Sorona Masina ny Alahady 28 aogositra 2022

ALAHADY FAHA-22 mandavantaona — D

IZAY MANETRY TENA NO HASANDRATRA

Tononkira fidirana

Sal. 85, 3. 5.

Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro. Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin’izay rehetra miantso Anao.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay ary tsimbino lalandava izay novelominao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka. .. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Siràka Ekleziatika

Ekl. 3, 17-19. 26-27

Manetre tena ianao, dia hahita sitraka amin’Andriamanitra.

Anaka, ataovy amin-kalemem-panahy ny asanao, dia ho tian’ny olona izay ankasitrahin’Andriamanitra ianao. Araka ny fisondrotanao, no aoka hietrenao tena, dia hahita sitraka amin’Andriamanitra ianao; fa lehibe ny fahefan’Andriamanitra, ary ankalazain’ny manetry tena Izy. Tsy lai-panafody ny loza mahazo ny mpiavonavona; fa efa miorina mafy ao aminy ny tsirin’ny fahotana. Ny fon’ny olona manan-tsaina, misaintsaina ny fanoharana; ny mahita sofina mitandrina no fanirian’ny hendry.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 67, 4-5ad, 6-7ab. 10-11


Fiv.: Ny fiantranao ny ory, ry Tompo, nanomana fonenana ho an’ny ondrinao.

Ny olo-marina, eo anatrehan’Andriamanitra, mifaly, miravo, mirobiroby. Mihirà ho an’Andriamanitra, ny Anarany antsao; halalaho ny lalana ho an’Ilay mipetraka ambony rahona.
Andriamanitra ao an-toerany masina no ilay Rain’ny kamboty; ny mpitondratena omeny rariny, ny tokan-tena omeny trano, ny babo voagadra avoakany.
Toy ny orana mirotsaka ny zava-tsoanao: ny lovanao mosarena tonga velombelona; ny ory, niantranao, ry Andriamanitra, ny ondrinao, nanomananao fonenana.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 12, 18-19. 22-24a


Nohatoninao ny tendrombohitr’i Siôna, tanànan’Andriamanitra velona.

Ry kristianina havana, ianareo raha nanatona an’Andriamanitra dia tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina toy ny tany an-tendrombohitr’i Sinaia: dia izay afo mirehitra sy izay rahona sy haizim-be sy kotrobaratra, ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin’ireo zanak’i Israely nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo. Fa ny nohatoninareo, dia ny tendrombohitr’i Siôna tanànan’Andriamanitra velona, izay Jerosalema any an-danitra, sy ny fivorian’ny Anjely alinalina, ny fiangonan’ny zokinareo izay voasoratra any an-danitra, ny Mpitsara izay Andriamanitry ny olon-drehetra, ny fanahin’ny olo-marina efa amin’ny fanaperana, sy i Jesoa mpanalalana amin’ny fanekena vaovao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 14, 1. 7-14

Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.

Indray sabata, i Jesoa niditra hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisianina anankiray. Nony hitan’i Jesoa ny hamaizan’ny olona nasaina naka ny fitoerana voalohany, dia nanao ity fanoharana ity tamin’izy ireo Izy: “Raha asaina amin’ny fampakaram-bady ianao, aza mipetraka amin’ny fitoerana voalohany, fandrao misy olona nasaina ambony toetra noho ianao, ka ho avy izay nanasa anao sy izy, hilaza aminao hoe: ‘Omeo an’ity ny fitoeranao’, ary amin’izay ho menatra ianao hifindra ary amin’ny fitoerana farany. Fa raha asaina ianao, dia any amin’ny fitoerana farany mipetraka, ka raha tonga izay nanasa anao, dia hilaza aminao hoe: ‘Mandrosoa, ry sakaiza, etsy alohaloha kokoa’; amin’izay dia hahazo voninahitra eo imason’izay rehetra hiara-mihinana aminao ianao. Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, fanetren-tena sy halemem-panahy no tian’i Kristy hifantohan’ny saintsika indrindra anio, ka asondroty ny fontsika hiara-mangataka aminy mba samy hiezaka halemy fanahy sy hanetry tena tahaka Azy isika sy ny olombelona rehetra, ary samy ho vonona hanompo an’Andriamanitra sy ny namana amin-kitsim-po, ka homeny ny fiadanana marina mampangetaheta antsika sy izao tontolo izao.

Valy: Tsinjovy izahay, fa be indrafo Ianao.

* Ny mahantra sy ny madinika no raisin’Andriamanitra voalohany, koa mangataha isika mba ho tsara fandray ny mahantra ny Eglizy eran-tany sy ny fiangonantsika tsirairay.
* Mivavaha ho an’ireo rehetra mpitondra fanjakana na aiza na aiza sy manam-pahefana isan-tsokajiny, mba hahaizany mietry tena hanompo an’ireo ankinina aminy, indrindra ireo madinika tsy ambinina.
* Mivavaha ho an’ireo miala aina mba ho tena vonona izy amin’ilay fotoan-dehibe hihaonany amin’Andriamanitra: tsy hanary toky fa hietry tena hitalaho famindram-po.
* Maro ireo tanora na ankizy tsy mba afaka hahazo ny tombontsoa azon’ny sasany, any am-pialan-tsasatra na am-pakan-drivotra any, amin’izao vakansin’ny mpianatra izao: koa mivavaha mba homen’Andriamanitra fiadanana anaty, haheni-kasambarana azy.
* Mivavaha ho an’ny fianakaviantsika, ny mpiara-monina amintsika, ny iray tanàna mba samy hiezaka hanetry tena tsy hisian’ny fialonana, ny fifandirana, ny endrikendrika sy ny fifanaratsiana, ka hanjakan’ny firaisan-kina sy ny fihavanana.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, ampianaro izahay tsy ho fatra-pitady ny toerana ambony fa hiara-mihosona amin’ny madinika sy ny mahantra, ary tsy hifidy olon-kosoavina sy hampiana, araka ny ohatra nomen’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, izay velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin’ity tolotra masina ity, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra VII, ohatra.


Kômonio

Sal. 30, 20

Tompo ô, akory ity haben’ny hatsaranao izay omaninao ho an’ny matahotra Anao.


na hoe :

Mt. 5, 9-10

Sambatra ny mpampihavana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra; sambatra izay enjehina noho ny amin’ny rariny, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nomenao hery tamin’ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao, ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153