Sorona Masina ny Zoma 17 jona 2022

Herinandro faha-11 mandavantaona

ZOMA


Tononkira fidirana

Sal. 26, 7. 9


Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Tongava hamonjy ahy, aza manary ahy, aza mahafoy ahy, ry Andriamanitra Mpamonjiko.


Fangatahana

Ry Andriamanitra be fiantra ô, Ianao no andry iankinan’izay manantena Anao; ka atreho ny vavaka ataonay: ary raha tsy Ianao, tsy mahefa na inona na inona izahay fa nofo sy ra ka ombao fahasoavana mandrakariva hitandrina ny didinao mba hifanaraka amin’ny sitraponao na ny hevitray na ny asanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky faharoan’ny Mpanjaka

2 Mpanj. 11, 2-4. 9-18. 20


Nohosoran’ny vahoaka i Jôasa, ary natoany hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka.

Tamin’izany andro izany, nony hitan’i Atalia renin’i Okôziasa fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak’andriana rehetra. Fa i Jôsabà zanakavavin’i Jôrama mpanjaka, sy anabavin’i Okôziasa, naka an’i Jôasa zanak’i Okôziasa kosa, sy nanatsoaka azy teo amin’ny zanak’andriana, izay novonoin’ny olona, ary nametraka azy mbamin’ny mpitaiza azy, tao an’efitra fitoeram-parafara, ka voaafina tsy hitan’ny mason’i Atalia, ka tsy novonoina izy. Enin-taona no nieren’izy sy i Jôsabà tao an-tranon’ny Tompo. Ary i Atalia no nanjaka tamin’izany. Tamin’ny taona fahafito, i Jôiadà naniraka haka ny tompon-jaton’ny Kariana sy ny mpihazakazaka ary nasainy hanatona azy ao an-tranon’ny Tompo. Nanao fanekena tamin’izy ireo izy, ka nony efa nampianiana azy tao an-tranon’ny Tompo izy, dia nasehony azy itý zanaky ny mpanjaka.

Notanterahin’ny tompon-jato avokoa ny didy nomen’i Jôiadà mpisorona azy. Samy naka olom-pehezina avy izy ireo, na ny milatsaka amin’ny fanompoana amin’ny andro sabata, na ny miala amin’ny fanompoana amin’ny andro sabata, dia nankany amin’i Jôiadà mpisorona. Natolotry ny mpisorona ny tompon-jato ny lefona aman’ampinga izay an’i Davida mpanjaka, sy nipetraka tao an-tranon’ny Tompo. Samy nitam-piadiana ny mpihazakazaka dia nilahatra hatramin’ny lafin-trano ao ankavanana, ka hatramin’ny lafiny havia, akaikin’ny ôtely, sy akaikin’ny trano, hany ka voahodidiny ny mpanjaka. Naroson’ny mpisorona ny zanaky ny mpanjaka, ka nataony teo aminy ny diadema sy ny vavolombelona. Natsangany ho mpanjaka izy, ary nohosorany ka sady nitehaka ny olona no niantso hoe: “Ho ela velona anie ny mpanjaka.”

Nony nandre ny fihahohahon’ny mpihazakazaka sy ny vahoaka i Atalia dia nankao amin’ny vahoaka izy, ao an-tranon’ny Tompo. Nijery izy ka intý ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny lampihazo araka ny fanao. Teo anilan’ny mpanjaka ny lehibe sy ny mpitsoka trômpetra, ary faly ny vahoaka rehetra, ary nitsoka trômpetra ny olona. Dia nandrovitra ny fitafiany i Atalia, ka niantso hoe: “Teti-dratsy! Teti-dratsy!” Tamin’izay i Jôiadà mpisorona nanome didy ny tompon-jato mpifehy ny foloalindahy ary nilaza taminy hoe: “Ento izy eo anelanelan’ny laharanareo hivoaka ny trano, ary vonoy amin’ny sabatra izay manaraka azy na iza na iza.” Satria ny mpisorona efa nilaza hoe: Aza vonoina eto an-tranon’ny Tompo izy. Dia nihataka teo an-daniny roa ny olona, dia nandeha tamin’ny lalana fidiran-tsoavaly ho ao amin’ny lapan’ny mpanjaka ravehivavy, ka teo no namonoana azy.

Nampanaovin’i Jôiadà fanekena tamin’ny Tompo sy ny mpanjaka àry ny vahoaka, ny tsy maintsy hahavahoakan’ny Tompo azy ireo. Ary nampanaoviny fanekena koa ny mpanjaka sy ny vahoaka. Ny vahoaka rehetra tamin’ny tany dia niditra tao amin’ny tranon’i Baala ka noravany; ny ôtely aman-tsary nomontsaniny, ary i Matàna mpisoron’i Baala novonoiny teo anoloan’ny ôtely. Ary i Jôiadà mpisorona nametraka mpiambina tao an-tranon’ny Tompo. Nifaly avokoa ny vahoaka rehetra tamin’ny tany, nandry fehizay ny tanàna, ary novonoina tamin’ny sabatra tao an-tranon’ny mpanjaka i Atalia.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 131, 11-12. 13-14. 17-18


Fiv.: Ny Tompo nifidy an’i Siôna izay tiany hatao fonenana.

