Sorona Masina ny Asabotsy 02 jolay 2022

Herinandro faha-13 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Sal. 46, 2


Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana.


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay aza avela ho rakotry ny haizin’ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin’ny fahazavan’ny fahamarinana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Knisty Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Amôsy Mpaminany

Amôsy 9, 11-15


Hampodiko indray ny babo amin’ny vahoakako; ary hamboleko eo amin’ny taniny izy.

Izao no lazain’ny Tompo: Amin’izany andro izany, ny tranobongon’i Davida efa nianjera hatsangako indray, ny banga hotampenako, ny rava hamboariko; ka haoriko indray ho tahaka ny tamin’ny andro taloha; mba hananan’izy ireo izay sisa amin’i Edôma, mbamin’ny firenena rehetra niantsoana ny Anarako, — teny marin’ny Tompo — izay nanao izany zavatra izany. Indro avy ny andro, — teny marin’ny Tompo —, ka ny mpiasa tany hahatratra ny mpijinja; ary ny mpanosihosy voaloboka, hahatratra ny mpanely voa famafy ; hitete avy amin’ny tendrombohitra ny divay vaovao, ary ny havoana rehetra hitsonika. Hampodiko indray ny babo amin’i Israely vahoakako; ka ny tanàna rava, haoriny sy honenany indray; ny voaloboka hamboleny hisotroany ny divay avy aminy; hanao tanimboly izy ireo, hihinanany ny vokany. Hamboleko eo amin’ny taniny izy, ka tsy hongotako intsony hiala amin’ny tany, izay efa nomeko azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 84, 9. 11-12. 13-14


Fiv.: Ny Tompo miteny fiadanana amin’ny olony.

Hihaino izay lazain’ny Tompo aho: moa Izy tsy hiteny fiadanana ho an’ny olony, ho an’ny mpivavaka aminy, ho an’ireo mampitodika ny fo aminy?
Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana, mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana: mitrebona an-tany ny fahamarinana, mitranga avy eny an-danitra ny rariny.
Ny Tompo manome orana amim-peo avo, ka ny tanintsika manome ny vokany. Ny rariny mizotra eo anoloany; ny fiadanana, eo amin’ny soritry ny diany!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 27, 1-5. 15-29


Naka ny fizokian’ny rahalahiny i Jakôba ary naka ny tso-drano koa.

Efa antitra i Isaaka ka efa nanjavona ny masony ka tsy nahita intsony. Dia niantso an’i Esao zanany lahimatoa izy, ka nanao taminy hoe: “Anaka.” Ary hoy io taminy: “Intý aho.” Dia hoy i Isaaka: “Hitanao fa efa antitra aho izao; ary tsy fantatro izay andro hahafatesako. Koa ankehitriny, alao ny fitaovanao, dia ny tranon-janatsipîkanao sy ny tsipîkanao, ka mandehana any an-tsaha, ka mamonoa biby fihaza ho ahy. Dia anaovy nahandro tsara ho ahy izany, araka ilay tiako; ka ento atý amiko hohaniko, mba hitsofan’ny fanahiko rano anao, dieny mbola tsy maty aho.”

Ary henon-dRebekà kosa ny nitenenan’i Isaaka tamin’i Esao, zanany; dia lasa i Esao nankany an-tsaha mba hiremby haza sy hitondra azy. Ary nalain-dRebekà ny fitafian’i Esao, zanany lahimatoa, ny tsara indrindra, izay tao an-trano, ka nampitafiany an’i Jakôba, zanany lahiaivo. Dia nofonosiny tamin’ny hodin-janak’osy koa ny tanany mbamin’ny malambolambo amin’ny vozony. Izay vao nataony an-tanan-janany ny nahandro tsara sy ny mofo efa namboariny.

Dia nankao amin-drainy i Jakôba, ka nanao hoe: “Dada ô!” Dia hoy i Isaaka: “Intý aho, iza moa ianao, anaka?” Ary hoy i Jakôba tamin-drainy: “Izaho no Esao zanakao lahimatoa. Vitako ny nasainao nataoko, ka masìna ianao, miarena ary mipetraha hihinana ny hazako, mba hitsofan’ny fanahinao rano ahy.” Fa hoy i Isaaka tamin-janany: “Ahoana no dia nahazoanao faingana toy izany anaka?” Ka hoy i Jakôba: “Ny Tompo Andriamanitrao no nahatonga azy teo anoloako.” Ary hoy i Isaaka: “Manatòna àry, mba hitsapako anao kely, na ianao tokoa no Esao zanako na tsia.” Dia nanatona an-drainy i Jakôba; ka hoy i Isaaka nony nitsapa azy: “Ny feony dia feon’i Jakôba, fa ny tanany dia tanan’i Esao.” Tsy nahalala azy izy, satria voloina tahaka ny an’i Esao rahalahiny ny tanany, ka dia nitso-drano azy izy. Hoy izy: “Marina tokoa va fa ianao no Esao zanako?” Ary hoy i Jakôba: “Izaho no izy.” Dia hoy i Isaaka: “Arosoy àry hohaniko izato hazan’ny zanako, mba hitsofan’ny fanahiko rano anao.” Dia naroson’i Jakôba teo anoloany izany ka nihinana izy ary notolorany divay koa, ka nisotro. Rahefa izany, hoy i Isaaka rainy, taminy: “Manatòna ianao, anaka, manoroha ahy.” Dia nanatona i Jakôba ka nanoroka azy; ary nandre ny hanitry ny fitafiany i Isaaka, ka nitso-drano azy nanao hoe: “Eny, ny hanitry ny zanako, dia tahaka ny hanitry ny saha voatso-dranon’ny Tompo. Andriamanitra anie hanome anao amin’ny andon’ny lanitra sy amin’ny menaky ny tany; mbamin’ny vary aman-divay ankabetsahana! Hotompoim-pirenena maro anie ianao, hiankohofam-pirenena maro ianao; hotompoin’ny rahalahinao anie ianao; hiankohofan’ny zana-dreninao ianao; ho voaozona anie izay hanozona anao; fa hohasoavina kosa izay hanisy soa anao!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 134, 1-2. 3-4. 5-6


Fiv.: Miderà ny Tompo fa tsara Izy.

Derao ny Tompo! Derao Izy, ry mpanompon’ny Tompo, ianareo izay mijanona ao an-tranon’ny Tompo, ao an-kianjan’ny tranon’ny Andriamanitsika!
Derao ny Tompo fa tsara! Antsao ny Anarany fa mamy! Fa i Jakôba nofidîn’ny Tompo ho azy; i Israely, ho fananany!
Fantaro fa lehibe ny Tompo. Mihoatra ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitsika! Izay sitraky ny Tompo, ataony avokoa: any an-danitra sy eto an-tany.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 9, 14-17


Moa mahazo misaona va ny olona raha mbola eo ny mpampakatra?

Tamin’izany andro izany, nankao amin’i Jesoa ny mpianatr’i Joany ka nanao hoe: “Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin’izay vao hifady hanina izy. Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao, fa handrovitra ny tonta ny vao ka hitatra ny rovitra. Ary ny barîka hoditra tonta tsy mba fasiana divay vaovao; fa raha izany, dia ho vaky ny barîka, ka ny divay raraka, ary ny barîka simba; fa ny barîka hoditra vaovao no fasiana divay vaovao, dia samy maharitra izy roroa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin’ireto fanatitra masina ireto.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 102, 1

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!


na hoe:

Jo. 17, 20-21

Ray ô, hoy ny Tompo, mangataka ho azy ireo Aho, mba ho iray ao amintsika izy rehetra, ka hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092