Sorona Masina ny Alakamisy 23 febroary 2023

ALAKAMISY

manaraka ny Lavenona

Tononkira fidirana

Salamo 54, 17-20. 23


Niantso ny Tompo aho, ka nohenoiny; voan’ny ady am-parimbona, ka notsoahiny. Apetraho eo amin’ny Tompo ny ahiahinao, fa hanohana anao Izy.


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: aoka ny fahasoavanao hitarika anay hanomboka tsara ny asanay ary hanampy anay mandrakariva hanatanteraka azy, ka Ianao hatrany anie no hiandohan’ny asanay manontolo ary Ianao koa no hiafarany.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky Deteronômy

Det. 30, 15-20


Indro nataoko eo anoloanao androany ny tso-drano sy ny ozona.

Tamin’izany andro izany, izao no nolazain’i Môizy tamin’ny vahoaka Israely: “Indro nataoko eo anoloanao androany ny fiainana sy ny tsara, ny fahafatesana sy ny ratsy, tamin’ny nandidiako anao androany ho tia ny Tompo Andriamanitrao sy handeha amin’ny lalany, ary hitandrina ny didy aman-dalàny mbamin’ny fitsipiny, mba ho velona ianao, sy hihamaro ary hambinin’ny Tompo Andriamanitrao any amin’ny tany efa hidiranao mba hanananao azy. Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao, fa mety hotarihina hiankohoka amin’andriamani-kafa sy hanompo azy, dia ambarako anareo dieny ankehitriny, fa ho ringana tokoa ianareo; tsy ho lava andro any amin’ny tany efa hidiranao hanananao azy rahefa tafita an’i Jordany ianao. Miantso ny tany aman-danitra ho vavolombelona aminareo aho anio, fa nataoko eo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ny tso-drano sy ny ozona; koa fidio àry ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao, amin’ny fitiavana ny Tompo Andriamanitrao sy fihainoana ny feony, ary firaiketana aminy, fa izany no fiainanao sy andro lava honenanao any amin’ny tany efa nianianan’ny Tompo homena an’i Abrahama, sy i Isaaka ary i Jakôba, razanao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6


Fiv.: Sambatra ny olona manao ny Tompo ho tokiny.

Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso; fa ny Lalan’ny Tompo no sitrany; ny Lalàny no saininy andro aman’alina!
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy, mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina; izay rehetra ataony, mahomby avokoa!
Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy; fa mova tsy akofa paohin-drivotra! Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo, ny lalan’ny mpanota kosa mamery!


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!

Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana.

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!

Evanjely Masina nosoratan’i Md Lioka

Lk. 9, 22-25


Izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona, ka harian’ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny; fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo.” Ary hoy koa Izy tamin’ny olona rehetra: “Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany isan’andro ka hanaraka Ahy. Izay te-hamonjy ny ainy dia hahavery azy fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy. Ary inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao aza izy, nefa very ny tenany ka voaheloka izy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Jereo amin’ny fo antra, ry Tompo, ireto fanatitra arosonay eto amin’ny ôtely masina, fa mazava fo Ianao mamela ny helokay; ka enga anie ireo, hanomezanay voninahitra ny Anaranao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Karemy


Kômonio

Salamo 50, 12

Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra, anavaozy saina mahitsy ato anatiko.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Avy nandray ny tso-drano avy amin’ny fanomezanao masina izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, no mitalaho an-tanan-droa aminao: enga anie ny Kômonio hahazoanay famelan-keloka sy famonjena mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0397