Sorona Masina ny Alakamisy 08 septambra 2022

8 Septambra

NY NAHATERAHAN’I MASINA MARIA VIRJINY

 

Fankalazana

Tao amin’ny tanàna iray akaikin’ny dobon’i Bezatà, any Jerosalema, no nahaterahan’i Masina Maria (8 septambra). I Md. Joachim no rainy, ary i Mb. Anne no reniny. I Md. Joachim moa dia avy amin’ny fianakavian’i Davida mpanjaka, ary i Mb. Anne, avy amin’ny fianakavian’i Aarôna mpisorona; koa tafaray tamin’itý zaza vao teraka ny fiandrianan’ny mpanjaka sy ny fiambonian’ny mpisorona, fa izy no hiteraka ilay Mpanjaka sady Mpisorona mandrakizay.
Hoy i Md. Damascène fahizany, raha nanainga ny kristianina teo am-pankalazana itý andro anio itý: “Avia daholo hankalaza ny fahaterahan-kafalian’izao tontolo izao. Nidina eto an-tany ny lanitra androany. Fiandoham-pamonjena ny taranak’olombelona androany.”
Ny fahaterahan’ilay Renin’Andriamanitra tsy misy pentina tokoa manko no toy ny mazava atsinanana nialoha ny hiposahan’i Jesoa, Ilay Masoandron’ny Fahamarinana, izay hampisava ny maizina nanafotra an’izao tontolo izao.
Havaozy àry anio, ny fitiavantsika an’i Masina Maria, sy ny fitokiantsika azy; ary mahaiza koa mankasitraka azy amin’izay soa efa azontsika taminy.

 

Tononkira fidirana

Mifalia isika mankalaza ny nahaterahan’i Masina Maria Virjiny fa avy aminy no niposaka ny Masoandron’ny fahamarinana, dia i Kristy Andriamanitra.

 

Asiana Voninahitra anie...

 

Fangatahana

Tompo ô, famonjena miposaka ho anay ny nahaterahan’ny Virjiny Masina; koa mihanta aminao izahay: omeo fahasoavana avy any an-danitra ireto mpanomponao mba hampitombo fiadanana anay ny fankalazana ny nahaterahany.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay... Amen.

 

Bokin’i Mikea Mpaminany

Mikea 5, 1-4a

 

Ho avy ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy miteraka.

Izao no nolazain’ny Tompo: Ary ianao, ry Betlehema Efratà, kely tsy tokony ho isan’ireo arivon’i Jodà akory, avy aminao no hivoaka ho Ahy Ilay tsy maintsy ho mpifehy amin’i Israely, ary ny niandohany dia efa hatramin’ny andro fahagola, hatramin’ny andro mandrakizay. Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny Izy mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy miteraka; ary ny sisa amin’ireo rahalahiny dia hiverina amin’ny zanak’i Israely. Ho mafy fijoro Izy, ka hiandry ny ondriny, amin’ny herin’ny Tompo, amin’ny fiandrianan’ny Anaran’Andriamanitra Tompony, ary handry fehizay ny olona, fa ho lehibe Izy amin’izay, hatrany amin’ny faran’ny tany. Izy no ho fiadanana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

na: Vakiteny hafa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 8, 26-30

 

Fantatsika fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hanasoa izay tia Azy.

Ry Kristianina havana, fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany. Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin’ny Zanany koa, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy. Ary izay notendreny no nantsoiny koa; izay nantsoiny no nohamarininy koa; izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 12, 6ab. 7de

 

Fiv.: Ho revon-kafaliana eo amin’ny Tompo aho.

Matoky ny Hatsaram-ponao aho; mifaly amin’ny famonjenao ny foko.
Eny, mihira aho, ry Tompo, noho ny soa ataonao.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ianao, ry Masina Maria Virjiny, tena mendrika tokoa ny fanajana rehetra, satria tao aminao no nipoiran’ilay Masoandrom-pahamarinana: dia i Kristy Andriamanitsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 1, 1-16. 18-23 (lava) na: 18-23 (fohy kokoa)

 

Atomboka eo amin’ny misy * raha ny fohy no atao

 

Izay ho teraka ao aminy dia avy amin’ny Fanahy Masina.

