Sorona Masina ny Alatsinainy 27 jona 2022

Herinandro faha-13 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Sal. 46, 2


Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana.


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay aza avela ho rakotry ny haizin’ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin’ny fahazavan’ny fahamarinana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Knisty Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Amôsy Mpaminany

Amôs. 2, 6-10. 13-16


Irìny mafy ny hahita ny vovo-tany eo an-dohan’ny olona ory.

Izao no lazain’ny Tompo: Noho ny heloka telo nataon’i Israely sy noho ny efatra — tsy hahemotro ny didy. Satria namidiny vola ny marina; ary ny mahantra koa noho ny kapa iray lomisy; satria irìny mafy ny mahita ny vovo-tany eo an-dohan’ny olona ory; sy ataony izay hiketrahan’ny lalan’ny madinika; satria olo-mianaka izy samy mandeha amin’ny zazavavy iray ihany mba handotoany ny Anarako masina; satria lamba azony tamin’ny tsatoka no iamparany eny anilan’ny ôtely rehetra eny; ary ny divay avy tamin’izay nosaziny lamandy no sotroiny ao an-tranon’ny andriamaniny. Teo anoloan’izy ireo anefa no nandringanako ny Amôreanina izay avo be hoatra ny sedera, sy matanjaka hoatra ny oaka. Noravako avokoa ny voany teny ambony; sy ny fakany teo ambany. Nitondra anareo niakatra avy any amin’ny tany Ejipta anefa Aho, sy nitari-dalana anareo, efapolo taona tany an’efitra, mba hametrahako anareo ho tompon’ny tanin’ny Amôreanina. Indro Aho efa hanosihosy anareo, hoatra ny fanosihosin’ny sarety raha feno amboara. Ka ny faingam-pandeha, tsy ho afa-mandositra ary ny matanjaka, tsy hahita ny heriny intsony; ary ny mahery fo, tsy hahavonjy ny ainy; ary ny mpahay tsipîka tsy hahatohitra; ary ny faingan-tongotra, tsy ho afa-mitsoaka; ary ny mpitaingin-tsoavaly, tsy hahavonjy ny ainy. Ary ny mahery fo amin’ny mahery, handositra miboridana amin’izany andro izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 49, 16bd-17. 18-19, 20-21. 22-23


Fiv.: Mahafantara, ry mpanadino an’Andriamanitra!

Ahoana ianao no mitanisa ny didiko, sy manao ny Fanekeko eo am-bava; ianao mpankahala anatra sy mpanipy ny teniko any ivoho.
Raha sendra mpangalatra dia miombona aminy, sy mivarilena amin’ny mpijangajanga?... Ny vavanao mailaka amin’ny ratsy; ny lelanao fatra-pandrary fitaka.
Mivalaketraka ianao maneba-drahalahy, sy manoso-potaka ny zana-dreninao?... Izany ve no ataonao: ka dia hangina Aho! Sa Izaho heverinao ho toa anao? Aoka horeseko lahatra ianao sy hamborahako azy eto imasonao!
Koa mahafantara, ry mpanadino an’Andriamanitra. Ndrao viraviraiko tsy misy mpanafaka! Izay misorona saotra no hasaiko: ka hohetsahiko amin’ny vonjiko!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 18, 16-33


Hataonao maty miaraka amin’ny meloka koa ve ny marina?

Nitsangana handeha ireo lehilahy namangy an’i Abrahama tao Mambre, dia nitodika nankany Sôdôma; i Abrahama izany nandeha niaraka taminy koa hanatitra azy.

Ary hoy ny Tompo: “Hafeniko amin’i Abrahama va izay efa hataoko? I Abrahama anefa no ho tonga firenena lehibe sy mahery, sady aminy no hanasoavana ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany. Fa izy no voafidiko handidy ny zanany sy ny fianakaviany any aoriana mba hanaraka ny lalàn’ny Tompo amin’ny fitandremana ny rariny sy ny hitsiny; ka hanatanterahan’ny Tompo amin’i Abrahama ny soa nampanantenainy azy.” Dia hoy ny Tompo: “Mafy loatra ny fitarainana miakatra avy amin’i Sôdôma sy Gômôra, ary lehibe indrindra ny fahotan’izy ireo. Koa hidina Aho ary hizaha raha efa feno tokoa ny halehiben’ny fahotany araka ny fitarainana tonga hatratý amiko, ary raha mbola tsy feno dia ho hitako.”

