Sorona Masina ny Talata 06 septambra 2022

Herinandro faha-23 mandavantaona

TALATA


Tononkira fidirana

Sal. 118, 137. 124


Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsaranao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an’i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kôr. 6, 1-11


Fa rahalahy ka hanana ady amin-drahalahy, sady eo anatrehan’ny mpitsara tsy mpino indray.

Ry kristianina havana, hay aminareo dia misy manana ady amin’ny namany, ka sahy mangataka fitsarana amin’ny olona tsy marina, fa tsy amin’ny olona masina! Tsy fantatrareo va fa ny olo-masina dia hitsara izao tontolo izao? Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, dia izay zava-madinika indray ve no tsy mendrika hotsarainareo? Tsy fantatrareo va fa hitsara ny Anjely aza isika? Ka mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao. Koa raha ady momba ny zavatr’izao fiainana izao no ilanareo fitsarana, na izay farany ambany amin’ny Eglizy aza ve tsy ho azonareo tendrena ho mpitsara amin’izany? Hampahamenatra anareo no ilazako izany. Hay dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray aza, mba afa-mamboatra ny adin’ny rahalahiny? Fa rahalahy ka hanana ady amin-drahalahy, sady eo anatrehan’ny mpitsara tsy mpino indray! Efa hadisoana ho anareo sahady ny anananareo ady amin’ny namanareo, satria tsy aleo ve miaritra ny tsy an-drariny? Tsy aleo ve mandefitra ny ambakaina aza? Kanjo inona, ianareo indray no manao ny tsy rariny, ianareo indray no manambaka, nefa tsy iza ireny fa rahalahinareo ihany! Moa tsy fantatrareo va fa tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra ny olona tsy marina? Aza diso hevitra ianareo, fa na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpaka vadin’olona, na mpanao asam-pijangajangana amin’ny tenany samy irery, na mpiray samy lehilahy, na mpangalatra na kahihitra, na mpimamo, na mpifosa, na mpanao an-keriny, dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra. Ary efa mba toy izany ihany koa ianareo, na ny sasany aminareo saingy efa nosasana, efa nohamasinina, efa nohamarinina tamin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b


Fiv.: Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany.

Ihirao hira vao ny Tompo! Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy! I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy; ny zanak’i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.
Hidera ny Anarany amin-dihy, hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga! Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany; ravahany fandresena ny ory!
Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny Voninahiny, sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba: am-bava, fankalazana an’Andriamanitra, no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy

Kôl. 2, 6-15


Niara-novelomin’Andriamanitra niaraka taminy ianareo nony efa navelany ny fahotanareo.

Ry kristianina havana, araka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesoa Tompo, no aoka handehananareo ao aminy koa, ka hamaka tsara sy hiorina ao aminy ary hohamafisin’ny finoana sy handroso hatrany hatrany amim-pisaorana Azy. Mitandrema fandrao dia lasan-ko babon’ny sasany, amin’izany hoe fahaizan-dalina, izay famitahana foana avy amin’ny hevitr’olombelona sy araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy. Ao aminy anefa no itoeran’ny hafenoan’ny fomban’Andriamanitra an-davany sy an-tsakany; ao aminy no anananareo ny zavatra rehetra, fa Izy no lohan’izay rehetra mety ho fifehezana sy fahefana; tao aminy no namoràna anareo tamin’ny famoràna tsy nataon-tanana, izay manala ny tena nofo, dia tamin’ny famoràn’i Kristy; fa niara-nilevina taminy ianareo tamin’ny Batemy, ary niara-nitsangana taminy tamin’ny Batemy ihany koa, noho ny finoanareo ny herin’Andriamanitra izay nanangana Azy ho velona. Koa ianareo izay matin’ny fahotanareo sy ny tsy fiforàn’ny vatanareo, dia novelomin’Andriamanitra niaraka taminy indray, nony efa navelany ny fahotantsika rehetra. Fa novonoiny ny sora-tanan’ny didy niampanga antsika sy namely antsika, sady nesoriny tsy hisy intsony aza izany, tamin’ny nanomboany Azy tamin’ny Hazofijaliana; ary naongany ny fifehezana sy ny fahefana, sady nasehony miharihary ho fizahan’ny olona ka nampombainy ny mpandresy tao amin’ny Hazofijaliana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 144, 1-2. 8-9. 10-11


Fiv.: Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo.

Manandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka, sy misaotra ny Anaranao, ry Ilay mandrakizay. Misaotra Anao isan’andro aho, sy midera ny Anaranao mandrakizay.
Antra sy mangoraka ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po. Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo, mambomba ny asany rehetra ny fangorahany.
Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra, misaotra Anao ny mpivavaka aminao. Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo, sy miteny ny asanao mahery.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 6, 12-19


Nivavaka nandritra ny alina Izy. Ary nifidy roa ambin’ny folo lahy nantsoiny hoe Apôstôly.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa lasa tany an-tendrombohitra mba hivavaka, ka nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina. Nony maraina ny andro dia niantso ny mpianany Izy ka nifidy roa ambin’ny folo lahy tamin’izy ireo, izay nomeny anarana hoe Apôstôly: dia i Simôna izay nataony hoe i Piera, sy i Andre rahalahiny, i Jakôba sy i Joany, i Filipo sy i Bartelemy, i Matio sy i Tômà, i Jakôba zanak’i Alfe, sy i Simôna izay atao hoe Zelôty, ary i Jodà rahalahin’i Jakôba, sy i Jodasy Iskariôta ilay namadika. Dia niara-nidina tamin’izy ireo Izy ka nankeo amin’ny tany lemaka izay nijanonan’ny mpianany maro sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema, ary ny tanin’i Tira sy i Sidôna amoron-tsiraka, izay tonga teo mba hihaino Azy, sy mba hositraniny amin’ny aretiny: dia nositraniny izay nampijalian’ny fanahy maloto, ary nitady hanendry Azy ny vahoaka rehetra, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Andriamanitra loharanon’ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao avo indrindra anie izahay amin’ireto fanatitra ireto sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin’izao Sorona izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 41, 2-3

Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an’Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!


na hoe:

Jo. 8, 12

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina, fa hamirapiratan’ny fiainana.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin’ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin’ny fanomezan’ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin’ny fiainany masina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083