Sorona Masina ny Alahady 04 septambra 2022

ALAHADY FAHA-23 mandavantaona — D

IZAY TIA MAHAFOY

Tononkira fidirana

Sal. 118, 137. 124

Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsarànao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an’i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Fahendrena

Fah. 9, 13-18

Zovy no hahatakatra izay sitra-pon’ny Tompo.

Iza moa no olombelona afaka hahalala izay hevitr’Andriamanitra? na zovy no hahatakatra izay sitrapon’ny Tompo? Miroahanàhana ny hevitry ny olombelona, ary anjoanjo ihany ny eritreritray. Satria vesaran’ny vatana mety lò ny fanahy, ary vizanin’ny fonenany tany ny saina maro hevitra. Zara raha mahavinavina ny eto an-tany izahay; ary tsy maintsy misasatra vao mahita manoloana ny tenanay; koa zovy no hahatakatra izay any an-danitra? Zovy no nahalala izay sitra-ponao, raha tsy nomenao ny Fahendrena, sy nanirahanao ny Fanahy Masina avy any ambony? Izany no nahahitsy lalana an’izay eto an-tany, ka nahalalan’ny olombelona izay sitrakao, ary namonjena azy ireo tamin’ny Fahendrena.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 89, 3-4. 5-6. 12-13. 14 sy 17

 

Fiv.: Tompo ô, Ianao no fialofanay hatramin’ny mandrakizay.

Ny olombelona averinao eo am-bovoka: «Modia ny zanaky ny tany!» hoy Ianao. Ny arivo taona eo imasonao: toy ny andro omaly efa lasana.
Toa fotoam-piambenana amin’ny alina: midify raha miposaka ny andro. Ny olona: ahitra mitsiry maraina, mamòny; kinanjo nony hariva, milofika dia maina.
Asehoy ny tokony ho fanisanay ny andronay, dia mba hisy fahendrena ao am-ponay. Miverena, Tompo ô! Mandra-pahoviana? Aoka Ianao hilefaka amin’ny olonao!
Hetsaho faingana amin’ny fitiavanao izahay, ka hihoby sy hifaly amin’ny andronay sisa. Tongava ao aminay ny hamamian’ny Tompo! Hamafiso ny asan’ny tananay!

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Filemôna.

Filem. 9b-10. 12-17

 

Raiso izy, tsy toy ny mpanompo intsony, fa tahaka ny rahalahy malala.

Ry zanako malala, hitanao izaho Paoly efa antitra sady mpifatotr’i Jesoa Kristy koa ankehitriny; dia mifona aminao ho an’i Onesimo zanako naterako teto am-patorana. Ampodiko aty aminao izy, ilay sombin’ny aiko. Nikasa hihazona azy taty amiko aho, mba hanompo ahy ho solonao, eto amin’ny fifatorako noho ny amin’ny Evanjely; saingy naleoko tsy nanao na inona na inona raha tsy teny ierana aminao, mba tsy ho an-tery setra ny asa soanao, fa ho an-tsitrapo tokoa. Angamba koa i Onesimo no niala vetivety teto aminao, dia ny mba hanananao azy mandrakizay, tsy toy ny mpanompo intsony, fa mihoatra noho ny mpanompo, dia tahaka ny rahalahy malala, ho ahy indrindra ary mainka fa ho anao, na araka ny nofo, na araka ny Tompo. Koa raha ataonao ho namanao tokoa aho, dia raiso tahaka ny tenako izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 14, 25-33

Na iza na iza tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mendrika ho mpianatro.

Tamin’izany andro izany, nisy vahoaka be nanaraka an’i Jesoa, ary nitodika Izy nanao tamin’ireo hoe: “Raha misy manatona Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ary ny vadiny sy ny zanany, mbamin’ny rahalahiny sy ny anabaviny ary na dia ny ainy aza, dia tsy mendrika ho mpianatro. Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany sy tsy manaraka Ahy dia tsy mety ho mpianatro. Ka iza tokoa moa aminareo no te hanao tilikambo ka tsy mipetraka aloha hitety izay holanîny, na hanana ny ampy hamitana azy izy, na tsia; sao vita ny fototra vao tsy afa-manefa azy izy, ka holatsain’izay rehetra mahita hoe: ‘Mba nanomboka nanao trano ralehilahy io, nefa tsy nahavita tsinona’. Sa iza no mpanjaka handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa, ka tsy hipetraka aloha hihevitra na ho azony atao amin’ny miaramila iray alina ny hikatroka amin’ny fahavalo roa alina avy hamely azy, na tsia? Fa raha tsy hahomby izy, dieny mbola lavitra ilay mpanjaka anankiray dia handefa iraka hanao raharaham-pihavanana aminy izy. Toy izany koa, na iza na iza aminareo tsy hahafoy izay rehetra ananany dia tsy mety ho mpianatro”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, izay te ho mpianatr’i Kristy dia tsy maintsy vonona handao zava-tsy foy sy hilanja hazofijaliana; tsy vitantsika samirery anefa izany, fa ilaintsika ny hery avy any ambony; koa akambano ny fontsika hangataka izay ilaintsika sy ny olombelona rehetra hanatonana sy hanarahana akaikikaiky kokoa an’i Kristy Tompo ilay fahazavan’izao tontolo izao.

Valy: Ao aminao e ny loharanon’aina; ny hazavanao no ahitanay hazavana.

* Mivavaha ho an’ireo Pretra eo am-perin’asa, mba hazoto hanohy ny asan’ny Eglizy, hanazava hatrany ny fifankatiavana nampianarin’i Kristy sy ny fahafoizana angatahin’Andriamanitra.
* Mangataha amin’ny Fanahy Masina mba hohazavainy ireo mpitondra rehetra ara-nofo, hahiratan’ny sainy hitantanany ny raharaham-bahoaka amim-pahamarinana.
* Mbola misy ankehitriny ny tsindry hazo lena sy ny kely tsy mba mamindro; koa mivavaha mba ho foana ny fitsentsafana sy ny famoretana olona, fa samy hifampitondra toy ny mpiray tam-po.
* Mivavaha ho an’ireo miandraikitra ny ain’ny olombelona sy ny fahasalamana ary ny fifamoivoizana, mba hitari-dalana azy sy hitantana azy lalandava Andriamanitra.
* Ampiraisin’izao vavaka izao isika, ampiraisin’ny Batemy samy noraisina, koa mangataha mba hiara-dalana lalandava hanara-dia an’i Kristy fahazavan’ny fiainana.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Tompo ô, omeo amin’ny Fahendrenao izahay, hanorenanay ny Fanjakanao nankininao aminay hiarahanay monina toy ny mpiray tam-po akamban’ny fihavanana ao aminao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Ry Andriamanitra loharanon’ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao Avo Indrindra anie izahay amin’ireto fanatitra ireto sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin’izao Sorona izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady tsotra I, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 41, 2-3

Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an’Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!

 

na hoe:

Jo. 8, 12

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina, fa hamirapiratan’ny fiainana.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin’ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin’ny fanomezan’ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin’ny fiainany masina.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0604