Sorona Masina ny Asabotsy 06 aogositra 2022

6 AOGOSITRA

FANKALAZANA NY NIOVAN’NY TOMPO TAREHY

Ny Papa Callixte faha-3 no nandraikitra hanerana ny Eglizy ny fankalazana ny Niovan’ny Tompo tarehy. Fa talohan’izany kosa anefa dia efa hatry ny ela be no fanao mahazatra ny fiangonana sasany ny mankalaza azy, indrindra tany amin’ny Eglizy Tatsinanana.
Niova tarehy teo anatrehan’ny Apôstôly Piera sy Jakôba ary Joany i Jesoa, mba hanomanany ny mpianany tsy ho tafintohina noho ny fijaliana amam-pahafatesana tsy maintsy hihatra amin’ny tenan’Izy Tompo. Fa ho antsika kosa izany, dia santatry ny fiovana mahatonga antsika ho zanaka malalan’Andriamanitra sy mpiray lova amin’i Kristy.
Ary ny nahitan’ny Apôstôly telo lahy ny Tompo namirapiratra feno voninahitra tsy hay lazaina, no santatry ny hahitantsika Azy amin’ny voninahiny lavorary rehefa hiseho eo anatrehany isika, hahita Azy araka ny tena toetrany (1 Jo 3, 2). Ny Eokaristia no mampiray antsika amin’i Jesoa Andriamanitra dieny ety an-tany, koa mazotoa manao Kômonio mba ho feno famirapiratana tahaka Azy isika rehefa hifanatri-tava aminy any an-koatra.

Tononkira fidirana

Mt. 17, 5

 

Nisy rahona mazava nisehoan’ny Fanahy Masina, ary re ny feon’ny Ray nanao hoe: “Zanako malalako ity, ilay sitrako tokoa: henoy Izy.”

 

Asiana VONINAHITRA ANIE ...

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, fony niova tarehy enim-boninahitra ny Zanakao Lahy tokana natrehin’ireo mpaminany, dia nataonao mafy orina ny finoana nambaranao, ary nampahafantarinao mialoha ny fiovana mahagaga ho tanteraka ao aminay atsanganao ho zanakao; koa enga anie izahay mpanomponao mihaino ny feon’ny Zanakao malalanao, ho mendrika hiray lova aminy.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Daniely Mpaminany

Dan. 7, 9-10. 13-14

 

Fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany.

Nijery aho, mandra-pametraka ny seza fiandrianana, izay nipetrahan’ny anti-dahy anankiray; fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany; tahaka ny volon’ondry madio ny volon-dohany; lelafo ny seza fiandrianany; afo mirehitra ny kodiarany; ony afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany, arivoarivo no nanompo azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany. Dia nipetraka ny mpitsara ka novelariny ny boky. Nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho, ka indro nisy toy ny Zanak’olona tamy teny ambonin’ny rahon’ny lanitra; nandroso izy nankeo amin’ilay anti-dahy, ka nentina ho eo anatrehany; dia nomena Azy ny fahefana, sy ny voninahitra amam-panjakana, ary nanompo Azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra. Fifehezana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fifehezany ary tsy ho levona na oviana na oviana ny fanjakany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 96, 1-2. 5-6. 9.

 

Fiv.: Handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny olon-drehetra, na ny any an-danitra na ny ety an-tany.

Manjaka ny Tompo: miravoa ny tany; ianareo nosy maro, mifalia. Ny manodidina Azy: rahona sy zavona; ny ijoroan’ny fiketrahany dia ny rariny sy ny hitsiny.
Ny vohitra mitsonika tahaka ny savoka noho ny Tompon’ny tany tontolo. Ny lanitra manambara ny fahamarinany, ireo vahoaka mahita ny voninahiny.
Fa Ianao tokoa no avo indrindra, Ianao ambonin’ny tany tontolo, avo lavitra noho ireo andriamanitra.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy faharoan’i Md. Piera Apôstôly

2 Pier. 1, 16-19

 

Ary renay io feo avy tany an-danitra io.

