Sorona Masina ny Alahady 11 septambra 2022

ALAHADY FAHA-24 mandavantaona — D

RAY AMAN-DRENY TSY MAHAFOY ANAKA ANDRIAMANITRA

Tononkira fidirana

Sir. (Ekl.) 36, 18

Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny Mpaminany; henoy ny vavak’i Israely mpanomponao sy vahoakanao.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin’ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin’ny famindram-ponao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Eksaody

Eks. 32, 7-11. 13-14

Nanenenan’ny Tompo ny ratsy nokasainy hatao.

Tamin’izany andro izany, mbola tany an-tendrombohitra Sinaia i Môizy no nataon’ny Tompo hoe: “Mandehana midina ianao fa nanao ratsy be vava ilay vahoakanao nentinao niakatra avy amin’ny tany Ejipta. Nalaky nivily niala tamin’ny lalana nasaiko nombany, nanao zanak’omby anidina ho azy izy ireo, dia niankohoka teo anoloan’io sy nanolotra sorona taminy, ary nanao hoe: ‘Ry Israely ô, io no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta’”. Hoy ny Tompo tamin’i Môizy: “Hitako fa vahoaka mafy hatoka io vahoaka io. Koa ankehitriny avelao Aho, aoka hirehetan’ny fahatezerako ireo, ka horinganiko; fa ianao kosa hataoko firenena lehibe”. Nifona tamin’Andriamanitra Tompony anefa i Môizy ka nanao hoe: “Nahoana ny fahatezerana, ry Tompo ô, no dia hirehitra amin’ny vahoakanao, izay navoakanao avy any amin’ny tany Ejipta, tamim-pahefana lehibe aman-tanana mahery? Fa tsarovy i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely mpanomponao, izay nilazanao tamim-pianianana amin’ny Tenanao hoe: Hohamaroiko toy ny kintana eny an-danitra ny taranakareo, ary homeko ny taranakareo izany tany rehetra nolazaiko taminareo izany, ka hanjakany mandrakizay”. Dia nanenenan’ny Tompo ny ratsy nolazainy hafitsoka ny vahoakany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 50, 3-4. 12-13. 17 sy 19

 

Fiv.: Hitsangana aho ho any amin’ny Raiko.

Iantrao aho, ry Andriamanitra ô, fa tsara fo Ianao; koseho re ny heloko fa be indrafo Ianao. Sasao tanteraka amin’ny otako aho, diovy tokoa amin’ny hadisoako.
Amoròny fo madio aho, ry Andriamanitra ô, fanahy vaovao araikitra ato anatiko. Aza esorinao eo anoloanao aho; ny Fanahinao Masina aza alàna amiko.
Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hidera Anao ny vavako. Aminao ny fanahy torotoro no hany sorona lavorary; ny fo torotoro sy montsamontsana tsy mba iavonanao, ry Andriamanitra,

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timôte

1 Tim. 1, 12-17

 

Tonga tety an-tany i Jesoa Kristy hamonjy ny mpanota.

Misaotra an’i Kristy Jesoa Tompontsika izay mankahery ahy aho, fa nekeny ho mahatoky, ka nametrahany fandraharahana, dia izaho izay mpiteny ratsy fahiny, sady mpanenjika sy mpanao an-keriny; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tsy fahalalana no nanaovako izany, noho izaho tsy mbola nanam-pinoana; fa nony nombàn’ny finoana amim-pitiavana izay ao amin’i Kristy Jesoa, dia nihoa-pampana ny fahasoavan’ny Tompontsika. Eny, teny marina tokoa, sy mendrika hitokiana indrindra izao: Tonga tety an-tany i Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota, ary izaho no lohany indrindra aminy; fa izany indrindra no nahazoako famindram-po, dia ny mba hanamparan’i Kristy Jesoa ny haben’ny famindram-pony amiko aloha, mba ho fianarana ho an’izay hino Azy ho amin’ny fiainana mandrakizay. Ho an’ny Mpanjakan’ny taona rehetra anie, dia Ilay tsy mety maty, sy tsy hita maso, ary hany Andriamanitra tokana, ny haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 15, 1-32 (lava) na 1-10 (fohy)

Hisy hafaliana lehibe any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka.

Tamin’izany andro izany, nanatona hihaino an’i Jesoa ny Poblikanina sy ny mpanota, ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: “Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy”. Dia nilaza ity fanoharana ity taminy i Jesoa nanao hoe: “Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rehefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin’ireo hoe: ‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very’. Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana. Sa iza no vehivavy manana dragma folo ka very ny anankiray no tsy hampirehitra jiro sy hifafa trano, ary hitady azy tsara ambara-pahitany azy? Ary rehefa hitany dia mamory ny sakaizany sy ny vehivavy mifanakaiky aminy izy ka manao hoe: ‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny dragmako very’. Toy izany koa: lazaiko aminareo fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka”.

