Sorona Masina ny Alahady 26 jona 2022

ALAHADY FAHA-13 mandavantaona — D

IZAY MANARA-DIA AN’I JESOA NO TENA OLONA AFAKA

Tononkira fidirana

Sal. 46, 2

Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay: aza avela ho rakotry ny haizin’ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin’ny fahazavan’ny fahamarinana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky voalohan’ny Mpanjaka

1 Mpanj. 19, 16. 19-21

Niainga i Elisea ka nanaraka an’i Elia.

Tamin’izany andro izany, hoy ny Tompo tamin’i Elia: “Hosory ho mpaminany handimby anao i Elisea zanak’i Safata, avy any Abela Meholà”. Nony niala teo i Elia, dia nahita an’i Elisea, zanak’i Safata niasa tany. Omby efatra amby roapolo tsiroaroa no teo alohany, ka teo amin’ny faharoa ambin’ny folo laharana izy. Nanatona azy i Elia sady natsipiny taminy ny akanjobeny. Nilaozan’i Elisea ny ombiny, dia nihazakazaka nanaraka an’i Elia izy, nanao hoe: “Aoka handeha hanoroka an’i Dada sy i Neny aho, dia hanaraka anao”. Ary hoy i Elia taminy: «Mandehana miverina, fa maninona anao moa aho?” Dia niala teo aminy i Elisea, ka nalainy ny omby roa mikambana sy novonoiny, ary ny jiogan’ny omby no nandrahoany ny henany, ary nomeny hohanin’ny olona izany, vao niainga izy nanaraka an’i Elia sy nanompo azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 15, 1-2a sy 5. 7-8. 9-10.11.


Fiv.: Ny Tompo no zara lovako sy kapoakako.

Andriamanitra ô, ambeno aho mifefy aminao! Ianao, ho’aho, ry Tompo, no Andriamanitra; Ianao no hasambarako: eny, Ianao dia Ianao! Ny Tompo ny ahy no zara lovako; Ianao no rakitro mateza.
Isaorako ny Tompo manolo-tsaina ahy, alina avy ny foko no toroany. Ataoko eo anoloana hatrany ny Tompo, izaho tsy hiala eo ankavanany. Koa faly ny foko, ravo ny fanahiko, ny nofoko avy no mandry amin-toky.
Ny fanahiko tsy hafoinao ho any an-tSeoly, ity sakaizanao tsy hekenao hahita ny hady: fa ny lalan’ny fiainana no hatoronao ahy: hafenoam-pifaliana eo anoloanao, hafinaretan-dava eo ankavananao.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia

Gal. 5, 1. 13-18


Voaantso ho amin’ny fahafahana ianareo.

Ry kristianina havana, efa navotan’i Kristy ho amin’ny fahafahana isika, ka mijoroa amin’izany, fa aza mety ampidirina amin’ny jiogan’ny fanandevozana intsony. Efa voaantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry kristianina havana, kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon’ny namany avy. Fa ny Lalàna rehetra dia ao anatin’ny teny tokana hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana. Izao àry no lazaiko: mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filàn’ny nofo ianareo. Fa ny nofo manam-pilana mifanohitra amin’ny an’ny fanahy, ary ny fanahy manana ny azy mifanohitra amin’ny an’ny nofo: koa mifanohitra izy roroa, hany ka tsy mahefa izay tianareo ianareo. Raha tarihin’ny Fanahy anefa ianareo, dia tsy mba ambanin’ny Lalàna intsony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hanazava ny fontsika anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 9, 51-62

Nanapa-kevitra hankany Jerosalema i Jesoa. Teny an-dalana dia nisy nilaza taminy hoe: Hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao.

