Sorona Masina ny Alakamisy 30 jona 2022

Herinandro faha-13 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Sal. 46, 2


Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana.


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay aza avela ho rakotry ny haizin’ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin’ny fahazavan’ny fahamarinana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Knisty Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Amôsy Mpaminany

Amôsy 7, 10-17


Mandehana maminany any amin’ny vahoakako.

Tamin’izany andro izany, i Amasiasa, mpisorona ao Betela, naniraka hilaza amin’i Jerôbôama, mpanjakan’i Israely hoe: “Mitetika ny hikomy aminao eo amin’ny taranak’i Israely i Amôsy; tsy zakan’ny tany intsony ny teniny rehetra. Satria izao no tenin’i Amôsy: i Jerôbôama ho fatin’ny sabatra ary i Israely hoentin-ko babo hiala amin’ny taniny.” Dia hoy i Amasiasa tamin’i Amôsy: “Ry mpahita ô, mandehana mandositra any amin’ny tanin’i Jodà, ka any ianao no mihinàna hanina; any ianao no maminania. Fa aza maminany atý Betela intsony, satria fitoera-masin’ny mpanjaka ny atý, ary tranom-panjakana.” Izao no navalin’i Amôsy an’i Amasiasa: “Tsy mba mpaminany aho na zanaky ny mpaminany; fa mpiandry omby sy mpamboly aviavy.” Ary nalain’ny Tompo tany aorian’ny biby fiompy aho, dia nataon’ny Tompo tamiko hoe: Mandehana ianao, maminany any amin’i Israely vahoakako. Koa ankehitriny, mihainoa ny tenin’ny Tompo ianao. Hoy ianao hoe: aza maminany ny hamelezana an’i Israely; ary aza miteny ny hamelezana ny taranak’i Isaaka! Koa izao no lazain’ny Tompo: Ny vadinao hovetavetaina ao an-tanàna, ny zanakao lahy aman-janakao vavy ho lavon-tsabatra, ny taninao hozaraina amin’ny famolaina, ary ianao ho faty eo amin’ny tany maloto; ary i Israely hoenti-ko babo hiala amin’ny taniny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 18, 8. 9. 10. 11


Fiv.: Ny Fitsaran’ny Tompo fahamarinana sy rariny avokoa.

Ny Lalàn’ny Tompo lavorary, mamelombelona ny fanahy. Ny Didin’ny Tompo mahatoky, mampahendry olon-tsotra.
Ny Fitsipiky ny Tompo mahitsy, mahafaly ny fo. Ny Baikon’ny Tompo mazava, manilo ny maso.
Ny tahotra ny Tompo madio, maharitra mandrakizay. Ny Fitsaran’ny Tompo fahamarinana, samy rariny avokoa.
Mahatehaniry noho ny volamena, sy ny avosam-bolamena madio mamy noho ny tantely, sy ny toho-tantely mitsonika.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 22, 1-19


Ny sorona nataon’i Abrahama Razambentsika.

Tamin’izany andro izany, nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: “Ry Abrahama ô!” Ary hoy izy: “Intý aho.” Dia hoy Andriamanitra: “Ento ny zanakao, ilay lahitokanao, ilay tianao, dia i Isaaka, ka mankanesa any amin’ny tany Môrià, ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao.” Nifoha maraina koa i Abrahama, nanisy lasely ny ampondrany, naka roa lahy tamin’ny mpanompony hiaraka aminy, sy i Isaaka zanany, ary namaky ny hazo hataina amin’ny sorona dorana, dia niainga nankany amin’ny tany efa nolazain’Andriamanitra azy.

