Sorona Masina ny Alahady 03 jolay 2022

ALAHADY FAHA-14 mandavantaona — D

MATOKIA MITORY NY EVANJELY

Tononkira fidirana

Sal. 47, 10-11

Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin’ny Tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon’ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin’ny fanandevozan’ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 66, 10-14d

Indro hataoko misononòka eo aminy ny fiadanana hoatra ny ony.

Miaraha mifaly amin’i Jerosalema ianareo, ary miravoravoa noho ny aminy, ianareo rehetra tia azy. Ary aoka hiara-mientan-kafaliana aminy avokoa, ianareo nitomany azy: mba hinonoanareo sy hivokisanareo, amin’ny nonon’ny fampiononany; ary mba hankafizanareo amim-pahafinaretana, ny hafenoan’ny voninahiny. Satria izao no lazain’ny Tompo: “Indro hataoko misononòka eo aminy, ny fiadanana hoatra ny ony, sy ny voninahitry ny firenena, hoatra ny renirano tondraka”; ka ianareo dia hampinonoina, hotrotroina, ary hosafosafoina eo ampofoana. Hoatra ny olona alàn-dreniny alahelo, no hanalako alahelo anareo, ka dia ho afaka alahelo ao Jerosalema ianareo. Hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary hahazo aina indray hoatra ny ahi-maitso ny taolanareo. Hataon’ny tanan’ny Tompo izay hahalalan’ny mpanompony Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 65, 1-3a. 4-5. 6-7a. 16 sy 20


Fiv.: Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo.

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo; antsao ny Anarany be voninahitra. Ataovy mafy ny antso fiderana Azy: Eny, mahatahotra Ianao, ry Andriamanitra:
Miankohoka aminao ny tany tontolo sy miantsa ny Anaranao, miantsa Anao! Tongava hizaha ny asan’Andriamanitra, mahatahotra ny ataony ho an’ny olombelona:
Ny ranomasina novàny ho tanety, ny ony nandehanana tongotra. Koa aoka isika hifaly aminy. Ny heriny manapaka mandrakizay.
Tongava ianareo matahotra ny Tompo hitantaràko izay nataony tamiko. Hisaorana anie Andriamanitra ny fitiavany tsy nalàny tamiko.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia

Gal. 6, 14-18


Mitondra ny marik’i Jesoa Tompo ao amin’ny vatako aho.

Ry kristianina havana, raha ny amiko dia sanatria raha mba misy ataoko rehareha afa-tsy ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa taminy no voafantsika tamin’ny Hazofijaliana izao tontolo izao ho ahy, ary izaho ho an’izao tontolo izao. Tsy mampaninona na ny famoràna na ny tsy famoràna, fa ny ho olom-baovao no tena zavatra. Ho an’izay rehetra hanaraka ity fitsipika ity anie, sy ho an’i Israelin’Andriamanitra koa, ny fiadanana amam-pamindràm-po! Amin’izao sisa izao, aza misy manahirana ahy intsony, fa mitondra ny marik’i Jesoa amin’ny vatako aho. Ho amin’ny fanahinareo anie, ry kristianina havana, ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika! Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra!

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 10, 1-12. 17-20 (lava) na: 1-9 (fohy)

Hitoetra ao amin’izany trano izany ny fiadanana lazainareo.

Tamin’izany andro izany, ny Tompo nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa tamin’ny mpianany, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy, any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany. Ary hoy Izy tamin’izy ireo: “Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy; koa mangataha amin’ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany. Mandehana; indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia. Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro, ary aza miarahaba olona akory any an-dalana. Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe: Fiadanana anie ho amin’ity trano ity; ka raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany. Ary mitoera amin’izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay misy ao, fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano. Ary amin’izay tanàna hidiranareo, raha mandray anareo ny olona, dia hano izay atolony anareo; ary sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe: Efa mby akaiky anareo ny Fanjakan’Andriamanitra”.


Mijanona eo raha ny fohy no atao; tohizina raha ny lava.

“Fa amin’izay tanàna hidiranareo koa nefa tsy mandray anareo ny olona, dia mankanesa eny an-kianja ka lazao hoe: Na ny vovoky ny tanànanareo nipetaka tamin’ny tongotray aza dia ahintsanay hiampanga anareo; fantaro anefa fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo fa amin’izany andro izany, dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Sôdôma, noho ny ho amin’izany tanàna izany”.

Ary niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe: “Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao”, Dia hoy i Jesoa taminy: “Nahita an’i Satana nilatsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho. Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin’ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny. Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, mahafeno toky antsika ny tenin’Andriamanitra ary mamelona fanantenana tsy resin’ny sarotra, koa miraisa fo ary matokia manao izao ranombavaka izao ho an’ny olombelona rehetra.

Valy: Mandrakizay ny Teninao, ry Tompo, eny mateza tahaka ny lanitra.

* Mivavaha isika ho an’ireo voaantso ho Pretra sy Relijiozy, mba ho irak’Andriamanitra hitondra fitiavana sy fiadanana ary fahasambarana eo amin’izao tontolo izao izy.
* Be ny zava-manahirana an’ireo manana andraikitra amin’ny mpiara-belona, koa mivavaha mba hiankim-po amin’Andriamanitra izy ireny, rehefa miezaka tokoa ka hatoky sy hanantena hatrany, amin’ny andro sarotra sy manjombona.
* Amin’ny mpiara-monina amintsika, maro ny mijaly na amin’ny vatany na amin’ny sainy sy ny fanahiny; koa mivavaha mba tsy hanary toky izy, fa hanantena lalandava, na dia eo ampovoan’ny fahoriana aza.
* Samia mangataka mangina izay mety hilaintsika na hilain’ny namantsika tsirairay (mangina kely).


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, mpianatrao izahay, ka tariho hankeo amin’ireo nanirahanao anay, ary ampianaro hahay hitondra fihavanana sy hamafy hasambarana amin’izay rehetra lalovanay.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan’andro hanao asa mendrika ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra VI, ohatra.


Kômonio

Sal. 33, 9

Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.


na hoe:

Mt. 11, 28

Mankanesa aty amiko ianareo rehetra mijaly sy vesaram-pahoriana, fa hanamaivana anareo Aho, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.139