 

Mijanona eo raha ny fohy no atao; tohizina raha ny lava.

Hoy koa Izy: “Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka mirahalahy, ka hoy ilay zandriny tamin-drainy: ‘Dada ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy’. Dia nozarainy tamin’izy roa lahy ny fananany. Nony afaka andro vitsivitsy, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra ka lasa nankany an-tany lavitra izy, nandany ny fananany tamin’ny fitondran-tena ratsy. Rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra dia nisy mosary lehibe tamin’izany tany izany ka nahantra izy. Dia lasa ny anao nikarama tamin’ny tompon-tany anankiray tany, ka nirahiny hiandry kisoa tany an-tsaha. Naniry hivoky amin’ny hodi-boan-javatra nohanin’ny kisoa izy, fa tsy nisy nanome azy. Izay vao nody ny sainy ka hoy izy: ‘Firifiry akory moa ny mpikaraman’i dada no manan-kanina be, nefa izaho kosa ity maty noana aty! Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony; fa mba ataovy tahaka ny anankiray amin’ny mpikaramanao re aho’. Dia niainga izy ka lasa nankany amin-drainy. Mbola lavitra kosa izy, dia nahatazana azy rainy, ka onena nidodododo nitsena azy, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy. Dia hoy ity zanany taminy: ‘Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina ho zanakao intsony’. Fa hoy ny rainy tamin’ny mpanompony: ‘Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tanany, kiraroy ny tongony, ary ento ny zanak’omby matavy ka vonoy, dia aoka hihinana sy hifaly isika, fa ity zanako ity dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray’.

Dia nifaly izy rehetra. Sendra tany an-tsaha kosa ny zanany lahy matoa tamin’izay. Nony nody izy sy mby teo akaikin’ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy, ka niantso ankizilahy anankiray sy nanontany azy izay anton’izany. Dia hoy ilay mpanompo taminy: ‘Tonga ny rahalahinao, ka namono zanak’omby matavy irainao, satria tafaverina soa aman-tsara izy’. Dia tezitra izy, ka tsy nety niditra ary nivoaka irainy hampandroso azy. Fa hoy ny navaliny an-drainy: ‘Indro efa ela no nanompoako anao, ary tsy mbola nandika ny didinao akory aho, nefa tsy mbola mba nomenao zanak’osy iray akory hifaliako amin’ny sakaizako; fa nony tonga kosa io zanakao io izay avy nandany ny fanananao tamin’ny vehivavy janga, dia namonoanao zanak’omby matavy izy’. Fa hoy rainy taminy: ‘Ianao, anaka, dia eto amiko mandrakariva ka anao avokoa izay rehetra ananako; fa mety kosa ny manao fihinanam-be sy fifaliana, satria io rahalahinao io, dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ndeha isika hiaraka hivavaka amin’ny fontsika tokoa ho an’ireo kristianina, ary koa ho an’ny olombelona rehetra havantsika na ny olo-marina, na ny mpanota, mba samy hiezaka hanatona an’Andriamanitra.

Valy: Tariho izahay, ry Tompo, hanatona Anao.

* Mivavaha ho an’ireo mpiandry ondry ao amin’ny Eglizy mba tsy hahalala sasatra izy hampody lalana izay ondry very.
* Mivavaha ho an’ireo manana adidy hitsara ny olombelona sy voatery hanameloka indraindray, mba tsy hanao tsindry hazo lena na mizàna tsindriana ila, fa hitsara araka ny rariny sy hankahery fo.
* Mivavaha ho an’ireo ray sy reny nilaozan-janaka maditra, mba ho faly hiverenany soa aman-tsara ao an-trano, sy hihavanany amin’Andriamanitra.
* Ankino amin’Andriamanitra izay rehetra mampijaly antsika, sy ireo sarotra ho antsika ny mamela heloka azy, ary atolory an’Andriamanitra ny mafy leferintsika mba hivaly hasambarana ho antsika sy ireo mampahory antsika.
* Mpanota avokoa isika fa mamela antsika Andriamanitra; koa mangataha mba ho tsapantsika ny tena haratsian’ny fahotana sy ny haben’ny famindram-pon’ny Tompo mamela heloka.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Ry Andriamanitra Ray tsara fo ô, vonon-kandray anay lalandava Ianao ary vonona hamela heloka; ampianaro koa izahay hamela heloka sy hahay hamindra fo amin’izay manaratsy anay, tahaka an’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay Izay velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Aoka hanohina ny Fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon’ny mpanomponao, mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay, hanajana ny Anaranao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady tsotra IV, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 35, 8

Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak’olombelona hialoka ambany elatrao.

 

na hoe:

1 Kôr. 10, 16

Ny kalisy izay isaorantsika dia firaisana amin’ny Ran’i Kristy; ny Mofo izay vakîntsika dia firaisana amin’ny Vatan’i Kristy Tompo.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin’ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087