Sorona Masina ny Alahady 11 desambra 2022

ALAHADY FAHATELO — Taona A

fiavian’ny Tompo

ANDRASO AMIM-PITOKIANA NY TOMPO

Lokon'akanjo: mavokely na volomparasy

Tononkira fidirana

Fil. 4, 4-5

 

Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo! Eny, averiko indray mifalia! satria efa akaiky anie ny Tompo!

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, indreto ny vahoakanao entanim-pinoana miomana hankalaza ny nahaterahan’i Kristy Tomponay; koa mihanta aminao izahay: enga anie mba ho tody soa aman-tsara amin’ny hafaliana entin’ny Mpamonjy sy harisika mandrakariva hankalaza an’izany amin’ny fomba manetriketrika.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 35, 1-6a. 10

 

Ny Tenan’Andriamanitra mihitsy no ho avy hamonjy antsika,

Hifaly ny efitra sy ny tany karankaina, hiravoravo ny tany lemaka lava volo, ary hamony tahaka ny narisisa; hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana ary hanao hoby firavoravoana izy. Homena azy ny voninahitr’i Libàna mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna. Izy ireo hahita ny voninahitry ny Tompo, sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika. Hatanjaho ny tanana osa, herezo ny lohalika mangozohozo! Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe: “Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo; tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra, Tenany no ho avy, dia hamonjy anareo”. Amin’izay dia hahiratra ny mason’ny jamba, halady ny sofin’ny marenina. Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa, hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana. Ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana ireo navotan’ny Tompo; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy; fa ny sento amam-pijaliana handositra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 145, 7. 8-9a. 9bd-10

 

Fiv.: Eny, ry Tompo ô, faingàna hamonjy anay.

Ilay mitandrina mandrakizay ny fahamarinana sy manome rariny izay ampahoriana, Ilay manome sakafo ny noana, dia ny Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo mampahiratra ny jamba, Tompo mampitràka ny miondrika. Tompo mpiaro ny vahiny, tohan’ny kamboty sy ny tokan-tena.
Tompo tia ny olo-marina, fa ny olon-dratsy aviliviliny.
Manjaka ny Tompo amin’ny taona mifandimby, ny Andriamanitrao, ry Siôna, mandrakizay!

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Jakôba Apôstôly

Jak. 5, 7-10

 

Ankaherezo ny fonareo, fa efa akaiky ny fiavian’ny Tompo.

Ry kristianina havana, mahareta mandrapiavin’ny Tompo. Jereo ange ny mpiasa tany, izay manantena ny voka-tsoan’ny tany; miandry amimpaharetana izy, mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana. Aoka àry ianareo haharitra koa; ary ankaherezo ny fonareo, fa efa akaiky ny fiavian’ny Tompo. Aza mifampimonomonona, ry havamalala, fandrao dia helohina ianareo. Indro, efa mby eo am-baravarana anie ny mpitsara! Aoka ny mpaminany izay niteny tamin’ny Anaran’Andriamanitra, ry kristianina havana, no hataonareo fakan-tahaka amin’ny fandeferana sy ny faharetana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 11, 2-11

 

Ianao va ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?

Tamin’izany andro izany, nony ren’i Joany tao an-tranomaizina ny nataon’i Kristy, dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany izy hanao aminy hoe:

“Ianao va no Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?” Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Mandehana ka lazao amin’i Joany, izao zavatra renareo sy hitanareo izao: mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, sitrana ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, torîna amin’ny malahelo ny Evanjely, ary sambatra izay tsy tafintohina noho ny amiko”.

Nony lasa ireo, dia nilaza an’i Joany tamin’ny vahoaka i Jesoa, nanao hoe: “Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra? Volotara hetsiketsehin’ny rivotra va? Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Indro any an-tranon’ny mpanjaka izay tsara fitafiana. Sa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Moa mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza, fa izy no ilay voasoratra hoe:

Indro Aho maniraka ny Anjeliko hialoha Anao sy hamboatra ny lalanao! Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’izay natera-behivavy, mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Joany Batista; kanefa izay kely indrindra amin’ny Fanjakan’ny lanitra no lehibe noho izy”.

—    Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ny fiandrasana ny Noely dia tokony hameno hafaliana sy fanantenana antsika; koa mangataha amin’Andriamanitra hohamasininy ny fontsika, ho hitan’i Kristy fa vonona handray Azy, ary vonona hijoro ho vavolombelony.

Valy: Tariho izahay, ry Tompo, hanatona Anao.

* Mivavaha mba ho tafitan’ny Eglizy ny hanambara ny Evanjely amin’ny mahantra, toy ny nataon’i Kristy ka ny fitsinjovany sy ny fanarenany ny ory sy ny madinika anie ho anisan’ny hamantaran’ny olona azy.
* Famantarana ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny mahantra sy mijaly voakolokolo; koa mivavaha ho an’ny marary sy ny kilemaina; ary isika kosa, na mpitondra na vahoaka, ho vonona hamonjy ny ory eo amin’izay misy antsika.
* Mangataha amin’Andriamanitra mba handefasany iraka eto amin’izao tontolo izao handimby an’i Masindahy Joany Batista, hanoro ny olombelona ny adidiny sy hampahatsiaro ny andraikiny amin’ny zava-mitranga rehetra.
* Mangataha mba hampian’Andriamanitra ny fiangonantsika, hiezaka hanomana ny lalana halehan’i Kristy, amin’ny fomba fiainantsika manontolo.

 

Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.

 

Tompo ô, ny porofo sy ny famantarana manambara ny nanirahana Anao no navalinao ny fanontanian’i Masindahy Joany Batista; koa tahio ny Eglizinao mba ho hitan’izao tontolo izao, fa mandimby asa Anao manasoa ny mijaly rehetra.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie ho tontosa soa aman-tsara ity sorom-panompoana ity, ka hiteraka izay vokatra nokendrenao tamin’ny namoronanao azy, sy hahazoanay tsy misy tomika ny famonjena.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Fiavian’ny Tompo I na II

 

Kômonio

Iz. 25, 4

Ilazao ireo very hevitra hoe: “Mahereza fo ary aza matahotra; indro fa ny Andriamanitsika no ho avy, ary hamonjy antsika Izy”.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo mora fo: enga anie izao Kômonio masina izao, handio anay ho afaka amin’ny haratsianay, ka hanomana anay ho mendrika ilay androm-pifaliana ho avy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                    

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091