Sorona Masina ny Alakamisy 25 aogositra 2022

Herinandro faha-21 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Sal. 85, 1-3


Anongilano sofina aho, ry Tompo, ka valio. Andriamanitra ô, vonjeo itý mpanomponao matoky Anao. Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro!


Fangatahana

Ry Andriamanitra mampiray fo aman-tsaina ny mpino, tariho izahay vahoakanao ho tia ny didinao sy haniry izay nampanantenainao mba hifikitra amin’ny tena hasambarana ny fonay eto anivon’itý fiainana miovaova itý.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Fiantombohan’ny taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kôr. 1, 1-9


Tonga manan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo ao aminy.

I Paoly voaantso ho Apôstôlin’i Jesoa Kristy noho ny sitra-pon’Andriamanitra sy i Sôstena rahalahy mamangy ny Eglizin’Andriamanitra any Kôrinto, dia ireo mpino nohamasinina ao amin’i Jesoa Kristy, olona voaantso sady masina, mbamin’izay rehetra miantso ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika, na aiza na aiza misy azy: homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo. Isaorako an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ny fahasoavan’Andriamanitra nomena anareo ao amin’i Jesoa Kristy: fa noho ny firaisanareo aminy, tonga manan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo, dia amin’ny teny rehetra sy amin’ny fahalalana rehetra; ary noho ny niorenan’ny Evanjelin’i Kristy eo aminareo, dia tsy latsa-danja noho ny hafa ianareo amin’ny fahasoavana rehetra, hany ka miandry amim-pitokiana ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Izy ihany koa no hampiorina anareo hatramin’ny farany, mba tsy hanan-tsiny ianareo amin’ny andron’i Jesoa Kristy Tompontsika. Eny, mahatoky Andriamanitra izay niantso anareo hiray amin’ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 144, 2-3. 4-5. 6-7


Fiv.: Misaotra ny Anaranao aho, ry ilay Mandrakizay!

Misaotra Anao isan’andro aho, sy midera ny Anaranao mandrakizay! Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra; tsy azo takarina ny Halehibeny!
Ny taranaka mifampigaga ny zava-bitanao, sy mankalaza ny asanao mahery, manambara ny harevaky ny voninahitrao, mitantara ny asanao mahagaga.
Miteny ny herinao mahatahotra, mitanisa tokoa ny halehibeazanao, miventy ny fahatsiarovana ny Hatsaranao lehibe, ary mihoby ny fahamarinanao.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika

1 Tes. 3, 7-13


Andriamanitra anie hampitombo anareo amin’ny fifankatiavana sy amin’ny fitiavanareo ny olona rehetra.

Ry kristianina havana, afaka alahelo ny aminareo izahay, teo amin’ny fahaterena amam-pahorianay rehetra, noho ny finoanareo; velona terý izahay izao, mahita anareo maharitra tsara ao amin’ny Tompo. Fisaorana manao ahoana re no azonay avaly an’Andriamanitra, noho ny aminareo sy noho ny hafaliana tanteraka tsaroanay noho ny aminareo eo anatrehan’Andriamanitra! Endrey, izany fangatahanay an-kafanam-po lehibe andro aman’alina hahita tava anareo, sy hameno izay tsy ampy amin’ny finoanareo! Enga anie ka ny tenan’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompontsika no hanitsy lalana anay ho atý aminareo; ary ny Tompo hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavanareo sy amin’ny fitiavanareo ny olona rehetra, tahaka anay aminareo izao! Hankahery ny fonareo anie Izy, ary hiaro azy tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika, ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika mbamin’ny olo-masiny rehetra. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 89, 3-4. 12-13. 14 sy 17


Fiv.: Hetsaho faingana amin’ny hatsaram-ponao izahay, ry Tompo, ka hihoby sy hifaly amin’ny andronay sisa.

Nampodinao ho vovoka ny arin-tananao. Miverena, hoy Ianao, ry taranaka voafetra. Toy ny aloka miserana aminao ny arivo taona: tsidik’andro kely fohy, pitik’alina mimaona.
Ampianaro anay, ry Tompo, ny manisa ny andronay; atodiho fo fanahy mba hikatsa-pahendrena. Miverena re, ry Tompo, aza ela fa tongava: mangoraha ka tsinjovy mba ho soa ny olonao.
Vao maraina dia hetsaho ny fitiavanao izahay, ka ho revon-kafaliana sy hiantsa isan’andro. Ary homba anay izao ny fanambinanao, ry Tompo, hanamafy sy hampamokatra ny asan-tananay.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 24, 42-51


Miambena ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Miambena àry, fa tsy fantatrareo izay tapak’andro hiavian’ny Tomponareo. Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamîna ny tranony. Koa aoka àry ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona. Iza moa no mpanompo mahatoky sy hendry izay notendren’ny tompony ho mpifehy ny ankiziny, mba hanome hanina azy amin’ny fotoany? Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany; lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitantana ny fananany rehetra izy. Fa raha ratsy fanahy kosa ilay mpanompo ka manao anakampo hoe: Mbola ho ela ny tompoko vao ho avy, ka mikapoka ny mpanompo namany izy sy miara-mihinana sy misotro amin’ny mpimamo, dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany, ka hotapahiny roa izy ary haraikiny ho any amin’ny mpihatsaravelatsihy ny anjarany; any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, Sorona tokana no nanangananao vahoaka maro ho firenenao, koa ataovy miray fo sy miadan-tsaina ny Eglizinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 103, 13-15

Tompo ô, lonaky ny andon’ny Ianitrao ny tany, ka ataonao mahavokatra ny mofo hamelona anay sy ny divay mampifaly ny fon’ny olombelona.


na hoe:

Jo. 6, 55

Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako dia manana ny fiainana mandrakizay, hoy ny Tompo, ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hanasitrana anay tanteraka ny Fonao antra hahavitanay asa mendrika hankasitrahanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0618