Sorona Masina ny Alakamisy 07 jolay 2022

Herinandro faha-14 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Sal. 47, 10-11


Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin’ny tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon’ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin’ny fanandevozan’ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Osea Mpaminany

Os. 11, 1. 3-4. 8d-9


Onena ny foko ato anatiko.

Hoy ny Tompo: Tia an’i Israely Aho fony mbola zaza izy; ka hatrany Ejipta nisy fiantsoana nataoko ny zanako. Ary Izaho nampiana-mandeha an’i Efraima, sy nitantana azy tamin’ny sandriny, nefa tsy fantany fa nanolikoly azy Aho. Nentiko tamin’ny kofehy fitondrana olona izy ireo, dia tamin’ny fatoran’ny fitiavana; mova Aho tsy ilay nanainga ny jioga ho azy, eo ambonin’ny valanoranony, ary niondrika taminy sy nampihinana azy, nefa tsy misy miandrandra maso akory izy ireo.

Onena ny foko ato anatiko, ary indray miontana ny fangorahako rehetra. Tsy hanarana ny firehetan’ny hatezerako Aho, tsy horavako fanindroany i Efraima. Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olombelona; eo afovoanao ilay Masina, ka tsy ho tonga Aho mitondra ny fisafoahako.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 79, 2ad sy 3b. 15-16


Fiv.: Ny Tavanao aseho, ry Tompo, dia ho voavonjy izahay.

Ry Mpiandry an’i Israely, mandrenesa izay mitondra an’i Jôsefa toy ny ondry. Dia fohazy ny herinao hamonjy anay.
Miverena, ry Andriamanitry ny tafika; mitsinjova avy eny an-danitra zahao! Ilay foto-boaloboka tazano, mba ahio ny nambolen’ny tananao.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 44, 18-21. 23b-29 ; 45, 1-5


Hamonjy aina anareo no nampandehanan’Andriamanitra ahy atý Ejipta.

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jôsefa i Jodà ka nanao taminy hoe: “Mihanta aminao aho, tompokolahy, mba hahazo lalana ny mpanomponao hiteny indraim-bava eto anatrehan’ny tompoko, ka aoka tsy hirehitra amin’ny mpanomponao ny fahatezeranao, fa sahala amin’i Faraôna ianao. Ny tompo lahiko nanontany ny mpanompony hoe: “Manan-dray na rahalahy koa va ianareo?” Ary izao no navalinay ny tompoko: “Manan-dray efa antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; nanan-drahalahy io zaza io fa efa maty, dia izy irery no sisa tamin’izy iray reny, ka tian-drainy izy. Ary ianao nilaza tamin’ny mpanomponao hoe: “Ento midina atý amiko izy mba ho hitan’ny masoko. Raha tsy miara-midina aminareo ny zandrinareo, tsy hahita ny tavako intsony ianareo.”

Koa rahefa tafakatra tany amin’ikaky mpanomponao izahay, dia nambaranay azy ny tenin’ny tompoko. Ary nony avy izay nilazan’ikaky taminay hoe: “Mandehana indray mividiana hanina kely ho antsika”, dia izao no navalinay: “Tsy mahazo midina izahay; fa raha miaraka aminay ny zandrinay faralahy vao hidina izahay; satria tsy mahazo mahita tava an-dralehilahy akory izahay, raha tsy miaraka aminay ny zandrinay.” Ka hoy ikaky mpanomponao taminay: “Fantatrareo fa roa lahy no nateraky ny vadiko tamiko; ny iray efa lasa tafasaraka tamiko, ka hoy aho hoe: tsy maintsy ho voaviraviram-biby izy, satria tsy hitako intsony mandraka androany. Ary itý iray raha alainareo koa, ka mahita loza any, dia hampidirinareo any amin’ny fonenan’ny maty amin’alahelo ny voloko fotsy.”

Dia tsy nahatsindry fo intsony i Jôsefa teo anatrehan’izay rehetra teo, ka niantso hoe: “Avoahy avokoa ny olona rehetra!” Ary tsy nisy olona tafajanona intsony teo aminy, raha nitonona anarana tamin’ireo rahalahiny izy. Nanandra-peo izy nitomany, ka ren’ny Ejipsianina sy ren’ny tao an-tranon’i Faraôna.

Hoy i Jôsefa tamin’ny rahalahiny: “Izaho no i Jôsefa. Mbola velona ihany va ikaky?” Fa tsy nahateny tsy nahavolana ireto rahalahiny, fa very saina loatra teo anatrehany. Ary i Jôsefa nanao tamin’ny rahalahiny hoe: “Manatòna eto amiko ianareo.” Dia nanatona izy, ka hoy izy: “Izaho no i Jôsefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atý Ejipta. Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo, noho ny nivarotanareo ahy ho atý, fa hamonjy aina anareo no nampandehanan’Andriamanitra ahy hialoha anareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 104, 16-17. 18-19. 20-21


Fiv.: Tsarovy ny asa mahagaga nataon’ny Tompo.

Niantso mosary hamely ny tany Izy; notapahiny ny hanina izay tohan’aina. Naniraka olona hialoha azy ireo Izy: i Jôsefa namidy ho andevo.
Nogiazana tamin’ny fatorana ny tongony, nogadrana vy izy, mandra-pahatongan’ny andro nahatanterahan’izay voalazany mialoha, izay nanamarinan’ny tenin’Andriamanitra azy.
Naniraka hanesotra ny fatorany ny mpanjaka; nalefan’ny filohan’ny vahoaka ho afaka izy. Dia natsangany ho tompon’ny tranony, sy ho mpanapaka ny taniny rehetra.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra no mampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 10, 7-15


Nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôly nanao hoe: “Raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana. Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao amin’ny fehin-kibonareo, na kitapom-batsy eny an-dalana, na akanjo roa, na kiraro, na tehina, fa ny mpiasa dia mendrika homen-kanina. Ary amin’izay tanàna na vohitra hidiranareo, dia anontanio izay mendrika, hidiranareo ao, ka mitoera ao aminy ambara-pialanareo. Ary raha vao miditra ao amin’ny trano ianareo, dia miarahabà hoe: “Ho amin’itý trano itý anie ny fiadanana”; ka raha mendrika tokoa ny ao an-trano, dia ho tonga ao aminy ny fiadanana nantsoinareo; fa raha tsy mendrika kosa izy, dia hiverina aminareo ny fiadanana nantsoinareo. Ary raha misy tsy mampiantrano anareo na tsy mihaino ny teninareo, dia mialà amin’izany trano izany, na amin’izany tanàna izany, ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo. Lazaiko marina aminareo fa ho moramora kokoa ny hatao amin’i Sôdôma sy i Gômôra amin’ny andro fitsarana noho ny hatao amin’izany tanàna izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan’andro hanao asa mendrika ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 33, 9

Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.


na hoe:

Mt. 11, 28

Mankanesa atý amiko ianareo rehetra mijaly sy vesaram-pahoriana, fa hanamaivana anareo Aho, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083