Sorona Masina ny Alatsinainy 05 septambra 2022

Herinandro faha-23 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Sal. 118, 137. 124


Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsaranao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an’i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kôr. 5, 1-8


Esory re ny lalivay ela, satria efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika.

Ry Kristianina havana, re laza tsy leo dina fa misy fahalotoana atý aminareo, sady fahalotoana tsy fahita na dia any amin’ny jentily aza, dia olona anankiray manambady ny vadin-drainy! Izany ve ka ianareo indray no miavonavona e! ny tenanareo tsy malahelo amin’izany akory; ilay nanao izany tsy nesorinareo tsy ho eo aminareo koa! Izaho, na dia tsy teo aminareo ara-batana aza, dia teo am-panahy, sy efa nitsara sahady an’ilay nanao izany zavatra izany, toy ny teo aminareo ihany. Koa amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika eo am-pivorianareo rehetra sy ny fanahiko eo afovoanareo, omban’ny herin’i Jesoa Tompontsika: dia aoka izany olona izany hatolotra an’i Satana, mba ho simba ny vatany, fa ho voavonjy kosa ny fanahiny amin’ny andron’ny Tompo. Tsy mety lahy ny nireharehanareo lozan-tany erý! Tsy fantatrareo angaha fa lalivay kely foana dia mampibonaka ny vongan-dafarinina manontolo? Esory re ny lalivay ela, mba ho vongana vaovao ianareo, sady efa mofo tsy misy lalivay rahateo ianareo, satria efa voavono i Kristy, izay Paka ho antsika. Koa aoka àry isika hankalaza ny fety, tsy amin’ny lalivay ela, na amin’ny lalivaim-paharatsiana aman-dolom-po, fa amin’ny mofo tsy misy lalivay, dia ny fahadiovam-po amam-pahamarinana izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 5, 5-6. 7. 12.


Fiv.: Tompo ô, tariho araka ny fahamarinanao aho.

Tsia, tsy mba Andriamanitra tia ratsy Ianao; ny olon-dratsy tsy monina ao aminao; ny adala tsy mijoro eo anoloan’ny masonao; ny mpanao ratsy rehetra tsy tohanao.
Ny mpiteny lainga levoninao; ny tia ra, ny mpamitaka, halan’ny Tompo!
Izay rehetra mifefy aminao kosa, hifaly; izay arovanao, hihoby mandrakizay. Eny, hiravo aminao izay tia ny Anaranao!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy

Kôl. 1, 24 — 2, 1-3


Voatendry ho mpandraharahan’ny Fiangonana aho mba hitoriako ny tsiambaratelon’Andriamanitra tsy nambara taloha.

Ry kristianina havana, ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako fahoriana ho anareo aho, fa mameno ao amin’ny nofoko izay tsy ampy amin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenany, dia ny Eglizy; fa voatendry ho mpandraharaha azy aho noho ny nanomezan’Andriamanitra ahy ny fiadidiana anareo, mba hitoriako ny tenin’Andriamanitra an-tsakany sy an-davany, dia ilay hevi-miafina tsy nambara taloha hatramin’ny taranaka maro nifandimby, fa naseho kosa ankehitriny tamin’ny olona masina, dia ireo tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny maha-sarobidy amin’ny jentily ny voninahitr’izany hevi-miafina izany, dia i Kristy fanantenana ny voninahitra ho anareo. Izy no torìnay, ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay avokoa araka ny fahendrena rehetra mba hahatongavan’ny olon-drehetra ho lavorary ao amin’i Kristy Jesoa; ary izany indrindra no iasako sy iadiako mafy, araka ny heriny izay iasany fatratra ato amiko. Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin’ny ady iadiako ho anareo sy ho an’ny any Laôdisea mbamin’izay rehetra mbola tsy nahita maso ahy, mba hahafaka alahelo ny fon’izy ireo, sy hiraisany fatratra amin’ny fitiavana, ary hananany fieken-tsaina mazava tsara, ka hahalala ny hevi-miafin’Andriamanitra izy, dia i Kristy, izay iafenan’ny rakitry ny fahendrena amam-pahalalana rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 61, 6-7. 9


Fiv.: Andriamanitra no Famonjena ahy sy Voninahitro.

Eny manko! ao amin’Andriamanitra mianina, ry fanahiko: fa Izy no tokiko! Eny manko! Izy no Vatolampiko sy Famonjena ahy, Fiarovana-avo ho ahy: tsy hihontsona aho!
Matokia Azy lalandava, ry vahoaka! Mamosaha fo anoloan’Andriamanitra tokintsika!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 6, 6-11


Nitsikilo Azy izy ireo na hanasitrana andro Sabata Izy na tsia.

Indray sabata hafa koa i Jesoa, dia niditra tao amin’ny sinagôga, ka nampianatra, ary nisy lehilahy anankiray maty tanana ankavanana teo. Tamin’izay dia nitsikilo Azy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina na hanasitrana amin’ny andro sabata Izy na tsia, mba hahitany antony hiampangana Azy. Fa fantatr’i Jesoa kosa ny hevitr’izy ireo, ka hoy Izy tamin’ilay maty tanana: “Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany.” Dia nitsangana ilay io ka nijoro, ary hoy i Jesoa tamin’izy ireo: “Manontany anareo Aho, inona no mety hatao amin’ny sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy; ny mamonjy aina sa ny manala aina?” Dia noherikerehiny nojerena daholo izy rehetra teo ka hoy Izy tamin-dralehilahy: “Ahinjiro ny tananao.” Dia nahinjiny ka sitrana terý ny tanany. Fa iretsy kosa safotry ny hatezerana, ka nioko amin’izay hanaovany an’i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Andriamanitra loharanon’ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao avo indrindra anie izahay amin’ireto fanatitra ireto sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin’izao Sorona izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 41, 2-3

Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an’Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!


na hoe:

Jo. 8, 12

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina, fa hamirapiratan’ny fiainana.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin’ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin’ny fanomezan’ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin’ny fiainany masina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0655