Sorona Masina ny Talata 16 aogositra 2022

Herinandro faha-20 mandavantaona

TALATA

 

Tononkira fidirana

Sal. 83, 10-11

 

Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay. Todiho ny tavan’i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an’izay tia Anao; ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao hitiavanay Anao ao amin’ny zavatra rehetra sy ambonin’ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Ezekiela Mpaminany

Ezek. 28, 1-10

 

Olombelona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra akory, na dia ataonao ho toy ny fon’Andriamanitra aza ny fonao.

Tonga tamiko ny tenin’ny Tompo nanao hoe: Ry zanak’olona, lazao ny mpanjakan’i Tira hoe: Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: Noho ny fonao nanandra-tena, sady ianao nanao hoe: “andriamanitra aho, no ipetrahako eo anivon’ny ranomasina, seza fiandrianan’Andriamanitra”; nefa olombelona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsy akory, na dia ataonao ho toy ny fon’Andriamanitra aza ny fonao! — Indro ianao fa hendry noho i Daniely, tsy misy zava-takona miafina aminao; tamin’ny fahendrenao amam-pahalalanao, nahazo harena ho anao ianao; ka nahangona volamena sy volafotsy miavosa, ho ao amin’ny rakitrao; tamin’ny halehiben’ny fahendrenao, tamin’ny varotrao, hampitombo ny harenao, ka dia nanandra-tena ny fonao azon’ny harenao. — Noho izany, izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: “Satria nanao ny fonao ho toy ny fon’Andriamanitra ianao, noho izany dia indro, hitondra firenen-kafa hamely anao Aho, dia firenena masiaka indrindra amin’ny firenena; hotsoahany ny sabany hamelezana ny filohan’asan’ny fahendrenao, ary hohamavoiny ny famirapiratanao. Havariny any an-davaka ianao, ka ho faty amin’ny fahafatesan’izay voavono ao anatin’ny ranomasina. Ianao va mbola hilaza hoe: andriamanitra aho, eo anatrehan’ny mpamono anao; nefa olombelona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, eo an-tanan’izay mamono anao? Toy ny fahafatin’ny tsy voafora no hahafaty anao, amin’ny tanan’ny hafa firenena; fa Izaho no niteny izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo: Det. 32, 26-27ab. 27de-28. 30. 35de-36ab

 

Fiv.: Izaho no mahafaty sy mahavelona.

Saika hataoko hoe: hofaohiko amin’ny indray mitsoka ireo, hofoanako tsy ho eo amin’ny olombelona ny fahatsiarovana azy, raha tsy noho ny tahotra ny hireharehan’ny fahavalo, sy ny hahadiso hevitra ny mpandrafy azy.
Ka hilaza hoe: ny tananay no nahery. Fa tsy ny Tompo no nanao izany rehetra izany. Fa firenena tsy manam-pahendrena izy, ary tsy misy saina eo aminy.
Hataon’ny irery lahy ahoana no fanenjika ny arivo, hataon’ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina raha tsy ny Vatolampy no efa nivarotra azy, raha tsy ny Tompo no efa nanolotra azy?
Fa antomotra ny andro hahitany loza, ary ho avy faingana izay anjara ho azy. Fa homen’ny Tompo rariny ny vahoakany, ary noho ny mpanompony dia hanenina Izy.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’ny Mpitsara

Mpits. 6, 11-24

 

Ry Jedeôna, ndeha afaho i Israely: ho fantatrao fa homba anao Aho.

Tamin’izany andro izany, dia tonga ny Anjelin’ny Tompo ka nipetraka teo ambanin’ny terebinta tao Efrà, izay an’i Jôasy, fianakavian’i Abiesera. Nively vary teo amin’ny fitoerana famiazam-boaloboka i Jedeôna zanany tamin’izay, mba hapetrany amin’izay tsy hahitan’ny Madiàna azy. Niseho taminy ny Anjelin’ny Tompo ka nanao taminy hoe: “Momba anao ny Tompo, ry lehilahy mahery.” Fa hoy i Jedeôna taminy: “Indrisy, Tompoko, raha momba anay ny Tompo, ahoana no dia ianjeran’izao zavatra rehetra izao aminay? Ary aiza ny fahagagany rehetra izay tantarain’ny razanay aminay ataony hoe: ‘Moa tsy nitondra anay niakatra avy tany Ejipta va ny Tompo?’ Fa efa nafoin’ny Tompo mihitsy izahay ankehitriny; ary efa natolony eo an-tanan’ny Madiàna.”

