Sorona Masina ny Asabotsy 11 febroary 2023

Herinandro faha-5 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Sal. 94, 6-7


Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka an’Andriamanitra; mandohaliha eo anoloan’ny Tompo nanao antsika, fa Izy no Tompo Andriamanitsika.


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ombao fitiavana lalandava izahay fianakavianao, ka ambeno sy arovy mandrakariva, fa ny hany ianteheranay dia ny fahasoavanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Baky voalohan’ny Mpanjaka

1 Mpanj. 12, 26-32 ; 13, 33-34


Nanao zanak’omby volamena roa i Jerôbôama

Tamin’izany andro izany, hoy i Jerôbôama anakampony: “Mba mety ho tafaverina amin’ny tranon’i Davida ihany ny fanjakana izao. Raha miakatra hanao sorona any an-tranon’ny Tompo any Jerosalema ny vahoaka, hitodika ny fon’itý vahoaka itý hankany amin’ny Tompony indray, amin-dRôbôama mpanjakan’i Jodà, dia hamono ahy ka hiverina amin-dRôbôama mpanjakan’i Jodà.” Dia nandinidinika ny mpanjaka, ka nanao zanak’omby volamena roa ary nilaza tamin’ny vahoaka hoe: “Efa ela niakarana tany Jerosalema ianareo, ry Israely, itý no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.” Ny iray napetrany tao Betela, ary ny iray kosa tany Dana. Nahatonga fahotana izany fa lasa hatrany Dana hivavaka amin’ny anankiray amin’ireo ny vahoaka. Nanao trano ho fitoerana avo i Jerôbôama, ary namorona mpisorona nalainy tamin’ny vahoaka fa tsy isan’ny taranak’i Levi. Nisy fety noforonin’i Jerôbôama tamin’ny volana fahavalo tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana ho fanahafana ny fety fanao amin’i Jodà, dia nanatitra sorona teo ambony ôtely izy. Toy izany no nataony tao Betela, mba hanaovan’ny olona sorona amin’ireo zanak’omby nataony, ary nampitoerany tao Betela ny mpisoron’ireo fitoerana avo, izay natsangany. Taorian’izany zava-niseho izany, mbola tsy niala tamin’ny lalan-dratsiny ihany i Jerôbôama, fa mbola nanangana mpisoron’ny fitoerana avo, avy amin’ny vahoaka ihany izy, ka na iza na iza tia izany, dia natokany ka tonga mpisoron’ny toerana avo izy. Nampisy fahotana momba ny tranon’i Jerôbôama izany ka io no antony nandringanana sy namongorana azy teto ambonin’ny tany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 105, 6-7a. 19-20. 21-22


Fiv.: Tsarovy izahay, ry Tompo, izay tia ny vahoakanao.

Nanota toy ny razanay izahay, nanao izay meloka sy ratsy! Ny razanay tany Ejipta tsy nahatsapa ny asanao mahagaga.
Tany Hôreba izy ireo nanao zanak’omby, niankohoka tamin-tsary anidina. Ilay voninahiny dia natakalony sarin’ombilahy homana ahitra!
Hadinony Andriamanitra Mpamonjy azy, Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta, zava-mahagaga tany an-tanin’i Kama, zava-mahatahotra teo an-dRiakan-Jozoro.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 3, 9-24


Noroahin’Andriamanitra hiala tao am-paradisan-tany izy mba hiasa ny tany.

