Sorona Masina ny Alatsinainy 12 septambra 2022

Herinandro faha-24 mandavantaona

ALATSINAINY

 

Tononkira fidirana

Sir. (Ekl.) 36, 18

 

Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny mpaminany; henoy ny vavak’i Israely mpanomponao sy vahoakanao.

 

Fangatahana

Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin’ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin’ny famindram-ponao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kôr. 11, 17-26. 33

 

Raha misy fisarahana eo aminareo, dia tsy mba ny fanasan’ny Tompo intsony no haninareo.

Ky kristianina havana, misy zavatra tsy iderako anareo, dia ny iangonanareo tsy hihatsara fa hiharatsy. Fa voalohany, reko fa raha miangona hanao fivoriana ianareo, dia misy fisarahana eo aminareo; ary mba misy inoako ihany izany, satria tsy maintsy misy andaniny maro eo aminareo, mba hihariharian’izay olona voazaha toetra eo aminareo. Ka raha miangona ianareo, dia tsy mba ny fanasan’ny Tompo intsony no haninareo, fa eo am-pihinanana dia samy homana ny sakafony avy aloha ianareo, ka ny sasany noana, ny sasany kosa mamo!

Tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo? Sa manazimba ny tranon’Andriamanitra, ka sahy manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko aminareo? Hidera anareo va aho? Tsia, tsy hidera anareo amin’izany velively aho! Fa izao no noraisiko tamin’ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa: tamin’ny alina namadihana Azy iny i Jesoa, dia nandray mofo, ka nony efa nisaotra Izy, dia namaky azy sy nanao hoe: “Raiso ary hano, fa Vatako itý ho anareo; manaova izao ho fahatsiarovana Ahy.” Toy izany koa, nony efa nihinana, noraisiny ny kalisy, dia hoy Izy: “Itý kalisy itý no fanekena vaovao amin’ny Rako; manaova izao ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro ianareo.” Koa isaky ny mihinana itý mofo itý sy misotro amin’itý kalisy itý ianareo, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny. Aoka àry hifampiandry ianareo, ry kristianina havana, raha miangona ho amin’ny fanasana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 39, 7-8a. 8b-9. 10. 17

 

Fiv.: Manambàra ny fahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra, nosokafanao manko ny sofiko.
Tsia, tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana;
ka hoy aho hoe: Intý aho tamy!

Voasoratra ao amin’ny boky ny momba ahy!
Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitro, no mamiko!
Eny, ato anatin’ny foko ny lalànao!

Torìko ao am-piangonam-be ny fahamarinanao.
Fantatrao, ry Tompo tsy akomboko ny molotro.
Fa hifaly sy hiravo aminao kosa izay rehetra mitady Anao;
ary izay tia ny vonjinao hivolan-dava hoe: «Lehibe ny Tompo!»

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timôte

1 Tim. 2, 1-8

 

Manaova vavaka ho an’ny olona rehetra, amin’Ilay Andriamanitra tia ny hahavoavonjy ny olon-drehetra.

Ny angatahiko voalohany indrindra, dia ny hanaovana fivavahana, fangatahana, fifonana, ary fisaorana ho an’ny olona rehetra, ho an’ny mpanjaka sy ho an’ny manam-pahefana rehetra, mba hiainantsika amim-piadanana sy fandriam-pahalemana, amim-panajana an’Andriamanitra sy fahamaotonana tanteraka. Izany no tsara sy ankasitrahana eo imason’Andriamanitra Mpamonjy antsika, izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra, sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina. Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Kristy Jesoa tonga olombelona, izay nanolotra ny tenany ho avotry ny olombelona rehetra: zavatra voambara tamin’ny fotoany izany, ary ny hitory izany no nametrahana ahy ho mpitory sy Apôstôly ary ho mpampianatra ny jentily amin’ny finoana sy ny fahamarinana; milaza ny marina aho fa tsy mandainga. Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tanana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 27, 2. 7. 8-9

 

Fiv.: Isaorana ny Tompo nihaino ny feoko mihanta.

Henoy ny feoko mihanta, fa miantso Anao aho, manandra-tanana mitodika ny Toeranao Masina.
Ny Tompo no heriko sy ampinga itokian’ny foko. Notahìny aho, ka mibitaka ny foko, ka velon-kira aho misaotra Azy!
Izy no Mpamonjy ny Voahosony! Tompo ô! vonjeo, ny vahoakanao! Tsofy rano ny Lovanao! Andraso izy ireo, ary ento an-trotroana mandrakizay.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 7, 1-10

 

Tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa rahefa tapitra nampandre toriteny maro tamin’ny vahoaka, dia niditra tao Kafarnaôma. Ary nisy kapiteny anankiray nanana ankizilahy tiany tokoa, narary efa ho faty. Nony nandre ny amin’i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholon’ny Jody ho any aminy mba hangataka Azy ho avy hanasitrana ilay ankizilahiny. Ary rahefa tonga tany amin’i Jesoa izy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: “Mendrika hanaovanao izany izy, fa sady tia ny firenentsika no nanao ny sinagôgantsika aza.”

Dia niara-nandeha tamin’izy ireo i Jesoa. Fa nony mby teo akaikin’ny trano Izy dia nampaniraka ny sasantsasany tamin’ny sakaizany ilay kapiteny hilaza aminy hoe: “Tompo ô, aza dia misahirana toy izao re, fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafontranoko akory aho; ary na dia ny tenako aza dia noheveriko ho tsy mendrika hanatona Anao akory, fa manonòna teny iray monja, dia ho sitrana ny ankiziko. Fa izaho olona manan-dehibe mba mifehy miaramila koa, ka ny anankiray ilazako hoe: “Mandehana”, dia mandeha; ny anankiray ataoko hoe: “Avia”, dia avy; ary ny mpanompoko koa hoe: “Ataovy izany”, dia manao izy.” Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka nitodika ny vahoaka nanaraka Azy nanao hoe: “Lazaiko marina aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza.” Ary nony tafaverina tao an-tranon’ilay kapiteny ireo iraka, dia nahita fa sitrana ilay ankizilahy narary.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Aoka hanohina ny fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon’ny mpanomponao mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana ny Anaranao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 35, 8

Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak’olombelona hialoka ambany elatrao.

 

na hoe:

1 Kôr. 10, 16

Ny kalisy izay isaorantsika dia firaisana amin’ny Ran’i Kristy; ny mofo izay vakîntsika dia firaisana amin’ny Vatan’i Kristy Tompo.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin’ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082