Sorona Masina ny Zoma 09 septambra 2022

Herinandro faha-23 mandavantaona

ZOMA

 

Tononkira fidirana

Sal. 118, 137. 124

 

Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsaranao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an’i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kôr. 9, 16-19, 22b-27

 

Tonga toa azy rehetra tamin’ny olona rehetra aho mba hamonjeko azy rehetra.

Ry kristianina havana, raha mitory ny Evanjely aho, dia tsy mba izany no voninahitro, fa adidy tsy maintsy efaiko izany, ka loza ho ahy raha tsy mitory ny Evanjely aho. Raha safidim-poko fotsiny no anaovako izany, dia hoe mendri-baly aho; fa didy no anaovako azy, ka dia adidy napetraka hiandraiketako izany. Inona àry no valisoa azoko? Izao ihany: mitory ny Evanjely aho, ary mitory azy maimaim-poana, fa tsy mampiasa ny fahefana ananako avy amin’ny Evanjely.

Eny, na dia olona afaka aza aho, ka tsy mpanompon’iza na iza akory, dia nilatsaka ho mpanompon’ny olona rehetra kosa, mba hahazoako olona maromaro kokoa. Eny, tonga toa azy rehetra tamin’ny olona rehetra aho, mba hamonjeko azy rehetra. Ary noho ny Evanjely no nanaovako izany rehetra izany, mba hananako anjara aminy.

Tsy fantatrareo va fa maro no indray mihazakazaka ao amin’ny tany fifanalana hazakazaka, nefa iray monja no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo. Ny mpifanala hazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra; nefa satro-boninahitra mora levona no tadiaviny, fa ny tsy ho levona mandrakizay kosa no antsika. Raha izaho àry, dia mihazakazaka aho, nefa tsy manao mosalahy; mikapoka koa, nefa tsy toy ny mikapo-drivotra; fa asiako mafy ny tenako, ary andevoziko mihitsy aza, sao ny sasany nitoriako, nefa ny tenako kosa ho very.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 83, 3. 4. 5-6a sy 8a. 12

 

Fiv.: Drey, mahatehotia ny fonenanao, ry Tompon’ny tafika.

Ny fanahiko manembona ka reraka manina ny kianjan’ny Tompo! Ny foko sy nofoko mihoby an’ilay Andriamanitra velona!
Ny fody avy no mahita trano, ny sidisidina mahita akany ho an-janany eo anilan’ny ôtelinao, ry Tompon’ny Tafika, ry Mpanjaka sy Andriamanitro!
Sambatra izay monina ao an-tranonao, ka midera Anao mandrakizay! Sambatra ny olona izay omenao hery. Koa mitombo ny hery, roso indray ny dia.
Fa manda sy ampinga ny Tompo, Ilay Andriamanitra velona sy voninahitro! Ny Tompo tsy mandà fa manome izay mahasoa ny lavorary famindra.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Fiantombohan’ny taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timôte

1 Tim. 1, 1-2. 12-14

 

Mpiteny ratsy aho fahiny, saingy nahazo ny famindram-pon’Andriamanitra

I Paoly, Apôstôlin’i Jesoa Kristy, araka ny didin’Andriamanitra Mpamonjy antsika, sy i Jesoa Kristy fanantenantsika, mamangy an’i Timôte, tena zanako amin’ny finoana: ho aminao anie ny fahasoavana, sy famindram-po amam-piadanana, avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompontsika! Misaotra an’i Kristy Jesoa Tompontsika izay nankahery ahy aho, fa nekeny ho mahatoky, ka nametrahany fandraharahana, dia izaho izay mpiteny ratsy fahiny, sady mpanenjika sy mpanao an-keriny; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tsy fahalalana no nanaovako izany, noho izaho tsy mbola nanam-pinoana, fa nony nomban’ny finoana amim-pitiavana izay ao amin’i Kristy Jesoa, dia nihoa-pampana ny fahasoavan’ny Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 15, 1-2a sy 15. 7-5. 11

 

Fiv.: Ianao re, ry Tompo, no zara lovako.

Andriamanitra Tompo ô, ambeno fa Ianao re no hany hifefeko. Ianao re, ry Tompo, no lova, hany zarako mandrakizay.
Ka isaorako, Tompo, Ianao fa nanolotra saina, fanahy. Eo alohako foana ny Tompo; tsy hiala ankavanako Izy.
E ny lalan’ny fiainana izao, dia hatoronao ahy hatrany. Ho finaritra mandrakizay, izay mitoetra eo ankavananao.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany tenin’Andriamanitra izany dia ny Evanjely izay notorìna taminareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 6, 39-42

 

Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba?

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao izao fanoharana izao tamin’ny mpianany: “Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba va? Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa? Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tapi-pianarana no hoatra ny mpampianatra azy ihany. Nahoana no ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao jerenao, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao tsy hitanao? Ary ataonao ahoana no filaza amin’ny rahalahinao hoe: ‘Ry rahalahy, aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin’ny masonao’ nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao aza tsy hitanao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin’ny masonao; izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Ry Andriamanitra loharanon’ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao avo indrindra anie izahay amin’ireto fanatitra ireto sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin’izao Sorona izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 41, 2-3

Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an’Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!

 

na hoe:

Jo. 8, 12

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina, fa hamirapiratan’ny fiainana.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin’ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin’ny fanomezan’ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin’ny fiainany masina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0577