Ny Tompo Andriamanitra niantso an’i Adama nilaza taminy hoe: “Aiza moa ianao?” Hoy ny navaliny: “Nandre ny feonao tao anaty saha aho, ka natahotra, fa mitanjaka, ka dia niery aho.” Ary hoy ny Tompo Andriamanitra: “Iza no nahafantaranao fa mitanjaka ianao? Moa nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao va ianao?” Hoy ny navalin-dralehilahy: “Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko no nanome ahy tamin’ilay hazo, dia nihinana aho.” Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin-dravehivavy: “Ahoana no nanaovanao izany?” Hoy ny navalin-dravehivavy: “Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.” Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin’ny bibilava: “Noho ianao nanao izany, dia voaozona ianao amin’ny biby fiompy rehetra sy ny biby rehetra eny an-tsaha: hikisaka amin’ny kibonao ianao ary vovotany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao. Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.” Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: “Hampitomboiko ny fijalianao, indrindra raha bevohoka ianao; fijaliana no hiterahanao zanaka; hankamin’ny vadinao ny fanirianao ary izy hizaka anao.” Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: “Noho ianao nihaino ny tenin’ny vadinao ka nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao, dia voaozona ny tany noho ny nataonao. Asa mahasasatra no hahazoanao hanina aminy mandritra ny andro rehetra hiainanao. Tsilo sy hery no vokatra homeny anao; ary anana eny an-tsaha no hohaninao. Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao amin’ny tany; satria tany no nangalana anao, fa vovoka ianao, ary hody vovoka indray.” Ary i Eva no nataon’i Adama anaran’ny vadiny, satria izy no renin’ny olombelona rehetra. Nanaovan’ny Tompo Andriamanitra akanjo hoditra i Adama sy ny vadiny dia natafiny azy. Ary hoy ny Tompo Andriamanitra: “Indro efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ny olombelona raha ny amin’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Fa amin’izao kosa aoka tsy haninjitra ny tanany izy haka amin’ny hazon’aina koa, sy hihinana izany, ka ho velona mandrakizay.” Dia navoakan’ny Tompo Andriamanitra hiala tao amin’ny sahan’i Edena izy, mba hiasa ny tany izay nangalana azy. Ka noroahiny ny olombelona ary nametrahany ny Kerobima sy ny lelafon-tsabatra mihebiheby teo atsinanan’ny sahan’i Edena, mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 89, 2. 3-4. 5-6. 12-13.


Fiv.: Tompo ô, Ianao no fialofanay hatramin’ny mandrakizay.

Mbola haizina ny tany, irony vohitra tsy àry, ny tontolo zavozavo mbola tsy naterakao: efa teo Ianao, ry Tompo, hany tokana mahefa, Ilay tsy nanam-piandohana ka ho velona mandrakizay.
Nampodinao ho vovoka ny arin-tananao: «Miverena hoy Ianao, ry taranaka voafetra.» Toy ny aloka miserana aminao ny arivo taona, tsidik’andro kely fohy, pitik’alina mimaona.
Moa tsy nofy indaosinao ka misinda vao maraina, toy ny ahitra eny an-tsaha izay mandrobona mitsiry, manipelana maraina vaky vony sy mijoro, fa milofika malazo, very aina ny hariva.
Ampianaro anay, ry Tompo, ny manisa ny andronay; atodiho fo fanahy mba hikatsa-pahendrena. Miverena re, ry Tompo, aza ela fa tongava: mangoraha ka tsinjovy mba ho soa ny olonao.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 8, 1-10


Nihinana ny olona ka voky.

Tamin’izany andro izany: nony betsaka ny vahoaka sady tsy nanan-ko hanina dia niantso ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Mampalahelo ahy itý vahoaka, fa efa hateloana izay tsy nisaraka tamiko ka tsy manan-ko hanina; ary raha ampodiko ho any an-tranony izy tsy mihinana dia ho reraka eny an-dalana, fa avy lavitra ny sasany.” Dia hoy ny mpianany namaly Azy: “Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo atý an’efitra?” Ary Izy nanontany azy hoe: “Manana mofo firy ianareo?” “Fito”, hoy izy ireo. Dia nasainy hipetraka tamin’ny tany ny vahoaka ary noraisiny ny mofo fito, ka nony vita ny fisaorana dia novakìny, sy nomeny hozarain’ny mpianany, ary nozarainy tamin’ny vahoaka. Ary nanana hazandrano madinika vitsivitsy koa Izy, ka notsofiny rano dia nasainy hozaraina. Ary nihinana ny olona ka voky, ary ny sombintsombiny sisa tsy lany nentiny dia nisy fito sobika. Tokony ho efatra arivo anefa no nihinana; dia nampodiny. Dia niondrana an-tsambokely niaraka tamin’izay Izy sy ny mpianany, ka tonga tany amin’ny faritanin’i Dalmanotà.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo Andriamanitray ô, nataonao hanohana anay osa sy malemy ireto vokatry ny tany ireto, koa mihanta aminao izahay: enga anie ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 106, 8-9

Hisaorana anie ny Tompo noho ny hatsaram-pony sy ny zava-mahagaga vitany ho an’ny olombelona: fa ny fanahy mangetaheta, hetsahiny; ny fanahy mosarena, vokisany soa.


na hoe:

Mt. 5, 5-6

Sambatra ny ory, fa halàna alahelo; sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa ho voky.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, sitrakao ho mofo iray ihany no hifanapahanay ary kalisy iray ihany no hiarahanay misotro; ka ataovy miray ao amin’i Kristy izahay, dia ho faly hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082