Sorona Masina ny Alatsinainy 20 febroary 2023

Herinandro faha-7 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Sal. 12, 6


Tompo ô, matoky ny hatsaram-ponao aho. Mifaly ny foko satria namonjy ahy Ianao. Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko.


Fangatahana

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: mba ataovy mihevitra mandrakariva ny rariny sy ny hitsiny ary mikatsaka izay mahafaly Anao na amin’ny teninay na amin’ny asanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy nosoratan’i Md. Jakôba Apôstôly

Jak. 3, 13-18


Fa raha fialonana no ao am-ponareo, aza mirehareha.

Ry Kristianina havana, iza eo aminareo no hendry sy manan-tsaina? Aoka hasehony amin’ny fitondrany tena tsara ny asan’ny halemem-panahy amam-pahendreny. Fa raha fialonana mangidy sy fifampiandaniana no ao am-ponareo, dia aza mirehareha, fa mandainga manohitra ny marina. Tsy mba fahendrena avy any ambony izany, fa avy amin’ny tany, sy ara-batana, ary avy amin’ny demony; satria izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia tsy maintsy misy fikorontanana sy izao sisa ratsy rehetra izao koa. Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indrafo amam-boka-tsoa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy. Ary izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin’ny fivavahana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 18, 8-10. 9. 10. 15


Fiv.: Ny Fitsipiky ny Tompo, mahitsy.

Ny Lalàn’ny Tompo lavorary, mamelombelona fanahy. Ny Didin’ny Tompo mahatoky, mampahendry olon-tsotra.
Ny Tahotra ny Tompo madio, maharitra mandrakizay. Ny Fitsaran’ny Tompo fahamarinana, samy rariny avokoa.
Ho sitraka eo anoloany anie ny vetson’ny foko sy ny tenin’ny vavako, ry Tompo vatolampiko, ry ilay Mpanavotra ahy!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Siràka

Eklesiastika 1, 1-10


Voaary talohan’ny zavatra rehetra ny fahendrena.

Ny fahendrena rehetra dia avy amin’ny Tompo; ao aminy mandrakizay izy. Iza no mahisa ny fasika amin’ny ranomasina, ny fiteten’ny ranonorana, ary ny andro efa lasa? Zovy no mahatakatra ny haavon’ny lanitra sy ny haben’ny tany, sy ny halalin’ny hantsan’ny fahendrena? Voaary talohan’ny zavatra rehetra ny fahendrena, ary ny fahazavan’ny saina hatramin’ny mandrakizay. Ny loharanon’ny fahendrena dia ny tenin’Andriamanitra any an-tampon’ny lanitra, ary ny lalàny dia ny lalàna mandrakizay. Iza no nanambarana ny foto-pahendrena? Zovy no nahalala ny heviny lalina? Iza no nilazana sy nanehoana ny fahalalana ny fahendrena, ary zovy no mahazo an-tsaina ny hasarobidin’ny lalany? Iray ihany no hendry, hany atahorana indrindra, mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany, dia ny Tompo. Izy no nahary azy; nahita azy Izy ka nampahalala azy; nandrotsaka azy tamin’ny asany rehetra Izy, sy amin’ny nofo rehetra, araka ny ambaratongam-panomezany. Notolorany be izay tia Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 92, 1ab. 1d-2. 5.


Fiv.: Manjaka ny Tompo, mitafy fiandrianana!

Manjaka ny Tompo, mitafy fiandrianana! Ny Tompo mitafy sy misikina hery.
Izao rehetra izao nataony mafy orina, ka tsy mba hihontsona! Mijoro hatramin’ny fiandohana ny fiketrahanao! Efa teo hatramin’ny mandrakizay Ianao.
Eny, mafy orina hatrizay ny fiketrahanao ary ireo masina ao an-tranonao, ry Tompo, midera Anao hatramin’ny taona mandrakizay.


Fihobiana ny Evanjely

Aleoia. Aleloia.

I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 9, 13-28


Mino aho, Tompoko, fa vonjeo re itý tsy finoako.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nidina avy eny an-tendrombohitra ary nankeo amin’ny mpianany, dia nahita vahoaka betsaka nanodidina azy, sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy. Gaga ny olona rehetra nony nahita an’i Jesoa, ka nidodododo hiarahaba Azy niaraka tamin’izay. Dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe: “Ny amin’ny inona no iadianareo hevitra amin’ireto?” Ka novalian’ny anankiray tamin’ny vahoaka hoe: “Ry Mpampianatra ô, nitondra ny zanako lahy azon’ny demony moana nankaty aminao aho; fa na aiza na aiza ahazoany azy dia sady akapokapony izy no mandoa vory sy mikitro-nify, ka efa mihamalazolazo erý ary efa nangataka ny mpianatrao handroaka azy aho, fa tsy nahomby izy ireo.” Dia niteny i Jesoa nanao hoe: “Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atý amiko izy.” Dia nentiny nankeo aminy izy, ary vantany vao nahita Azy ny demony, dia nampifanintontsintona ny zaza ka lavo nitsinkasina sady nandoa vory. Dia nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa nanao hoe: “Hoatrinona izay no nahatongavan’izao taminy?” ka novaliany hoe: “Hatry ny fony izy mbola kely; ary matetika izy no nazeran’ny demony tamin’ny afo sy tany anaty rano mba hahafaty azy; ka raha mba misy hainao re, mamindrà fo aminay, ary vonjeo izahay!” Dia hoy i Jesoa taminy: “Raha hainao ny mino, tsy misy tsy azo atao ho an’izay mino.” Niaraka tamin’izay dia niantso mafy ny rain-drazazalahy no nanao an-dranomaso hoe: “Mino aho, Tompoko, fa vonjeo re itý tsy finoako.” Ary nony nahita ny vahoaka nidodododo nanatona Azy i Jesoa, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy nanao hoe: “Ry fanahy marenina sy moana, Izaho mandidy anao, mivoaha amin’io zaza io, ka aza miditra aminy intsony.” Dia sady ninananana ny demony no nampifanintontsintona azy mafy vao niala taminy, ka efa toy ny maty ilay zazalahy, ary efa nataon’ny maro hoe maty aza. Fa noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany izy, dia nareniny, ka nitsangana. Nony tonga tany an-trano Izy, dia nanontanian’ny mpianany mangingina hoe: “Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?” Ka hoy Izy taminy: “Tsy azo roahina afa-tsy amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina izany karazan-demony izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Manolotra Sorona fankatoavana Anao izahay, ry Tompo, no mitalaho an-tanan-droa aminao: ka enga anie ny fanatitra entinay manome voninahitra Anao avo indrindra mba hahazoanay ny famonjena.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 9, 2-3

Hitanisa ny asanao mahagaga rehetra aho, hifaly sy hiravo ao aminao;ary hiantsa ny Anaranao, ry Andriamanitra avo indrindra.


na hoe :

Jo. 11, 27

Mino aho, ry Tompo, fa Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona, Ilay tonga eto amin’izao tontolo izao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, mba ataovy azonay ny famonjena efa santarinay amin’izao mistery izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082