Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra

Alahady Faharoa amin'ny Fiaviana

Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra” (Mt 3, 1-12)

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

 

Fitenintsika andavanandro ny hoe “Mandia tany ka solafaka ary miloloha lanitra ka mety lena”. Aiza moa no hisy olona tsy ho diso, aiza no hisy olona tonga lafatra. Samy manana ny kilemany sy ny fahalemeny raha mbola olona nofo sy ra ihany. Ao anatin’ny maha olombelona antsika tsirairay ny tsy fahamendrehana sy ny tsy fahalavorariana. Raha mbola nofo koa ny nofo dia tsy afaka ny maha “diso” ny olombelona tsirairay. Tandra vadi-koditrin’ny maha olombelona antsika ny tsy fahalavorariana. Raha mbola olombelona ihany dia tsy afaka hilaza fa tsy manan-keloka. Ny heloka tsy inona tsy akory fa ny fihetsika na teny na eritreritra tsy mifanaraka amin’ny rindran’Ilay Zanahary Mpahary antsika. Mety ho fihetsika iniana ny heloka, fa ny ankamaroany dia vokatrin’ny fieritreretana sy ny fandinihana. Heloka ny tsy manao ny marina satria “Marina” ny Zanahary. Heloka ny mamingavinga ray aman-dreny satria voararan’ny didifolon’Andriamanitra. Meloka aho rehefa tsy mitondra tena sy teny arakin’ny Sitrapon’Andriamanitra; meloka satria tsy mahitsy satria ny Làlan’ny Tompo dia Làlan’ny rariny sy ny hitsiny. Rehefa tsy mahitsy fitondran-tena sy fitondran-teny aho dia meloka. Noho izany, ny hitsiny dia tsy inona akory fa izay mahasoa ny besinimaro sy mifanandrify amin’ny sitrapon’Andriamanitra.

Ny heloka nilaozana anefa tonga hitsiny” hoy ihany ny ohabolandrazantsika. Araka ny efa voalaza etsy am-piandohana, ny heloka dia tsy fahamendrehana sy tsy fahalavorariana. Anànana tsiny eo anatrehan’Andriamanitra sy ny mpiara-monina ny heloka. Fa rehefa ekena anefa fa tsy mety ny natao dia tonga hitsiny. Ny heloka nataoko rehefa ekeko amin’ny fo manontolo fa heloka marina tokoa dia tonga rariny ho ahy. Tonga hitsiny ny heloko rehefa ekeko ho heloko ary miezaka aho ny tsy hamerina izany intsony. “Ny heloka ibabohana manko tonga rariny”. Rehefa ibabohako fa tsy mety ary tsy haveriko intsony ny heloka nataoko dia tonga rariny ho ahy.

Ao anatin’izany fomba fisainana sy fandinika tena malagasy izany àry no anentanan’ny Fiangonana Reny antsika rehetra indray amin’ity Alahady sy herinandro faharoa amin’ny Fiaviana ity. Antsoina isika tsirairay mba hibebaka sy hiaiky heloka ary hiverina amin’ny Tompo. Manaiky ny Finoantsika fa tsy misy olona lavorary, na izaho na ianao; fa saingy ao anatin’izay tsy fahalavorariana amin’ny maha olombelona izay indrindra no iantsoany antsika tsirairay hiverina amin’ny làlana mahitsy. Ao anatin’izay maha mpanao heloka antsika olombelona izay indrindra Andriamanitra no miantso antsika zanany hibaboka ka hahazahoantsika ny rariny indray. Ny fibebahana hataontsika dia ny fialàna amin’ny heloka mahazatra sy fanao matetika. Tanterahina izany amin’ny “fanamboarana ny làlan’ny Tompo” fa efa hoavy Izy. Ny tiana holazaina amin’ny hoe manamboatra ny làlan’ny Tompo dia tsy inona tsy akory fa ny fampanarahana ny heverina sy ny atao hira lenta amin’ny Sitrapon’Andriamanitra. Anisan’ny lehibe indrindra amin’izany fiovana izany ny fambolena ny fanetren-tena. Ny fifabohan-keloka dia fanetren-tena tanteraka. Satria resaka làlana le raha, dia azo oharina amin’ny tendrombohitra aetry ho tonga marindrano mba ho zary làlana ny fibabohan-keloka. Ny fibebahana noho izany dia ny fanesorana izay rehetra mety ho sakana sy tohana amin’ny làlana hiavian’ny Tompo. Meloka aho, meloka ianao ary tsy lavorary ny tsirairay amintsika ka ny fibebahana iantsoan’Andriamanitra antsika dia ny fanetrentsika tena fa mila ny Famonjena avy Aminy. Tadidio anefa fa tsy hiady irery ianao amin’izany ezaka izany; ny Tompo no homba anao ka mahereza.

Mirary alahady finaritra.

 

Mompera Nary

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089