Sorona Masina ny Alarobia 21 desambra 2022

Herinandro mialoha ny Noely

Raha tsy alahady ny andro voatondro (17-24 des.), dia ireto Sorona ireto no atao:

 

21 DESAMBRA

 

Tononkira fidirana

Iz. 7, 14 ; 8, 10

 

Tsy ho ela dia ho avy ny Tompo Mpanjaka; Emanoela no anarany, satria Andriamanitra miara-monina amintsika Izy.

 

Fangatahana

Ry Tompo tsara fo ô, mba ekeo ny vavaka ataonay vahoakanao: faly izahay fa tonga nofo tahaka anay ny Zanakao Lahitokana; koa enga anie ho mendrika ny valisoa any amin’ny fonenana mandrakizay rahefa ho avy enim-boninahitra Izy.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Boky Tononkira dia Tononkira

Tononkira 2, 8-14

 

Indro tamy ny malalako mintsambotsambotra eny an-tendrombohitra.

Injay ny feon’ny malalako, indry tamy izy miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra; mitsambikina amin’ny havoana. Manahaka ny gazela ny malalako, sy ny zanaky ny serfa vavy. Indro izy eo ivohon’ny rindrin’ny tranonay, mijery eo am-baravarankely, mijery eo amin’ny makarakara. Niteny ny malalako, ka nanao tamiko hoe: “Mitsangàna, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia! Fa indro ny ririnina efa lasa, ny ranonorana efa nitsahatra tsy misy intsony. Ny voninkazo efa miposaka amin’ny tany, ny fotoana fihirana efa tonga. Ny feon-domohina efa re eny an-tsahantsika; efa mipoitra ny voan’aviavy vao mitsimoka, ny voaloboka mamony efa mamerovero; mifohaza, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia! Ry voromailalako izay mipetraka eo an-tsefatsefa-bato mideza, asehoy ahy ny endrikao, ampandreneso ahy ny feonao, fa mamy ny feonao, ary mahafinaritra ny endrikao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 32, 2-3. 11-12. 20-21

 

Fiv.: Hobio ny Tompo, ry olo-marina; ihirao hira vao Izy.

Derao amin-dokanga ny Tompo; antsao amim-baliha tory folo. Ihirao hira vao Izy; andredony horaka aman-java-maneno!
Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay; ny fikasan’ny fony, amin’ny taranaka mifandimby. Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony, sy ny vahoaka nofidiny ho lovany.
Ny fanahinay manantena ny Tompo; Mpitahy anay Izy sy ampinganay! Izy no ifalian’ny fonay; ny Anarany masina no ifefenay!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ianao Filohan’ny fokon’i Israely izay niseho tamin’i Môizy sy nanome azy ny lalàna teny an-tampon’i Sinaia, avia mba anavoty anay ny herin-tsandrinao.

Aleloia.

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 1, 39-45

 

Avy aiza amiko izao no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho?

Tamin’izany andro izany, niainga i Maria, ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra ho any an-tanàna anankiray any Jodà, ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta. Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta, ka nanandra-peo, niantso mafy hoe: “Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho? Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko. Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Ry Tompo mpiantra anay ô, mba raiso ny fanatitry ny Eglizinao, fa nomenao hatao sorona; ka enga anie hanan-kery hahavonjy anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo II

 

Kômonio

Lk. 1, 45

Tretrika ianao, ry ilay nino fa ho tanteraka izay nambaran’ny Tompo taminao.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, arovy mandrakariva izahay vahoakanao nandray ny Kômonio masina mba hanompo Anao avo indrindra amin’ny fonay tokoa ary hirotsaham-pahasoavana hahavonjy ny fanahy amam-batanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0078