Sorona Masina ny Alakamisy 01 desambra 2022

Herinandro voalohany - Fahatongavan’ny Tompo

ALAKAMISY

Tononkira fidirana

Salamo 118, 151-152


Indro akaiky Ianao, ry Tompo, ary fahamarinana ny lalana alehanao, ka fantatro hatramin’ny ela fa mandrakizay Ianao araka ny fanambaranao.


Fangatahana

Hetseho ny fahefanao, ry Tompo, ary vonjeo amin’ny herinao tsy misy fetra izahay, ka enga anie izay soa sakanan’ny fahotanay, mba ho azonay haingana noho ny hasin’ny famindram-ponao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 26, 1-6


Avelao hiditra ny firenena marina, mitana ny fahamarinana.

Amin’izany andro izany, hohiraina ao amin’ny tanin’i Jodà izao hira izao: Manana tanàna mafy isika! Ny famonjeny no ataony mandany sy manda ivelany. Vohay ny vavahady, avelao hiditra ny firenena marina, mitana ny fahamarinana. Ny fo mahalefitra iantohanao fiadanana noho izy matoky anao. Matokia ny Tompo mandrakizay ianareo, fa vatolampin’ny taona rehetra Izy. Manetry izay nonina any amin’ny havoana Izy, naniva azy amin’ny tany, nataony mikasika ny vovoka izy, ka voahosihosin’ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ambany toetra sy ny dian’ny ory.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra !


Setriny

Salamo 117, 1 sy 8-9. 19-21. 25-27a


Fiv.: Hisaorana amin’ny Anaran’ny Tompo anie Ilay-avy.

Ataovy antso avo fa tsara ny Tompo! Fa mandrakizay ny fitiavany! Aleo dia aleo re mifefy amin’ny Tompo, toy izay re mifefy amin’olona. Aleoko tokoa re mifefy amin’ny Tompo, toy izay amin’olo-mahery.
Vohay ny varavaran’ny fahamarinana, hidirako hisaotra ny Tompo. Fa eto tokoa ny varavaran’ny Tompo: Ny Masina no miditra aminy. Isaorako Ianao, fa mihaino ahy, ry Tompo: nanaiky ho Mpamonjy ny aiko.
Tongava, ry Tompo, tongava hamonjy; tongava hanome fandresena. Hisaorana anie Ilay avy amin’ny Tompo, Ilay tonga avy amin’ny anarany. Ho tsofinay rano tokoa ianareo, mivory ato an-tranon’ny Tompo. Fa tena Andriamanitra ilay Tompontsika, manilo ary koa manazava.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany; sambatra izay vonona hitsena Azy.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 7, 21. 24-27


Izay manao ny sitra-pon’ny Raiko no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo! no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hohàrina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy. Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray avy amin’ny zava-tsoa nomenao, ka enga anie izay nomaninao hanompoanay Anao etý an-tany mba hahazoanay ny fanavotana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo I


Kômonio

Tit. 2, 12-13

Miezaha mba ho marina sy masina isika amin’itý fiainana itý, fa miandry ny hasambarana antenaintsika sy ny fiavian’Andriamanitra be voninahitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hahasoa anay ny fandraisanay Kômonio matetika fa nataonao ho anay eto ampovoan’ny zava-mandalo eto an-tany ka naorinao ankehitriny mba hitiavanay ny any an-danitra sy hifikiranay amin’ny maharitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082