Izy fa lasitra iray isika rehetra eo Aminy. Samy tiany isika satria samy arin-tànany ary samy antsoiny hoe zanany. Anjaran’ny tsirairay ny mampivelatra izany fahasoavana maha zanaka izany amin’ny Fiainana feno Finoana tanteraka ny Fitondran’ny Ray.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087