Sorona Masina ny Zoma 07 oktobra 2022

Herinandro faha-27 mandavantaona

ZOMA

 

Tononkira fidirana

Est. 13, 9. 10-11

 

Eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ry Tompo, ary tsy misy afaka hanohitra ny sitraponao. Ianao no nahary izao rehetra izao: ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra eo amin’ny habakabaka; Ianao no Tompon’izao tontolo izao.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, lalina ny fitiavanao, mihoatra noho izay rehetra mendrika anay sy angatahinay; koa arotsahy aminay ny andon’ny famindram-ponao: mba afaho izahay amin’izay rehetra mampitebiteby ny fonay ary omeo anay izay tsy sahinay angatahina amin’ny fivavahana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia

Gal. 3, 7-14

 

Izay amin’ny finoana dia miara-kasoavina amin’i Abrahama mpino.

Ry kristianina havana, fantaro fa izay amin’ny finoana no zanak’i Abrahama. Ary tsinjon’ny Soratra Masina rahateo fa amin’ny finoana no anamarinan’Andriamanitra ny Jentily, ka nilaza vaovao mahafaly tamin’i Abrahama izy, nanao hoe: “Aminao no hanasoavan’Andriamanitra ny firenena rehetra.” Dia naira-kasoavina amin’i Abrahama mpino amin’izany, izay amin’ny finoana. Fa izay miankina amin’ny asan’ny Lalàna kosa dia voaozona, araka ny voasoratra hoe: “Voaozona izay rehetra tsy maharitra manatanteraka ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny Lalàna.” Sady hita miharihary raha ny hoe tsy misy olona hamarinina amin’ny Lalàna eo anatrehan’Andriamanitra, satria amin’ny finoana no hiveloman’ny marina. Ary ny Lalàna dia tsy amin’ny finoana, fa amin’ny fanatanterahana azy no ahavelomana aminy. Nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna anefa i Kristy, fa tonga voaozona hisolo antsika satria voasoratra hoe: “Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo”, mba ho tonga amin’ny Jentily, ao amin’i Kristy Jesoa, ny tso-drano nampanantenaina an’i Abrahama; dia horaisintsika amin’ny finoana koa ny fampanantenana ny Fanahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 110, 1-2. 3-4. 5-6

 

Fiv.: Hotsarovany mandrakizay ny Fanekeny.

Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo, am-pivorian’ny olo-marina sy am-Piangonam-be! Lehibe ny asan’ny Tompo, mampisaina izay rehetra tia Azy.
Voninahitra sy Fiamboniana no vitan’ny Tompo; maharitra mandrakizay ny fahamarinany. Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy. Mangoraka sy antra ny Tompo.
Manome hanina ny matahotra Azy Izy, fa mahatsiaro ny Fanekeny mandrakizay. Naneho asa mahery tamin’ny vahoakany Izy, fa nanome azy ny lovan’ireo firenena.

  

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 11, 15-26

 

Raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra no androahako ny demony dia efa tonga aminareo ny fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, rahefa avy nandroaka demony i Jesoa, dia niteny ny sasany tamin’izay teo nanao hoe: “I Belzeboba lehiben’ny demony no androahany ny demony.” Ary ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana avy any an-danitra taminy. Fa i Jesoa nahalala ny heviny ka nanao taminy hoe: “Rava izay fanjakana miady an-trano; mianjera mifanongoa ny trano; ka raha miady an-trano àry i Satana, ahoana no haharetan’ny fanjakany? satria lazainareo fa i Belzeboba no androahako ny demony. Ary raha amin’ny herin’i Belzeboba àry no androahako ny demony, amin’ny herin’iza kosa no androahan’ny zanakareo azy? Koa izy ireo ihany no ho mpitsara anareo. Fa raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra no androahako ny demony dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra. Raha lehilahy matanjaka sy àry fiadiana tsara no miambina ny tranony, dia voaaro ny fananany rehetra; fa raha tonga kosa ny mahery noho izy, ka mandresy azy, dia sady hahalasa ny fiadiany rehetra izay nitokiany no hizara izay nobaboiny. Izay tsy momba Ahy, dia manohitra Ahy, ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.

Raha mivoaka amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mandehandeha mitady fialan-tsasatra eny amin’ny tanety maina izy, ka nony tsy mahita dia manao hoe: “Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.” Ary nony tonga izy dia mahita azy voadio sy voaravaka, ka mandeha maka fanahy fito ratsiratsy kokoa noho izy, dia miditra ireo ka mitoetra eo. Ary ny faran’izany olona izany dia tonga ratsiratsy kokoa noho ny voalohany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, izao Sorona masina nasainao atao izao, ka ny mistery ankalazainay hanompoana Anao anie ho sitrakao hanamasina anay sy hanavotra anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Fitom. 3, 25

Tsara fo ny Tompo ho an’izay miantehitra aminy, ho an’ny fanahy mikatsaka Azy.

 

na hoe:

1 Kôr. 10, 17

Iray ihany ny mofo, ka vatana iray isika na dia maro aza, satria mofo iray ihany sy kalisy iray ihany no iombonantsika rehetra.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Andriamanitra Andriananahary, hanetsaka sy hahavoky anay ny Kômonio masina ary hanova anay hitovy amin’Ilay noraisinay, dia Ilay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0831