Sorona Masina ny Alarobia 07 septambra 2022

Herinandro faha-23 mandavantaona

ALAROBIA


Tononkira fidirana

Sal. 118, 137. 124


Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsaranao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an’i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kôr. 7, 25-31


Manam-bady va ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manana va ianao: Aza mitady vady.

Ry kristianina havana, ny amin’ny virjiny, dia tsy nahazo didy avy amin’ny Tompo aho, fa manoro hevitra toy ny olona nahazo fahasoavana tamin’ny Tompo mba ho azo itokiana. Koa ataoko fa tsara izany noho ny fahasahiranana mahazo; eny, tsara amin’ny olona ny mitoetra toy izao ihany. Manam-bady va ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manana va ianao? Aza mitady vady. Tsy manota anefa ianao na dia hanam-bady aza, tsy manota koa ny virjiny na dia hanam-bady aza, saingy ho zoim-pahoriana amin’ny nofo izy ireny, ka irìko tsy ho voan’izany ianareo. Izao no hevitro, ry kristianina havana: fohy ny andro, ka amin’izao sisa izao aoka ny manam-bady ho toy ny tsy manana; ny mitomany ho toy ny tsy mitomany; ny mifaly ho toy ny tsy mifaly; ny mividy ho toy ny tsy manana; ny manararaotra izao tontolo izao ho toy ny tsy manararaotra; fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 44, 11-12. 14-15. 16-17


Fiv.: Henoy, ry zazavavy, ampandrio ny sofina.

Henoy, ry zazavavy, ampandrio ny sofina: hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao. Telin’ny Mpanjaka ny bikanao; izy no tomponao.
Ilay zanakavavina Mpanjaka mamindra, heni-boninahitra fatratra, amim-pitafiana mifaham-bolamena, avy ao an’efitranony voaravaka.
Entina eo amin’ny Mpanjaka izy, otronin’ireo zazavavy namany, izay mandroso an-kafaliana sy haravoana, miditra ao an-dapan’ny Mpanjaka.
Ny zanakao no handimby ny Razanao, ka hataonao mpifehy amin’ny tany tontolo.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy

Kôl. 3, 1-11


Maty ianareo, miaraka amin’i Kristy, koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo.

Ry kristianina havana, raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho; ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany. Fa maty ianareo, ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo; fa rahefa hiseho i Kristy izay fiainantsika, vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa ianareo.

Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo, dia ny an’ny etý an-tany, izany hoe: ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fahavetavetana, ny fanirian-dratsy, ary ny filan-dratsin’ny nofo izay fanompoan-tsampy; fa izany rehetra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny zanaky ny tsy finoana; niara-nandeha tamin’ireny koa ianareo taloha fony ianareo nanaraka izany fiainana izany. Fa ankehitriny kosa, ario koa izao zavatra izao: dia fahatezerana, fahavinirana, fahasomparana, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra aloaky ny vavanareo; aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny olombelona taloha mbamin’ny asany, ary efa notafianareo ny olom-baovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana lavorary araka ny endrik’ilay Nahary azy, ka tsy mahalala intsony izay hoe Jentily na Jody, voafora na tsy voafora, baribarianina na Sita, andevo na olona afaka, fa izao ihany: i Kristy no zavatra rehetra ao amin’izy rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 144, 2-3. 10-11. 12-13ab


Fiv.: Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo.

Misaotra Anao, isan’andro aho sy midera ny Anaranao mandrakizay. Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra, tsy azo takarina ny halehibeny.
Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra, misaotra Anao ny mpivavaka aminao! Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo, sy miteny ny asanao mahery.
Ho fantatry ny olombelona anie ny Asanao mahery, sy ny voninahitra ary ny harevaky ny Fanjakanao! Fanjakana mandrakizay tokoa ny Fanjakanao, amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 6, 20-26


Sambatra ianareo mahantra. Loza ho anareo kosa ry mpanan-karena.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niatrana nijery an’ireo mpianany, ka nanao hoe: “Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo. Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’Olona. Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa, fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra; fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany.

Fa loza ho anareo kosa, ry mpanan-karena, fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo. Loza ho anareo izay voky ankehitriny, fa ho noana ianareo. Loza ho anareo izay mihomehy ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo: Loza ho anareo raha hataon’ny olona tsara laza ianareo, fa tahaka izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Andriamanitra loharanon’ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao avo indrindra anie izahay amin’ireto fanatitra ireto sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin’izao Sorona izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 41, 2-3

Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an’Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!


na hoe:

Jo. 8, 12

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina, fa hamirapiratan’ny fiainana.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin’ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin’ny fanomezan’ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin’ny fiainany masina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082