Niainga ireo lehilahy ireo, ka nandeha nankany Sôdôma; fa i Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan’ny Tompo ihany. Ary nanatona i Abrahama ka nanao hoe: “Hataonao maty miaraka amin’ny meloka koa va ny marina? Angamba hisy olo-marina dimampolo ao an-tanàna ao ka hovonoina koa va ireny? Ary tsy hamindranao fo va ny tanàna noho ireo olo-marina dimampolo ireo, raha misy izany tokoa ao? Sanatria Anao izay hanao izany, ka hamono ny marina miaraka amin’ny olo-meloka. Sahala izany ny hahazo ny marina sy ny meloka! Sanatria Anao izany. Mpitsara ny tany rehetra ve ka tsy hitsara marina?” Hoy ny Tompo: “Raha mahita olo-marina dimampolo ao an-tanànan’i Sôdôma Aho, dia hamindra fo amin’ny tanàna manontolo noho ny fitiavako an’ireo.” Fa hoy indray i Abrahama: “Indro efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho, izaho vovoka sy lavenona foana. Angamba ho latsaka dimy ny dimampolo marina; ka dia haringanao ve ny tanàna manontolo, noho ny dimy?” Hoy Izy: “Tsy handringana azy Aho, raha mahita olo-marina dimy amby efapolo ao.”

Dia mbola niteny taminy ihany i Abrahama ka nanao hoe: “Angamba ho efapolo ny olo-marina ao.” Ary hoy Izy: “Tsy hanao izany Aho, noho ny fitiavako azy efapolo ireo.” Ary hoy i Abrahama: “Enga anie ka tsy hahatezitra ny Tompo, raha mbola miteny aho: Angamba telopolo izy no ho hita ao.” Dia hoy Izy: “Tsy hanao izany Aho raha telopolo no hitako ao.” Hoy i Abrahama: “Indro efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho, angamba roapolo izy no ho hita ao.” Ary hoy Izy: “Tsy handringana ny tanàna Aho raha roapolo izy.” Hoy i Abrahama: “Enga anie ka tsy ho tezitra ny Tompo, fa tsy hiteny intsony afa-tsy itý indray mandeha itý aho: Angamba folo izy no hita ao.” Dia hoy Izy: “Tsy handringana azy Aho noho ireo folo ireo.” Lasa nandeha ny Tompo nony tapi-niteny tamin’i Abrahama, ary i Abrahama kosa dia nody.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 102, 1-2. 3-4. 8-9. 10-11


Fiv.: Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko sy ny Anarany Masina, ry ato anatiko rehetra! Isaory ny Tompo, ry fanahiko! Aza misy hadinoina ny soa avy aminy!
Izy Ilay mamela ny helokao rehetra, manasitrana ny aretinao rehetra, manavotra ny ainao amin’ny lavaka, manototra hatsaram-po sy indrafo anao.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po! Tsy mba lalandava ny ifandaharany, na mandrakizay no irehetan’ny Fony.
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika: na araka ny helotsika no avaliny antsika! Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany, no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 8, 18-22


Manaraha Ahy.

Tamin’izany andro izany, nony hitan’i Jesoa ny hamaroan’ny olona nanodidina Azy, dia nasainy hampitaina eny an-dafin-drano Izy. Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona nilaza taminy hoe: “Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao.” Ary hoy i Jesoa taminy: “Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany, fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.” Ary ny anankiray tamin’ny mpianany koa nilaza taminy hoe: “Tompoko, avelao aho aloha handeha handevina ny raiko”; fa hoy i Jesoa taminy: “Manaraha Ahy, fa avelao ny maty handevina ny maty ao aminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin’ireto fanatitra masina ireto.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 102, 1

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!


na hoe:

Jo. 17, 20-21

Ray ô, hoy ny Tompo, mangataka ho azy ireo Aho, mba ho iray ao amintsika izy rehetra, ka hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0907