Sorona Masina ny Alatsinainy 20 jona 2022

Herinandro faha-12 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Sal. 27, 8-9


Ny Tompo no herin’ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.


Fangatahana

Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin’ny fitiavana Anao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky faharoan’ny Mpanjaka

2 Mpanj. 17, 5-8. 13-15a. 18


Tezitra indrindra tamin’i Israely ny Tompo, ka nesoriny tsy ho eo imasony izy. Ny fokon’i Jodà irery no sisa.

Tamin’izany andro izany, notetezin’i Salmanazara mpanjakan’i Asiria avokoa ny tany, dia niakatra hamely an’i Samaria izy, ka nanao fahirano azy telo taona. Nony tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Osea dia azon’ny mpanjakan’i Asiria i Samaria, ka nentiny ho babo tany Asiria i Israely namponeniny tany Halà, teo amoron’ny Habôra, ony any Gôsàna, ary teny amin’ny tanànan’ny Meda. Izany no tonga, dia noho ny zanak’i Israely nanota tamin’Andriamanitra Tompony izay nitondra azy niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, avy teo ambanin’ny fahefan’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, sy noho izy ireo natahotra andriamani-kafa. Narahin’izy ireo ny fombam-pivavahan’ireo firenena izay noroahin’ny Tompo teo anoloan’ny zanak’i Israely, sy ny fomba noforonin’ny mpanjakan’i Israely. Nitsangan-ko vavolombelona anefa ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany sy ny mpahitany niampanga an’i Israely sy i Jodà nanao hoe: “Miverena avy amin’ny lalan-dratsinareo, ka tandremo ny didy amam-pitsipiko, amim-panarahana ny lalàna manontolo, nandidiako ny razanareo sy ny nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko, ho any aminareo.” Fa tsy nihaino izany izy ireo, fa nanamafy ny hatony, toy ny razany izay tsy nino ny Tompo Andriamanitra. Nolaviny ny lalàny amam-panekem-pihavanana nataony tamin’ireo razany mbamin’ny teni-vavolombelona niampangany azy ireo. Dia tezitra indrindra tamin’i Israely ny Tompo, ka nesoriny tsy ho eo imasony intsony izy. Ny fokon’i Jodà irery no sisa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 59, 3. 4-5. 12-13.


Fiv.: Ny tananao, aoka hamonjy anay, ry Tompo.

Andriamanitra ô, narianao izahay, nopotehinao! Tezitra Ianao ka nihataka lavitra.
Nohozoninao ny tany, notresahinao: mivava izy, ka amboary fa mihotsaka! Nataonao nahita ny mafy ny vahoakanao; nobobohanao fisotro mampandraingiraingy izahay.
Ry Andriamanitra izay nahary anay, sy tsy miara-mivoaka amin’ny tafikay intsony? Vonjeo amin’ilay Rafy izahay; fa ny vonjy avy amin’olombelona, tsy misy antony.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 12, 1-9


Niainga i Abrahama araka ny tenin’ny Tompo taminy.

Tamin’izany andro izany, ny Tompo niteny tamin’i Abrahama nanao hoe: “Mialà amin’ny taninao sy amin’ny fianakavianao ary amin’ny tranon-drainao mba ho any amin’ny tany hasehoko anao. Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao. Ho tonga fanasoavana ianao; ny manasoa anao hohasoaviko, ny manozona anao hozoniko, ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.”

Dia niainga i Abrahama araka ny tenin’ny Tompo taminy, ary niara-nandeha taminy koa i Lôta. Efa dimy amby fitopolo taona i Abrahama fony izy niala tany Haràna. Nentiny i Sarà vadiny, sy i Lôta zana-drahalahiny ary ny harena rehetra nananany mbamin’ny mpanompo azony tany Haràna, dia niainga ho any amin’ny tany Kanaàna izy ireo, ka tonga tany amin’ny tany Kanaàna izy. Dia namaky ny tany i Abrahama, hatrany amin’ny fitoerana atao hoe Sikema, hatrany amin’ny terebintan’i Môre. Ny Kananeana tamin’izay no nitoetra tamin’ny tany. Niseho tamin’i Abrahama ny Tompo ka nanao hoe: “Homeko ny taranakao itý tany itý.” Ary teo i Abrahama nanorina ôtely ho an’ny Tompo izay niseho taminy. Nifindra avy eo izy ho any amin’ny tendrombohitra ao atsinanan’i Betela, dia niorin-day izy, ka i Betela teo andrefany ary i Hay teo atsinanany. Ary nanorina ôtely ho an’ny Tompo izy teo, ka niantso ny Anaran’ny Tompo. Dia nandroso ihany i Abrahama nifindrafindra lasy nianatsimo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 32, 12-13. 18-19. 20 sy 22


Fiv.: Sambatra ny firenena nofidin’ny Tompo ho lovany.

Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony, sy ny vahoaka nofidiny ho lovany... Any an-danitra ny Tompo mitazana: hitany avokoa ny zanak’olombelona.
Indro ny mason’ny Tompo amin’izay matahotra Azy, sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana sy hamelona azy amin’ny tao-mosarena!
Ny fanahinay manantena ny Tompo: Mpitahy anay Izy sy ampinganay! Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo, araka ny itokianay Anao!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 7, 1-5


Esory aloha ny sakamandimby izay eo amin’ny masonao.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo; fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa. Ary nahoana ianao no mahita ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa tsy mahita ny sakamandimby izay eo amin’ny masonao? Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: “Avelao hesoriko ny tapak’ahitra amin’ny masonao”, nefa indro fa misy sakamandimby eo amin’ny anao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby izay ao amin’ny masonao, ary rahefa izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, itý sorom-pifonana sy fiderana itý ary enga anie hanadio anay ny fahasoavana avy aminy ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 144, 15

Any aminao avokoa ny mason’ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony ara-potoana.


na hoe:

Jo. 10, 11-15

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko Aho.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy Ra masin’i Kristy koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao ho antoky ny fanavotana anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0657