Sorona Masina ny Zoma 24 febroary 2023

ZOMA

manaraka ny Lavenona

Tononkira fidirana

Salamo 29, 11


Nihaino ahy ny Tompo ary niantra ahy, nanaiky hanampy ahy Izy Tompo.


Fangatahana

Tompo ô, tahio sy ankasitraho ny asa fivalozana atombokay izao, ka enga anie mba hifanaraka tanteraka amin’ny fomba arahinay eto ivelany ny toetran’ny fo amam-panahinay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 58, 1-9a


Moa izany no fifadian-kanina ankasitrahiko?

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: Manezaha antso mafy, ka aza tanana ny feonao; ataovy manehoeho hoatra ny trômpetra ny feonao, ka ambarao amin’ny vahoakako ny fahotany, ary amin’ny taranak’i Jakôba ny fahadisoany. Mitady Ahy isan’andro izy ireo, samy maniry hahalala ny lalako, mova tsy ny firenena efa manaraka ny rariny, sy tsy mba nahafoy ny didin’Andriamanitra akory. Mangataka fitsarana marina amiko izy, ary maniry hohatonin’Andriamanitra: Soa inona ho anay ny mifady hanina raha tsy hitanao izany, sy ny manetry ny fanahinay, raha tsy jerenao izany? Amin’ny andro ifadianareo, mbola ny raharahanareo ihany no ataonareo; ary mbola poretinareo hiasa mafy ihany ny mpikaramanareo rehetra. Sady miady sy mifanditra ianareo no mifady, ary mamely totohondry an-katezerana aza! Ny fomba fifadianareo amin’izany andro izany, tsy mba hihainoana ny feonareo any amin’ny avo. Moa izany va no fifadiana ankasitrahiko? Izany va no andro fanetren’ny olona ny fanahiny? Ny miondri-doha hoatra ny zozoro, sy mandry amin’ny lasaka sy lavenona, dia izany va no antsoina hoe fifadiana, sy andro ankasitrahin’ny Tompo? Tsy izao va no fifadiana tiako kokoa: dia ny manapaka ny famatorana tsy an-drariny, ny mamaha ny fehezan’ny jioga, ny mandefa ny ampahorina ho afaka, ny manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany? Moa tsy ny hizarànao ny mofonao amin’izay noana va, sy ny hampiantranoanao ireo mahantra tsy manan-kidirana sy ny hanafianao izay hitanao miboridana, ary ny tsy hiviliana tsy hijery ny tapaky ny tenanao? Amin’izany, ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina, ary ny fahasitrananao ho tonga faingana; ny fahamarinanao hialoha lalana anao; ny voninahitry ny Tompo ho vodilalanao. Amin’izany ianao hiantso, ary ny Tompo hamaly; ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: “Inty Aho!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 50, 3-4. 5-6a. 18-19


Fiv.: Ny fo torotoro sy montsamontsana, tsy mba iavonanao, ry Andriamanitra.

Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra. Fa Ianao manko lalim-pitiavana. Mba koseho re ny heloka vitako, dia diovy aho hiala amin’ny otako.
Efa niaiky hadisoana ny tenako, eo imasoko hatrany ny otako. Taminao aho no diso, Andriamanitro, fantatrao avokoa ny kilemako.
Lavinao tsotra izao ny fanatitra; toy izany ireo sorona dorana. Ny fanahy torotoro, ry Tompoko, io no sorona tianao hatolotra.


Fihobiana ny Evanjely

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra.

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 9, 14-15


Rahefa miala eo aminy ny mpampakatra vao hifady hanina izy.

Tamin’izany andro izany, dia nankao amin’i Jesoa ny mpianatr’i Joany ka nanao hoe. “Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin’izay vao mifady hanina izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, enga anie izao Sorona atolotray mandritra ny karemy izao mba hahitanay sitraka aminao, ka handrisika anay hampihafy ny tenanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Karemy


Kômonio

Salamo 24, 4

Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy; ny sakeli-dalanao ampianaro ahy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa avy nandray anjara tamin’izao mistery izao; ka enga anie ho afaka amin’ny ota rehetra sy ho mendrika hositranin’ny fitiavanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1041