Nony tamin’ny andro fahatelo, nanopy ny masony i Abrahama ka mbola lavitra ihany izy dia nahatazana ilay toerana, dia nilaza tamin’ireo mpanompony i Abrahama nanao hoe: “Mijanòna eto amin’ny ampondra ianareo, fa izahay sy ny zaza dia mikasa ho erý hivavaka, vao hiverina eto aminareo indray.” Dia nalain’i Abrahama ny hazo hataina amin’ny sorona dorana, ka natataony an’i Isaaka zanany, ary ny afo sy ny antsy kosa nentiny teny an-tanany, dia niara-nandeha izy mianaka. Fa hoy i Isaaka tamin’i Abrahama rainy: “Dada ô!” Ka hoy ny navaliny: “Intý aho, anaka.” Dia hoy i Isaaka: “Ny afo sy ny kitay ireto dia efa eto, fa izay zanak’ondry atao sorona dorana kosa no aiza?” Hoy ny navalin’i Abrahama: “Hataon’Andriamanitra izay hahitana ny zanak’ondry hatao sorona dorana, anaka.” Dia niara-nandeha izy mianaka.

Nony tonga teo amin’ny toerana natoron’Andriamanitra azy izy, dia naorin’i Abrahama teo ny ôtely; nalahany ny kitay hazo, ary nafatony i Isaaka zanany, ka napetrany tambonin’ny ôtely eo ambonin’ny kitay. Dia naninjitra ny tanany i Abrahama ka nandray ny antsy hamonoana ny zanany. Tamin’izay niantso tany an-danitra ny Anjelin’ny Tompo nanao hoe: “Ry Abrahama! ry Abrahama ô!” Ka hoy ny navaliny: “Intý aho.” Dia hoy ny Anjely: “Aza manainga ny tananao hamely ny zaza, ary aza maninomaninona azy akory, fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao ho Ahy.” Ary nanopy maso i Abrahama ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony, voasingotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondralahy, ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany. Ary nataon’i Abrahama hoe Iaveh-Iereh ny anaran’io toerana io. Ary avy amin’izany ilay fitenenan’ny olona mandraka androany hoe: “Ho hita ihany izany any an-tendrombohitry ny Tompo.”

Ary ny Anjelin’ny Tompo niantso an’i Abrahama fanindroany tany an-danitra, ka nanao hoe: “Efa nianiana tamin’ny teniko Aho, hoy ny Tompo, fa noho ianao nanao izany sy tsy nandà fa nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao, ho Ahy, dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony. Amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.” Dia niverina nankeny amin’ny mpanompony i Abrahama ka niainga izy ireo niara-nandeha nankany Bersabea. Ary nonina tao Bersabea i Abrahama.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 114, 1-2. 3-4. 5-6. 8-9


Fiv.: Koa hizotra eo anatrehan’ny Tompo aho, any amin’ny tanin’ny velona.

Izaho tia ny Tompo, noho Izy mandre ny feoko mihanta: itongilanany sofina aho amin’ny andro iantsoako Azy!
Efa voagejan’ny rohin’ny fahafatesana aho, efa niantontàn’ny haraton’ny Seoly, tojo fahoriana sy ahiahy, ka niantso ny Anaran’ny Tompo.
Ny Tompo antra sy marina; ny Andriamanitray mahay mangoraka; ny Tompo Mpiaro ny olon-tsotra: osa aho ka novonjeny.
Eny, Ianao no manafaka ny aiko amin’ny fahafatesana, ny masoko amin’ny tomany, ny tongotro amin’izay manafintohina!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ry Tompo, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 9, 1-8


Nankalaza an’Andriamanitra ny vahoaka noho Izy nanome fahefana ny olona toy izany.

Tamin’izany andro izany, niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa, dia nita ka tonga tao an-tanànany. Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin’ny fandriany nentin’ny olona teo aminy. Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: “Matokia anaka, fa voavela ny helokao.” Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe: “Miteny ratsy an’Andriamanitra ilay io.” Fa i Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe: “Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? Inona no moramora kokoa, ny manao hoe: ‘Voavela ny helokao’, sa ny manao hoe: ‘Mitsangàna, ka mandehana?’ Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manam-pahefana etý an-tany hamela heloka”, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: “Mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.” Dia nitsangana izy ka nody tany an-tranony. Nony nahita izany ny vahoaka, dia natahotra sy nankalaza an’Andriamanitra noho Izy nanome ny olona fahefana toy izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin’ireto fanatitra masina ireto.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 102, 1

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!


na hoe:

Jo. 17, 20-21

Ray ô, hoy ny Tompo, mangataka ho azy ireo Aho, mba ho iray ao amintsika izy rehetra, ka hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.071