Dia nitodika azy ny Tompo ka nanao hoe: “Mandehana amin’izao hery anananao izao, ka afaho amin’ny tanan’i Madiàna i Israely; tsy efa nirahiko va ianao?” Ary hoy i Jedeôna taminy: “Indrisy, ry Tompo ô! Amin’ny inona no hanafahako an’i Israely? Indro ny fianakaviako fa faraidiny indrindra amin’i Manase, ary izaho no kely indrindra amin’ny ankohonan’i dada.” Fa ny Tompo nanao taminy hoe: “Homba anao Aho, ka horesenao toy ny olona iray monja i Madiàna.” Hoy i Jedeôna taminy: “Raha nahita fitia teo imasonao aho, mba omeo famantarana fa Ianao no miteny amiko. Aza dia miala eto Ianao mandra-piveriko eto aminao, mitondra ny fanatitro sy mandroso azy eo anoloanao.” Dia hoy ny Tompo: “Hiandry mandra-piverinao Aho.”

Nony niditra i Jedeôna, dia namboatra zanak’osy ary nanao mofo tsy misy lalivay tamin’ny lafarina iray efah, ka rahefa nataony tao anaty harona ny hena, ary tao anaty vilany ny ro dia nentiny tamin’izay teo ambanin’ny terebinta ka natolony. Hoy ny Anjelin’ny Tompo taminy: “Alao ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay, apetraho eo ambonin’itý vatolampy itý, sy rotsahy ny ro.” Dia nataony izany. Ary naroson’ny Anjelin’ny Tompo ny lohan’ny tehina teny an-tanany, ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay, dia nisy afo nivoaka niaraka tamin’izay tamin’ny vatolampy, nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay; ary nanjavona tsy hitan’ny masony ny Anjelin’ny Tompo. Dia fantatr’i Jedeôna fa Anjelin’ny Tompo iny ka hoy i Jedeôna: “Maty aho, ry Tompo Andriamanitra ô, fa nahita nifanatri-tava tamin’ny Anjelin’ny Tompo.” Hoy ny Tompo taminy: “Tomoera amim-piadanana, aza matahotra, fa tsy ho faty ianao.” Nanorina ôtely teo i Jedeôna ho an’ny Tompo ka nantsoina hoe: Tompo-Fiadanana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 84, 9. 11-12. 13-14

 

Fiv.: Miteny fiadanana ho an’ny olony ny Tompo.

Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo mirary fiadanana ho an’ireo tiany, mirary fiadanana, ho an’ireo olo-miandrandra ny tavany.
Indro mihaona tokoa ny indrafo sy ny fahamarinana. Ny rariny ombam-piadanana hatrany, ny hitsiny hita mitsiry amy tany; mitsinjo avy eny amy rahon’ny lanitra kosa ny rariny.
Handrotsaka orana anie ny Tompo, izay hampamokatra tsara ny tany; fa lalan-kizoran’ny Tompo ny rariny ombam-piadanana.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 19, 23-30

 

Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Lazaiko marina aminareo fa sarotra ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra. Ary izao koa no lazaiko aminareo: moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.” Gaga dia gaga ny mpianany nandre izany teny izany, ka nanao hoe: “Koa iza ihany àry no mety ho voavonjy?” Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: “Tsy hain’olombelona izany, fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.” Namaly i Piera ka nanao taminy hoe: “Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka Anao, ka inona àry no ho azonay?” Hoy i Jesoa taminy: “Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin’ny andro fanavaozana, ny Zanak’Olona dia hipetraka eo amin’ny fiketrahan’ny fiandrianany; ary ianareo izay nanaraka Ahy koa hipetraka amin’ny fiketrahana roa ambin’ny folo, ka hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely. Ary izay rehetra handao ny tranony, na ny rahalahiny, na ny anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny, noho ny Anarako, dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay. Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary maro koa izay farany no ho voalohany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao avo indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 129, 7

Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin’ny Tompo!

 

na hoe:

Jo. 6, 51-52

Izaho no mofo velona nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo; raha misy mihinana izany mofo izany dia ho velona mandrakizay.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin’i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy etý an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0493