Sorona Masina ny Talata 14 jona 2022

Herinandro faha-11 mandavantaona

TALATA

 

Tononkira fidirana

Sal. 26, 7. 9

 

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Tongava hamonjy ahy, aza manary ahy, aza mahafoy ahy, ry Andriamanitra Mpamonjiko.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra be fiantra ô, Ianao no andry iankinan’izay manantena Anao; ka atreho ny vavaka ataonay: ary raha tsy Ianao, tsy mahefa na inona na inona izahay fa nofo sy ra ka ombao fahasoavana mandrakariva hitandrina ny didinao mba hifanaraka amin’ny sitraponao na ny hevitray na ny asanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky voalohan’ny Mpanjaka

Mpanj. 21, 17-29

 

Nampanota an’i Israely ianao.

Taorian’ny nahafatesan’i Nabôta, dia tonga tamin’i Elia Tesbita ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “Mitsangàna ianao, ka midìna hihaona amin’i Akaba mpanjakan’i Israely, manjaka ao Samaria. Ao an-tanim-boalobok’i Nabôta ao izy izao, fa nidina nankany haka izany ho azy. Ka mitenena aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo: Moa tsy namono va ianao sy naka lovan’olona koa? Dia hiteny aminy ianao hoe: Izao no lazain’ny Tompo: Eo amin’ny toerana nilelafan’ny alika ny ran’i Nabôta ihany no hilelafan’ny alika ny ran’ny tenanao koa.” Ary hoy i Akaba tamin’i Elia: “Azonao va aho, ry ilay fahavaloko?” Ka hoy ny navaliny: “Azoko ianao, satria nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’ny Tompo ianao. Indro aho hahatonga loza aminao: hataoko mafafa ianao, haringako ny lehilahy rehetra an’i Akaba na ny mpanompo, na ny olona afaka, amin’i Israely, ka dia hampanahafiko ny tranon’i Jerôbôama zanak’i Nebata sy ny tranon’i Ahiasa, ny tranonao, satria nihaika ahy hitezitra ianao, sady nampanota an’i Israely. I Jezabela koa, nasian’ny Tompo teny hoe: Hohanin’ny alika eny akaikin’ny hadin’i Jezrahela i Jezabela. Izay an’ny tranon’i Akaba ka maty an-tanàna, dia hohanin’ny alika, ary ny maty an-tsaha kosa, hohanin’ny voro-manidina.”

Fa tena tsy nisy nivaro-tena toa an’i Akaba hanao izay ratsy eo imason’ny Tompo, satria i Jezabela vadiny no namporisika azy. Nanao toe-pitondran-tena vetaveta indrindra izy tamin’ny nandehanany amin’ny sampy, araka ny fomba rehetra fanaon’ny Amôreanina, izay noroahin’ny Tompo teo anoloan’ny zanak’i Israely.

Kanjo nony nandre ny tenin’i Elia i Akaba dia norovitiny ny fitafiany, lasàka no natafiny ny tenany, nifady hanina izy, nentiny nandry ny lasàka, ary nitsilasilasy fandeha izy. Ka dia tonga tamin’i Elia Tesbita ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “Efa hitanao va ny nanetren’i Akaba ny tenany teo anatrehako? Ka noho izy nanetry tena teo anatrehako, dia tsy hahatonga loza amin’ny androny kosa Aho fa amin’ny andron-janany vao hahatonga loza amin’ny tranony Aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 50, 3-4. 5-6a. 11 sy 16.

 

Fiv.: Iantrao aho, ry Andriamanitra, araka ny hatsaram-ponao.

Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra, fa Ianao manko lalim-pitiavana. Mba koseho re ny heloka vitako, dia diovy aho hiala amin’ny otako.
Efa niaiky hadisoana ny tenako, eo imasoko hatrany ny otako. Taminao aho no diso, Andriamanitro; fantatrao avokoa ny kilemako.
Mba esory eo imaso ny otako, dia koseho tsy ho hita ny heloko. Mba fafao amin’izay ny tomaniko, hilazako fa Ianao no hany marina.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

2 Kôr. 8, 1-9

 

Tonga mahantra i Kristy noho ny aminareo.