Ry hava-malala, tsy nanaraka angano tsara lahatra foana izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery amam-pahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa tena nahita maso ny fiandrianany tokoa. Endrey izany haja amam-boninahitra nomen’Andriamanitra Ray Azy, raha tonga teo aminy ilay feo avy tamin’ny voninahitra lehibe nanao hoe: “Ity no Zanako malalako izay sitrako indrindra.” Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay. Ary mafy orina kokoa ho antsika amin’izany ny Soratra faminaniana, izay tsara raha dinihinareo, fa toy ny jiro manazava ao amin’ny toerana maizimaizina izany, mandrapipoaky ny andro, sy iposahan’ny kintana fitarik’andro ao am-ponareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ity no Zanako malalako izay ankasitrahiko, henoy Izy.

Aleloia.

Taona A

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 17, 1-9

 

Ny Tavany namirapiratra tahaka ny masoandro.

Tamin’izany andro izany, nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahiny, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo. Dia niova tarehy teo anatrehany Izy; ka ny Tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ny fitafiany tonga fotsy mangatsakatsaka tahaka ny fahazavana. Ary indro niseho tamin’izy ireo i Môizy sy i Elia niresaka tamin’i Jesoa. Dia niteny i Piera nilaza tamin’i Jesoa hoe: “Tompo, mahafinaritra ny mitoetra aty; ka raha sitrakao, andeha hanao lay telo aty, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia.”

Fa raha mbola niteny izy, dia indro nisy rahona mazava nanarona azy ireo. Ary injao nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: “Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra: henoy Izy.” Nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sy natahotra indrindra. Fa nanatona azy i Jesoa, dia nanohina azy, ka nanao taminy hoe: “Mitsangàna, fa aza matahotra.” Nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita afa-tsy i Jesoa irery. Ary rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra Izy, dia hoy i Jesoa nandrara azy ireo: “Aza milaza na amin’iza na amin’iza izay vao hitanareo, ambara-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Taona B

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 9, 2-10

 

Niova tarehy teo anatrehan’izy ireo Izy.

Tamin’izany andro izany, nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany ka nentiny nitokana tany an-tampon’ny tendrombohitra avo anankiray, dia niova tarehy teo anatrehany Izy. Tonga nanjelajelatra sady fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany, ka tsy misy mpanasa lamba mahadio toy izany ety an-tany. Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy, sady niresaka tamin’i Jesoa. Dia niteny i Piera nanao tamin’i Jesoa hoe: “Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra aty; aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia.” Fa tsy fantany izay nolazainy, satria raiki-tahotra loatra izy ireo. Tamin’izay dia nisy rahona nanarona azy, ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: “Ity no Zanako malalako indrindra? henoy Izy.” Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo, nefa tsy nahita olona intsony, fa i Jesoa irery sisa teo aminy.

Nony nidina avy any an-tendrombohitra izy ireo, dia noraràny tsy hilazalaza amin’olona ny zavatra vao hitany, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Taona D

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 9, 28b-36

 

Raha mbola nivavaka Izy, dia niova toetra ny Tarehiny.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nitondra an’i Piera sy i Jakôba ary i Joany, ka niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka. Raha mbola nivavaka Izy, dia niova toetra ny Tarehiny sady tonga fotsy manjopiaka ny fitafiany. Ary indro nisy roa lahy niresaka taminy, dia i Môizy sy i Elia, izay niseho tamim-boninahitra, sy nilaza ny hahalasanany izay tsy maintsy ho tanteraka any Jerosalema. Navesatry ny tory ny mason’i Piera sy ny namany, nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr’i Jesoa mbamin’izy roa lahy teo aminy. Ary tamin’izy roa lahy nihataka, dia hoy i Piera tamin’i Jesoa: “Ry Mpampianatra ô, mahafinaritra ny mitoetra aty, ka andeha hanangana lay telo izahay, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia”; tsy fantany anefa izay nolazainy. Raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona nanarona azy ireo, ka natahotra izy telolahy tamin’ny nidirany tao anatin’ny rahona. Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: “Ity no Zanako malalako, henoy Izy.” Ilay niteny iny ny feo, dia i Jesoa irery ihany no hita. Ary nangina ireo mpianany ka tsy nilazalaza na tamin’iza na tamin’iza tamin’izany andro izany izay zavatra hitany teo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ampahatsiahivin’ny Eglizy antsika anio ny niovan’i Jesoa Kristy tarehy; koa angataho mba ho hitantsika hatrany ny tena Endrik’i Kristy, hankahery antsika hampiseho amin’ny olombelona rehetra ny Endrik’Andriamanitra Raintsika.

