Tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza

Alahady Fahatelo amby telopolo tsotra Mandavan-taona

Tsy ho ela intsony isika dia hamarana ny taona litorjika. Tamin'ny heriny, raha tsiahivina dia ny fanazavan’i Jesoa mahakasika ny fitsanganan’ny maty no hevi-dehibe nambaran’ny Evanjely. Mifampitohy amin’io resaka fitsanganan’ny maty io ny fampianarana omen’i Jesoa ao amin’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana amin’ity Alahady Faha – 33 tsotra Mandavan-taona ankalazaintsika androany ity. Ny fiafaran’izao tontolo izao no tian’i Jesoa hohazavaina amintsika androany amin’ny alalan’ny resaka nifanaovany tamin’ireo olona izay nilaza ny tempoly ho voaravaka vato tsara sy fanatitra saro-bidy. « Ary nisy nilaza ny tempoly ho voaravaka vato tsara sy fanatitra saro-bidy, fa hoy Jesoa : Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo, ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana. Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe: Ry Mpampianatra, rahoviana no ho tonga izany, ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany? Ka hoy Jesoa hoe : Tandremo sao ho voafitaka hianareo, fa maro no ho avy hisandoka ny anarako hanao hoe : Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro, ka aza manaraka azy. Ary raha mandre ady sy fikomiana hianareo, aza taitra : fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy mbola ho tonga miaraka amin’izay akory ny farany. » (Lk. 21: 5 – 9).

Toa mampatahotra sy mampihorohoro tokoa raha dinihina lalina ity fanazavana nomen’i Jesoa mahakasika ny zavatra tsimaintsy hiseho alohan’ny fahatongavan’ny faran’izao tontolo izao ity. Tsy izany ihany fa mbola mitohy ny fanazavana nomeny ka hoy izy hoe : « hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena, sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana ; hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana ary mosary amin’ny tany samihafa ; eny an-danitra koa, dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe. » (Lk. 21: 10 – 11). Raha ireo zavatra tsimaintsy hiseho ireo no jerena dia hita fa saika efa tanteraka daholo. Ny tempoly izay voaravaka vato tsara sy fanatitra saro-bidy moa dia efa rava tokoa satria rindrina sisa no mijoro ao fa ilay tempoly tsara tarehy tamin’ny andron’i Jesoa dia efa tsy hita intsony. Tahaka izany, saika isan’andro isika no mandre amin’ny fampahalalam-baovao mahakasika ny ady etsy sy eroa. Eo ihany koa ireo loza maro samy hafa tahaka ny voalazan’i Jesoa amin’ity Evanjely androany ity hoe : « hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana ary mosary amin’ny tany samihafa ». Iarahan-tsika mandre ohatra tamin’ity herin’andro ity ny rivo-mahery sy rano be izay nandravarava tany Philippine, tahaka izany ny varatra be nilatsaka sy rambon-danitra mahery vaika izay niseho tamin’ny faritra sasany teto Madagasikara, araka ny ambaran’ireo fampahalalam-baovao samihafa. Nisy ihany koa no nilaza fa nisy zavatra hafahafa hitan’ny olona niseho teny amin’ny lanitra teny.

Noho ireo rehetra ireo dia maro no alaim-panahy hilaza fa akaky tokoa angamba ny farany. Misy aza moa dia tena sahy miteny sy mampatahotra mihitsy fa hoe ho tonga tsy ho ela izany farany izany ka miomàna. Manoloana izany dia misy tokoa ny mihorohoro sy matahotra ary lasa minomino foana sy manaonao foana. Ireny olona milaza ny tenany ho mpaminany ka mampatahotra sy mampihorohoro ireny no ambaran’i Jesoa ho mpisandoka ny anarany ary dia ampitandremany antsika amin’ity Evanjely androany ity. « Ka hoy Jesoa hoe : Tandremo sao ho voafitaka hianareo, fa maro no ho avy hisandoka ny anarako hanao hoe: Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro, ka aza manaraka azy » (Lk. 21: 8). Manoloana izany dia tena mila mitandrina tokoa isika mba tsy ho voarebirebin’ireny olona manome fampianarana diso ireny satria mazava ny voalazan’i Jesoa androany « fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy mbola ho tonga miaraka amin’izay akory ny farany » (Lk. 21: 9). Izany indrindra no nanohizan’i Jesoa ny fanazavana nataony ka nilazany hoe : « fa alohan’izany rehetra izany hianareo dia hosamborina, hoenjehina, hoentina any amin’ny sinagoga sy an-tranomaizina, ary hatolotra amin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny anarako. Izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko hianareo. Koa alatsaho ao am-ponareo ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory ; fa izaho ihany no hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively. Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza, mbamin’ny havana aman-tsakaizanareo dia hanolotra anareo koa, ka hovonoiny ny maro aminareo, ary ho halan’ny olona rehetra hianareo noho ny anarako ; nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza. Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo » (Lk. 21: 12 – 19).

Mazava ny tian’i Jesoa hambara eto fa ny fijoroantsika amin’ny finoana sy ny fananantsika faharetana amin’izany finoana izany no hamonjentsika ny tenantsika. Tsy tian’i Jesoa ho very isika ary volazany fa « tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza » (Lk. 21: 18). Noho izany dia tonkony hatoky azy mandrankariva isika satria izy no efa niteny hoe : « alatsaho ao am-ponareo ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory ; fa izaho ihany no hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively » (Lk. 21: 14 – 15). Miantso antsika ary izy androny mba hijoroantsika ho vavolombelony eo anatrehan’ny olona. Izay rahateo no nilazany fa « izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko hianareo » (Lk. 21: 13). Koa manoloana ireo mpisandoka ny anaran’i Jesoa izay mampatahotra sy mampihorohoro dia tsimaintsy mijoro mandrankariva isika hanohitra azy ireny. Mety hihevitra isika fa tsy afaka manao na inona na inona, aoka anefa ho tadidintsika ny tenin’i Jesoa nilaza androany fa izy mihitsy no hanome vava antsika, sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalontsika toherina na lavina velively.

Araka izany dia tsy tokony hatahotra na hisalasala isika hanohitra ireny fampianarana diso sy mapihorohoro ireny, izay milaza fa ho avy tsy ho ela ny faran’izao tontolo izao. Ny faharetantsika sy ny fiankinantsika amin’i Jesoa no hamonjentsika ny tenantsika ka miara-mivavaka isika androany mba hanana faharetana marina amin’ny finoana ka tsy ho voarebiren’ireo olona milaza etsy sy eroa fa ho avy ny farany. Marina fa maro ireo loza samihafa hita sy miseho amin’izao andro iainantsika izao, saingy tsy midika ireny fa ho avy ny farany satria araka ny nambaran’i Jesoa dia tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy mbola ho tonga miaraka amin’izay akory ny farany. Andeha ary isika hanankina amin’i Jesoa ny fiainantsika manontolo ka na ho anio na ho rahampitso no hahatongavan’izany farany izany dia vonona mandrankariva isika satria manana azy ho Tompo sy Mpamonjy izay miaraka amintsika isan’andro amin’ny alalan’ny vavaka ataontsika sy amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Eokaristia izay mampiombona antsika aminy.

Vakiteny I : Mal. 3:19-20,
Tononkira : Sal. 98:5-6,7-8,9,
Vakiteny II : 2. Tes 3:7-12,
Evanjely : Lk. 21:5-19,


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087