Sorona Masina ny Asabotsy 10 septambra 2022

Herinandro faha-23 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Sal. 118, 137. 124


Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsaranao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an’i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kôr. 10, 14-22a


Tena iray ihany isika na dia maro aza, fa mofo iray ihany no iombonantsika rehetra.

Ry malala, halaviro ny fanompoan-tsampy. Miteny aminareo toy ny amin’ny olona manan-tsaina aho, ka tsaraonareo izay lazaiko? Moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny ran’i Kristy va? Ary moa ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ny tenan’i Kristy va? Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany koa isika na dia maro aza, fa mofo iray ihany no iombonantsika rehetra. Jereo ange i Israely araka ny nofo e: moa tsy mpiombona amin’ny ôtely va ireo mihinana amin’ny fanatitra atao sorona? Inona ary no lazaiko? Moa mba zavatra ihany va ny hena naterina tamin’ny sampy; na moa mba zavatra koa va ny sampy? Tsia, fa ny zavatra aterin’ny jentily ho fanatitra, dia ataony sorona amin’ny demony, fa tsy amin’Andriamanitra, ka tsy tiako ho mpiombona amin’ny demony ianareo. Tsy azonareo atao ny sady hisotro amin’ny kalisin’ny Tompo no hisotro amin’ny kalisin’ny demony koa; tsy azonareo atao ny sady hihinana amin’ny latabatry ny Tompo no hihinana amin’ny latabatry ny demony koa. Te-hampahasaro-piaro ny Tompo angaha isika?

— Izany àry ny tenin’ny Totnpo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 115, 12-13. 17-18


Fiv.: Avy manatitra fanati-pisaorana aminao aho, Tompo.

Koa inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony? Halaiko ny kalisim-pamonjena, antsoiko ny Anaran’ny Tompontsika!
Hanatitra sorom-pisaorana aho, hiantsoako amin’ny foko ny Anaranao! Efaiko ny voadiko taminao, efaiko anatrehan’ny firenena.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timôte

1 Tim. 1, 15-17


Tonga tetý an-tany Izy, hamonjy ny mpanota.

Teny marina tokoa sy mendrika hitokiana indrindra izao: Tonga tetý an-tany i Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota, ary izaho no lohany indrindra aminy; fa izany indrindra no nahazoako famindram-po, dia ny mba hanamparan’i Kristy Jesoa ny haben’ny famindram-pony amiko aloha, mba ho fianarana ho an’izay hino Azy ho amin’ny fiainana mandrakizay. Ho an’ny Mpanjakan’ny taona rehetra anie, dia Ilay tsy mety maty, sy tsy hita maso, ary hany Andriamanitra tokana, ny haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 112, 1-2. 3-4. 5a sy 6-7


Fiv.: Hisaorana anie ny Anaran’ny Tompo, hatrizao ka ho mandrakizay.

Derao, ry mpanompon’ny Tompo. Derao ny Anaran’ny Tompo. Tsarovy ny Anaran’ny Tompo, na izao na ho mandrakizay.
Tongava marain-tsy hariva: hidera ny Anaran’ny Tompo. Ambonin’ireo firenena: Ny lazany avo dia avo!
Moa misy mitovy amin’ny Tompo? Ka miondrika Izy mijery, na lanitra izany na tany. Alàny amin’ny fako ny ory, esoriny avy eo ny mahantra.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 6, 43-49


Nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko; nefa tsy manao izay lazaiko.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara. Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo, na voaloboka amin’ny voaroitsilo. Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony; fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany.

Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko? Hasehoko anareo izay azo anoharana ny olona rehetra manatona Ahy ka mihaino ny teniko sy manatanteraka azy: tahaka ny olona anankiray manao trano izy, izay nihady lalina aloha vao nandatsaka ny fototra eo ambonin’ny vatolampy, ka nony tondraka ny rano dia nasian’ny riaka mafy izany trano izany, nefa tsy nampihontsona azy akory izany, satria tsara orina tambony vatolampy izy. Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manaraka, dia tahaka ny olona anankiray nanorina ny tranony eo ambonin’ny tany tsy àry fototra, ka vao nasian’ny riaka, dia nirodana niaraka tamin’izay, ary loza ny faharavan’izany trano izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Andriamanitra loharanon’ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao avo indrindra anie izahay amin’ireto fanatitra ireto sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin’izao Sorona izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 41, 2-3

Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an’Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!


na hoe:

Jo. 8, 12

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina, fa hamirapiratan’ny fiainana.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin’ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin’ny fanomezan’ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin’ny fiainany masina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0563