Mampianàra ny firenena rehetra

Fankalazana ny Niakaran'ny Tompo

Homba antsika mianakavy hatrany anie ny Tompo.

Mankalaza ny fiakaran'ny Tompo any an-danitra ny Kristianina amin'ny firenena maro amin'ity alakamisy ity ka anisan'izany ny eto Madagasikara. Andro faha 40 taorian'ny nitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty. Amin'ity taona ity, izay taona A, dia ny evanjelin'i Matio no atolotry ny Fiangonana hodinihintsika. Miavaka kokoa ity evanjely ity amin'ny fitantarana ny fisehoan'i Jesoa taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty. Fohy dia fohy mantsy ny fitantaran'i Matio ireo fisehoana ireo. Ary ny niakaran'i Jesoa any an-danitra aza dia tsy nolazain'i Matio antsipirihany. Ny antony, araka ny efa azontsika antsaina, dia satria arakaraky ny mpino mihaino sy mamaky hatrany no anoratan'ny evanjelista ny fampianarany. Matio dia nampianatra manokana an'ireo Jody sy mpanora-dalàna tonga ho kristianina. Ny tena nila nasehon'i Matio dia hoe i Kristy tokoa no ilay Mesia nandrasana hatramin'izay tao amin'ny testamenta taloha. Ny porofo farantampon'izany dia ny fahafatesana sy fitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty.

Koa ny fiakaran'i Jesoa vatana any an-danitra, ho an'ny fampianaran'i Matio, dia midika indrindra indrindra hoe mivelatra ho an'ny rehetra amin'izay ny fanambaràna fa tsy ho an'ny Jody irery intsony. Tsy ao Jerosalema ao an-tempoly irery intsony no hahafahana mivavaka fa na aiza na aiza, hatrany amin'ny fara-vazan-tany. Izay indrindra no mahatonga an'i Matio nanisy lanja ny fanirahana ny Apostoly ao amin'ny faran'ny Evanjeliny araka izay henontsika androany.

Izay tokoa mantsy, no tena dikan'ny fiakaran'ny Tompo any an-danitra. Famantarana ho an'ny maso fotsiny ihany ny niakaran'ny vatan'i Jesoa, fa ny tena votoatiny dia hoe tsy nijanona ho an'ny mponin'i Galilea intsony fotsiny izy. Vokatry ny fiakaran'ny Tompo any an-danitra dia nanjary nisitraka ny fahafantarana an'i Jesoa sy ny fahafahana miresaka sy mivavaka amin'i Jesoa daholo izao tontolo izao. Niakatra ho amin'ny toetra tsy voafehin'ny toerana sy fotoana intsony i Jesoa ka afaka miresaka aminy avokoa ireo rehetra mahalala azy.

Matoa anefa isika mahalala azy dia noho ny fampianarana nampitain'ireo Apostoly izay tsy nijanona tao Galilea koa fa niparitaka maneran-tany araka ny fampianaran'i Jesoa. Mifameno tsara, araka izany, ny fiakaran'i Jesoa sy ny fanirahana nataony tamin'ny Apostoly. Nanampy izany rahateo ny asan'ny Fanahy Masina izay nampivelatra tanteraka ny fitoriana.
Isaorantsika Andriamanitra fa tonga soa amantsara aty amintsika ny fanambaràna. Mbola mila antsika anefa i Jesoa hanitatra hatrany ny fanjakàny. Mandehana ianareo, hoy izy, mampianatra ny firenen-drehetra. Koa mbola tsy vita ny asa raha tsy tafita amin'ny firenen-drehetra ny fampianarana. Alao hery ary mba tsy ho mpandray fampianarana fotsiny isika fa mba ho mpizara mihitsy. Tsy ho vitantsika samy irery izany koa angatahontsika ny Fanahy Masina, indrindra amin'izao folo andro mialoha ny Pentekoty izao hanampy antsika. Hanilo sy hanazava ary hankahery.

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086