Valy: Ry Tompoko, ilay Endrikao e no mahafinaritra ahy;
Tadiaviko ilay Endrikao, ka aza afenina ahy.

* Nampitombo finoana an-dry i Piera sy i Jakôba ary i Joany ny fahazavan’i Jesoa niova tarehy; koa mivavaha mba hitombo finoana ny Papa sy ny Eveka, ny Pretra ary ny kristianina rehetra amin’izao fankalazana an’i Jesoa niova Tarehy izao, mba hananany fanantenana mafy eo am-pitoriana ny Evanjely.
* Maro ny olona na antoko mitady firaisan-kina sy fifankatiavana ankehitriny; koa mivavaha ho an’ny mpitondra sy ny mpitolona mba ho fantany fa ny finoana an’i Kristy no hany afaka hampiray tokoa ny fo, ka hahamarim-pototra ny fivondronana sy ny fiaraha-miasa rehetra.
* Tany an-tendrombohitra no niseho namirapiratra i Jesoa, koa mivavaha mba hamirapiratra eran’ny lafy valon’ny tany ny fifankatiavana vokatry ny fahamarinana iainan’ny Eglizy, ka hinoan’ny olona, indrindra ireo mijaly, fa Zanak’Andriamanitra tokoa i Kristy ary te hizara hasambarana amintsika.
* Matetika dia heverintsika fa ampy ny mivavaka, fa tsy dia ilaina loatra ny mitolona na ara-nofo na ara-panahy; koa enga anie ny fivavahana ataontsika sy ny fomba samihafa anatonantsika an’Andriamanitra mba ho fanovozan-kery hoenti-mikatroka hanovàna endrika ny fiangonana sy ny fiaraha-monina mba hamirapiratan’ny fahamarinana sy ny fifankatiavana atoron’i Kristy.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Jesoa Tompo ô, nasehonao an’ireo Apôstôlinao tany an-tendrombohitra ny voninahitrao ao amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina, koa tahio izahay hiaina amin’ny Fanantenana mba ho sambatra hibanjina Anao indray andro any.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba hamasino ireto fanatitra hanomezam-boninahitra ny Zanakao niova Tarehy, ary mba diovy ho afa-pahotana izahay hamirapiratan’ny fahazavany.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

 

Prefasy:

 

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Ilay nampiseho ny voninahiny tamin’ireo vavolombelona voafidy ary nampamirapiratra fatratra ilay Vatana itovizany aminay olombelona mba tsy ho tafintohin’ny Hazofijaliana ny fon’ny Apôstôly, ary mba hiharihary fa ho tanteraka amin’ny Eglizy rantsam-batany manontolo ny fiovan-tarehy efa nampamirapiratra Azy Filohany.

Izany no ankalazanay Anao lalandava ety an-tany miaraka amin’ny Herin’ny lanitra, mihoby Anao Avo indrindra tsy an-kijanona manao hoe: Masina, Masina, Masina…

 

Kômonio

1 Jo. 3, 2.

Rehefa hiseho i Kristy, dia hitovy aminy isika, satria hahita Azy araka ny tena toetrany.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, enga anie izahay nandray ny sakafo avy any an-danitra mba hiova toetra hitovy endrika amin’i Kristy, Ilay niseho namirapiratra feno voninahitra, fony Izy niova Tarehy.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0218