Hoy ny Tompo raha nianiana teo imason’i Davida: Ho an’izay haterakao ny seza fiandriananao. Ny taranany aoriana koa handimby azy eo, raha mitandrina ny didy sy manaja ny fanekena.
Fa ny Tompo dia nifidy an’i Siôna mba ho Azy; ka ataony Fitsaharany honenany hatrany. Fitsaharana maharitra ka tiako lalandava.
Ka hataoko masin-teny sy malaza i Davida. Hanomanako fanilo ilay Voahosotro hanjaka. Ary hataoko safo-kenatra izay mety ho fahavalony, ka hamiratra eo an-kandriny ny satro-boninahiny.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

2 Kôr. 11, 18. 21b-30


Tsy hamisavisa zavatra maro aho fa eo koa ny fiahiana isan’andro sy ny fikarakarana ny Fiangonana

Ry kristianina havana, be no mirehareha araka ny nofo, ka dia mba hirehareha koa aho. Izay sahin’ny olona anefa, miteny toy ny adala aho, dia mba sahiko koa. Hebrio va izy ireo? izaho koa; Israelita va izy? izaho koa; taranak’i Abrahama va izy? izaho koa; mpandraharahan’i Kristy va izy? hiteny toy ny olona very saina aho, eny mihoatra noho izy aho amin’izany, dia amin’ny fisasarana manan-tombo, amin’ny tranomaizina manan-tombo, amin’ny kapoka manan-tombo lavitra, amin’ny fahafatesana matetika. Indimy aho, nokapohin’ny Jody inefapolo latsaka iray avy; intelo nokapohina rotsa-kazo; indray maka, notoraham-bato; intelo, vaky sambo; indray andro sy indray alina, tao an-davaka lalina. Tany am-pivahiniana imbetsaka, matetika no saiky nidiran-doza, dia loza tamin’ny ony, loza tamin’ny jiolahy, loza tamin’ny iray firenena amiko, loza tamin’ny jentily, loza tao an-tanàna, loza tany an’efitra, loza tany amin’ny ranomasina, loza tamin’ny rahalahy sandoka; tamin’ny famonoan-tena sy fikelezana aina, tamin’ny fiaretan-tory matetika, tamin’ny hanoanana aman-ketaheta, tamin’ny fifadian-kanina matetika, tamin’ny hatsiaka amam-pitanjahana. Tsy hamisavisa zavatra maro aho, fa fanampin’izany, eo koa ny fiahiana isan’andro sy ny fikarakarana ny Eglizy rehetra. Iza no malemy ka tsy malemy koa aho? Zovy no tafintohina ka tsy mirehitra koa aho? Raha mety ny mirehareha, dia ny amin’ny halemeko no hataoko rehareha.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 33, 4-5. 6-7.


Fiv.: Ny olo-marina esorin’ny Tompo amin’ny ahiahiny rehetra.

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra; eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy. Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko: mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Mankalazà ny Tompo miaraka amiko; miaraha isika midera ny Anarany! Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny; ny tahotro rehetra nalàny tamiko.
Mibanjîna Azy fa ho mirana; ny tavanareo tsy hangaihay. Itý ory: velona antso ka novalian’ny Tompo; ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 6, 19-23


Miharia harena ho anareo any an-danitra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Aza mihary harena ho anareo etý an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra; fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenao no itoeran’ny fonao koa. Ny maso no jiron’ny tena: raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra; fa raha ratsy kosa ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra, ka raha zary maizina àry ny fahazavana izay eo amin’ny tenanao, fahamaizinana manao ahoana izany!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, ireto fanatitra ireto no amelomanao sy anavaozanao ny olombelona; koa mihanta aminao izahay: enga anie tsy ho diso anjara amin’ny soa ateraky ny Sakramenta ny fanahy amam-batanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 26, 4

Ny zava-tokana angatahiko amin’ny Tompo ary katsahiko indrindra, dia ny honina ao an-tranon’ny Tompo amin’ny andro rehetra hiainako.


na hoe:

Jo. 17, 11

Ry Ray Masina ô, tahirizo amin’ny Anaranao ireo nomenao Ahy mba ho iray tahaka antsika, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Manambara ny firaisan’ny mpino ao aminao, ry Tompo, ny Kômonio masina nomenao, ka enga anie ho tonga lafatra ny firaisanay ao amin’ny Eglizinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0085