Nony efa antomotra ny andro tsy maintsy hanalana an’i Jesoa, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy, ka nandefa iraka hialoha Azy. Dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ny tanàna anankiray tany amin’ny Samaritanina, mba hanomana ny fandraisana Azy; fa tsy nisy nandray Azy ny olona, satria olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy. Nony nahita izany i Jakôba sy i Joany mpianany dia nanao hoe: “Tompoko, tianao va raha asainay ilatsahan’ny afo avy any an-danitra izy handevona azy?” Fa nitodika Izy ka nananatra azy mafy hoe: “Tsy fantatrareo mantsy izay tokony ho fanahinareo. Ny Zanak’Olona anie tsy tonga hamery ny olona fa hamonjy azy”. Dia nankany amin’ny vohitra hafa izy ireo. Raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia nisy olona anankiray nilaza taminy hoe: “Hanaraka Anao aho, na aiza na aiza halehanao”. Fa hoy i Jesoa taminy: “Ny amboadia manan-davaka, ary ny voro-manidina manana akany; fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany”. Ary hoy Izy tamin’ny anankiray hafa: “Manaraha Ahy”. Dia izao no navalin’io: “Aoka aloha, Tompoko, handevina ny raiko aho”. Fa hoy i Jesoa taminy: “Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy, fa ianao kosa mandehana mitory ny Fanjakan’Andriamanitra”. Dia nisy iray hafa koa nanao taminy hoe: “Hanaraka Anao aho, Tompoko, fa aoka aloha hanao veloma ny ao an-tranoko aho”. Fa hoy i Jesoa taminy: “Rehefa mety ho mpitana angadin’omby miherika, dia tsy sahaza ny Fanjakan’Andriamanitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, henontsika tamin’ny Evanjely teo i Jesoa niakatra ho any Jerosalema hijaly: mpanara-dia Azy isika, koa atolory hikambana amin’ny Sorona ataony ny hazofijaliantsika, hahasoa ireo sokajin’olombelona anaovantsika ranombavaka izao.

Valy: O ry Jesoa Kristy Tompo ô, harahiko Ianao na aiza na aiza.

* Mivavaha ho an’ny Eglizy mba hiharihary fa mpanafaka ny olombelona tokoa amin’ny fangejàn’ny fahotana sy ny haratsiana rehetra izy.
* Mivavaha ho an’ireo rehetra manana adidy amin’ny vahoaka eto an-tany, mba hahefany ny adidiny aminkerim-po sy hahavonona azy hijaly sy hihafy rehefa ilaina.
* Mivavaha ho an’ireo tian’Andriamanitra hantsoina hanao ny raharahany, mba ho Apôstôly mahafoy tena izy, hahazaka ny hazofijaliany, ary tsy hiverina ilalana.
* Miaraha isika mivavaka ho an’ny mpitondra fanjakana eto amintsika amin’izao fankalazana ny fahaleovantenam-pirenentsika izao, mba hampian’Andriamanitra izay fiezahany hampandroso ny vahoaka iadidiany.
* Ary mivavaha ho an’ny firenentsika, mba hahaizantsika miara-miasa amin’Andriamanitra hikatsaka ny soa iombonana, ka hifankatia sy hiadana marina tokoa anatin’ny tena fahafahana ny ambanilanitra.
* Mivavaha ho antsika tafangona eto mba ho tena olona afaka tokoa, ka ho mpamafy hasambarana isika avy eto indrindra fa ireo havantsika tsy afaka nivavaka hahitany fa mahasambatra ny manara-dia an’i Kristy.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, ampianaro izahay hanaja ny maha-olona ny namanay eo am-pitorianay ny Evanjely, ary tohano hery hahafoy sy hahari-pery, ireo nofidinao manokana ho irakao eo amin’ny olombelona.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin’ireto fanatitra masina ireto.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra I, ohatra.


Kômonio

Sal. 102, 1

Isaory ny Tompo, ry fanahiko; isaory, ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!


na hoe:

Jo. 17, 20-21

Ray ô, hoy ny Tompo, mangataka ho azy ireo Aho, mba ho iray ao amintsika izy rehetra, ka hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa, ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany, ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083