Filazana ny razan’i Jesoa Kristy, Zanak’i Davida, Zanak’i Abrahama: I Abrahama niteraka an’i Isaaka; i Isaaka niteraka an’i Jakôba; i Jakôba niteraka an’i Jodà mirahalahy avy; i Jodà niteraka an’i Faresa sy i Zarà tamin’i Tamara; i Faresa niteraka an’i Esrôna; i Esrôna niteraka an’i Arama; i Arama niteraka an’i Aminadaba; i Aminadaba niteraka an’i Naasôna; i Naasôna niteraka an’i Salmôna; i Salmôna niteraka an’i Bôôza tamin’i Rahaba; i Bôôza niteraka an’i Obeda tamin’i Rota; i Obeda niteraka an’i Jese; i Jese niteraka an’i Davida mpanjaka; i Davida niteraka an’i Salômôna tamin’ilay vadin’i Oria; i Salômôna niteraka an’i Rôbôama; i Rôbôama niteraka an’i Asà; i Asà niteraka an’i Jôsafata; i Jôsafata niteraka an’i Jôrama; i Jôrama niteraka an’i Oziasa; i Oziasa niteraka an’i Jôatama; i Jôatama niteraka an’i Akaza; i Akaza niteraka an’i Ezekiasa; i Ezekiasa niteraka an’i Manase; i Manase niteraka an’i Amôna; i Amôna niteraka an’i Jôsiasa; i Jôsiasa niteraka an’i Jekôniasa mirahalahy avy, tamin’ny andro nifindrana tany Babilôna. Ary rahefa nifindra tany Babilôna, i Jekôniasa niteraka an’i Salatiela; i Salatiela niteraka an’i Zôrôbabela; i Zôrôbabela niteraka an’i Abioda; i Abioda niteraka an’i Eliakima; i Eliakima niteraka an’i Azôra; i Azôra niteraka an’i Sadôka; i Sadôka niteraka an’i Akima; i Akima niteraka an’i Elioda; i Elioda niteraka an’i Eleazara; i Eleazara niteraka an’i Matàna; i Matàna niteraka an’i Jakôba; ary i Jakôba niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria izay niteraka an’i Jesoa, ilay natao hoe i Kristy.

 

* eto no manomboka raha ny Vakiteny fohy no atao:

Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy: i Maria reniny dia efa fofom-badin’i Jôsefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy. Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina, sady tsy ta-hanala baràka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro ny anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao hoe: “Ry Jôsefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe Jesoa, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.” Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe: “Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe amintsika Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, hanampy anay anie ny nahatonga olombelona ny Zanakao Lahitokana; tsy nanimba fa nanamasina ny maha-Virjiny an-dReniny ny niterahany Azy; ka enga anie mba hoalàn’i Jesoa Kristy amin’ny fahotana izahay ary ho sitrakao ny Sorona atolotray.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Masina Maria Virjiny I

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, ary ny mankasitraka Anao sy midera Anao amin’izao andro fankalazana ny nahaterahan’i Masina Maria Virjiny izao.

Nalofan’ny Fanahy Masina izy ka nanana ny Zanakao Lahitokana: ary voatahiry ny voninahitra maha-virjiny azy fony izy nanome an’izao tontolo izao Ilay Fahazavana mandrakizay, dia i Jesoa Kristy Tomponay.

Ilay ideran’ny Anjely Anao avo indrindra, itsaohan’ny Fiandrianana Anao, anajan’ny Fahefana Anao amin-tahotra ary iarahan’ny lanitra sy ny herin’ny lanitra ary ny Serafima sambatra sy ravo mankalaza ny voninahitrao. Mihanta aminao izahay, avelao hikambana amin’ny feon’izy ireo ny feonay hihoby Anao sy hitalaho manao hoe: Masina, Masina, Masina ...

 

Kômonio

Iz. 7, 14 ; Mt. 1, 21

Indro hanana anaka ny Virjiny, dia Ilay hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, aoka hientan-karavoana ny Eglizinao nofahananao ny Eokaristia masina sady mankalaza ny nahaterahan’i Masina Maria Virjiny ilay fanantenan’izao tontolo izao sy loharano nipoiran’ny famonjena.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112