Ry kristianina havana, mampandre anareo izahay, fa izao no fahasoavan’Andriamanitra nomena ny Eglizy any Masedônia. Na dia lehibe aza ny fahoriana nizahan-toetra azy, dia feno hafaliana izy ireo; ary na dia lalina aza ny fahantrana nahazo azy, dia nahafoy harena be tamin-katsaram-po izy. Vavolombelona aho fa an-tsitra-po tokoa no nahafoizany araka izay zakany, eny mihoatra noho izay zakany aza, fa niangavy mafy taminay izy mba hanana anjara amin’izany fanampiana ny olo-masina izany. Koa sady nahatò ny fanantenanay izy no nitolo-tena tamin’ny Tompo aloha, vao taminay koa, noho ny fahasoavan’Andriamanitra. Izany no niangavianay an’i Tito mba hanatanteraka izany fahasoavana izany atý aminareo, noho izy efa hanomboka izany rahateo. Aoka ho araka ny fahambonianareo amin’ny zavatra rehetra, dia amin’ny finoana, amin’ny teny, amin’ny fahalalana, amin’ny fahazotoana na amin’inona na amin’inona, ary amin’ny fitiavana anay, no ho fahambonianareo koa amin’itý fahasoavam-piantrana itý. Tsy didy omeko anefa izany, fa fanararaotako ny zotom-pon’ny sasany hoenti-mitsapa ny hamarinan’ny fitiavanareo. Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa na dia mpanan-karena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo amin’ny fahantrany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 145, 2. 5-6. 7. 8-9a.

 

Fiv.: Midera ny Tompo aho raha mbola velona aina.

Izaho midera ny Tompo, raha mbola velona aina,
miantsa ny Andriamanitro, raha mbola misy koa!
Sambatra izay manana ho Mpitahy ny Andriamanitr’i Jakôba;
sy mametraka ny tokiny amin’ny Andriamanitra Tompony.

Ilay nanao ny lanitra, ny tany sy ny riaka,
sy izay rehetra ao amin’ireny!
Ilay mitandrina mandrakariva ny fahamarinana,
sy manome rariny ny ampahoriana!
Ilay mamahana ny noana, Tompo mamaha ny mpifatotra.

Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitraka ny miondrika,
Tompo Mpiaro ny vahiny.
Tohan’ny kamboty sy ireo mpitondratena.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 5, 43-48

 

Tiavo ny fahavalonareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Efa renareo fa voalaza hoe: Ho tia ny namanao ianao ary hankahala ny fahavalonao. Fa Izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo manaova soa amin’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo; mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo, dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina. Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa ho azonareo? Moa va na dia ny poblikanina aza tsy manao izany koa? Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no mihoatra amin’ny ataonareo? Moa na dia ny jentily aza tsy mba manao izany ihany koa? Koa aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, ireto fanatitra ireto no amelomanao sy anavaozanao ny olombelona; koa mihanta aminao izahay: enga anie tsy ho diso anjara amin’ny soa ateraky ny Sakramenta ny fanahy amam-batanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 26, 4

Ny zava-tokana angatahiko amin’ny Tompo ary katsahiko indrindra, dia ny honina ao an-tranon’ny Tompo amin’ny andro rehetra hiainako.

 

na hoe:

Jo. 17, 11

Ry Ray Masina ô, tahirizo amin’ny Anaranao ireo nomenao Ahy mba ho iray tahaka antsika, hoy ny Tompo.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Manambara ny firaisan’ny mpino ao aminao, ry Tompo, ny Kômonio masina nomenao, ka enga anie ho tonga lafatra ny firaisanay ao amin’ny Eglizinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0922