Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay andro hiavian’ny Tomponareo

Alahady Voalohany amin'ny Fiaviana

Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay andro hiavian’ny Tomponareo” (Mt 24, 37-44)

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Manomboka sahady ity ny vanim-potoanan’ny Fiaviana; Fiaviana izay anomanantsika ny Fo sy ny Fanahy handray ny Fankalazana ny nahaterahan’i Mesia. Raha andro, dia iray volana eo ho eo hikarakarana ny Fankalazana ny nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo. Manana iray volana aho hiomanako sy hanomanako ny mpiara-monina amiko handray tsara izany andro lehibe izany. Ny fiomanana hataoko anefa, arak’izany tsy dia ho amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-materialy loatra fa izay hahasoa sy hahatsara ny Fanahy aloha voalohany indrindra; fa ny sisa manaraka afara. Satria ny Fankalazana ny Nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo dia aseho amin’ny Fiovam-Panahy sy Fo aloha voalohany indrindra; fa ny fitafiana tsara sy ny sakafo soa dia ambony ampanga fotsiny amin’izany Fankalazana izany. Ny homaniko voalohany amin’ny Fandraisana ny Mesia, tena Mesia, hoavy, dia ny foko sy ny saiko satria tsy endrika materialy intsony no hitoerany izao fa ny foko mihitsy indray. Tsy trano na lapa be intsony no hivantanan’i Kristy amin’izao Fankalazana ny fahatongavanay izao fa ny foko kely. Ny Foko no ho lapany amin’izay fotoana izay ary ny fanahiko no hanjakany. Iray volana sisa dia hoavy ny fankalazana ny Noely; iray volana hanomanako ny Fiavian’i Mesia. Iray volana sisa dia hoavy ny Krisimasy; iray volana hamolavolako ny foko sy ny saiko ho mendrika izany fankalazana izany, hiomanako dieny izao mba ho fanahy sy fo voadio tsara no hoentiko hitsena izany andro lehibe izany.

Hafatra fohy fa saingy mafonja dia mafonja no ampitain’ny Fiangonana amintsika amin’izao fanombohana ny Fiaviana izao: “Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay andro hiavian’ny Tomponareo”. Tenin’i Jesoa Kristy io; anisan’ireo hafatra faraparany talohan’ny handaozany ny mpianany sy ireo nanara-dia Azy. Tsy dia hoe hoan’izao fanombohana ny Fiaviana izao ihany akory io hafatra ampitain’ny Tompo io fa tena ho an’ny fiainana iray manontolo. Matetika moa rehefa miteny izany fiavian’ny Tompo izany dia ny farandro no tonga an-tsaina voalohany indrindra. Izay hevitra izay no ndeha ho zohiantsika hanazavantsika io Tenin’i Kristy io. Raha izaho aloha dia tsy mahalala izay farandroko na ho rahampitso na ho amin’ny alakamisy heriny. Betsaka ireo olona maminany sy milaza ho mahalala ny farandrony; saingy tsy misy azo inoana izany fa fampandriana adrisa hambaboana ny hevitrao sy ny fironanao fotsiny. Fa averiko ihany: tsy fantatra izany andro izany. Ka raha tsy fantatro ary izany andro izany dia inona no hataoko? Miomana. Miomana mba tsy ho tampoka izany andro izany; miomana mba tsy hiteny aho hoe “tsy nampoiziko” na hoe “tsy mbola vonona aho” satria tsotsori-mamba isarahana io ary tsy misy ankiverin-dàlana fa izay mbi-andakana dia lasa izay. Mba tsy ho tampoka amiko izay andro izay dia tsy maintsy hiambina isan’andro aho; tsy hoe amin’ny teniko ihany fa amin’ny ataoko mihitsy. Dieny mbola misy ny fotoana hiomanako dia hiambina aho mba tsy ho tampoka ho ahy izany andro izany. Fa tsy ho ahy ihany fa ho an’ny hafa ihany koa; mba tsy hiteny amiko ny hafa hoe “tampoka aminay” ny Fiavian’i Kristy naka anao.

Hamaranako ny fizarana dia izao: sarotra dia sarotra ny fiainana ny ara-panahy ankehitriny, sarotra dia sarotra ny fiambenana ny Fiavian’ny Tompo satria mahery loatra ny fironana ara-nofo. Aza hadino fa tsy ianao no miady fa ny Tompo no miady ho anao; antsoy mandrakariva Izy amin’izay ataonao rehetra fa Izy no hamolavola anao ho vonona handray ny fahatongavany. Miara-dàlana amintsika isan’andro ny Tompo.

Mirary alahady finaritra.

 

Mompera Nary

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.047