Sorona Masina ny Alatsinainy 13 jona 2022

Herinandro faha-11 mandavantaona

ALATSINAINY

 

Tononkira fidirana

Sal. 26, 7. 9

 

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Tongava hamonjy ahy, aza manary ahy, aza mahafoy ahy, ry Andriamanitra Mpamonjiko.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra be fiantra ô, Ianao no andry iankinan’izay manantena Anao; ka atreho ny vavaka ataonay: ary raha tsy Ianao, tsy mahefa na inona na inona izahay fa nofo sy ra ka ombao fahasoavana mandrakariva hitandrina ny didinao mba hifanaraka amin’ny sitraponao na ny hevitray na ny asanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky voalohan’ny Mpanjaka

1 Mpanj. 21, 1-16

 

Notoraham-bato i Nabôta ka maty.

Tamin’izany andro izany, nanana tanim-boaloboka anankiray i Nabôta avy ao Jezrahela, ary teo akaikin’ny lapan’i Akaba mpanjakan’i Samaria izany. Ka niteny tamin’i Nabôta i Akaba nanao hoe: “Avelao mba ho ahy ny tanim-boalobokao, hataoko fambolem-boaloboka tsara noho izy no homeko ho takalony, na vola araka izay vidiny, raha izany no sitrakao.” Fa hoy i Nabôta namaly an’i Akaba: “Hampanalavirin’ny Tompo ahy anie ny hanome ny lova avy amin’ny razako.” Nody tany an-tranony i Akaba, nanjombona sy sosotra noho itý teny nolazain’i Nabôta avy any Jezrahela taminy hoe: Tsy omeko ny lova avy amin’ny razako. Dia nandry tao am-parafarany izy nampiamboho ny tavany ary tsy nihinan-kanina.

Fa nankeo aminy i Jezabela vadiny, ka nanao taminy hoe: “Nahoana no manjombona ny fanahinao ary tsy homan-kanina ianao?” Ary hoy ny navaliny azy: “Niteny tamin’i Nabôta avy any Jezrahela aho, nanao taminy hoe: “Avelao hovidiko vola ny tanim-boalobokao, na hotakalozako tanim-boaloboka hafa, raha aleonao izany.” Fa hoy izy hoe: “Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko.” Dia hoy i Jezabela vadiny taminy: “Moa tsy ianao va no tompon’ny fanjakana amin’i Israely ankehitriny? Koa miarena, hano ny hanina, ary aoka hifaly ny fonao, fa tenako no hanome anao ny tanim-boalobok’i Nabôta avy ao Jezrahela.” Dia nanoratra taratasy tamin’ny anaran’i Akaba izy, nasiany tombo-kasen’ny mpanjaka, nalefany ho amin’ny loholona sy ny andriam-baventy ao an-tanàna miara-monina amin’i Nabôta. Ary izao no nosoratany ao amin’ny taratasy: “Miantsoa andro fifadian-kanina ka apetraho eo alohan’ny vahoaka i Nabôta ary manangàna olon’i Beliala roa lahy eo anatrehany hiampanga azy toy izao: ‘Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka ialahy!’ Dia ento mankany ivelany izy, ka torahy vato ho faty.”

Nanao araka izay nanirahan’i Jezabela holazaina aminy araka izay voasoratra amin’ny taratasy nampitondrainy azy, ny olona tao an-tanànan’i Nabôta, ny loholona sy ny andriam-baventy nonina tao an-tanànany. Niantso andro fifadian-kanina izy, napetrany teo alohan’ny vahoaka i Nabôta, ary nandroso ho eo anatrehany ny olona roa lahy zanak’i Beliala. Ary niampanga an’i Nabôta nanao hoe: “Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabôta!” Dia nentin’izy ireo nankany ivelan’ny tanàna izy, notoraham-bato ka maty. Dia naniraka tany amin’i Jezabela izy ireo, nilaza hoe: “Notoraham-bato i Nabôta ka maty.” Nony ren’i Jezabela fa notoraham-bato i Nabôta ka maty, dia hoy izy tamin’i Akaba: “Mitsangàna ka alao ho anao ny tanim-boalobok’i Nabôta avy any Jezrahela izay nolaviny tsy hamidiny vola taminao, fa efa tsy velona intsony i Nabôta, fa efa maty izy.” Rahefa ren’i Akaba fa hoe maty i Nabôta, dia niainga izy, nidina nankany amin’ny tanim-boalobok’i Nabôta avy ao Jezrahela haka izany ho azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 5, 2-3. 5-6. 7.

 

Fiv.: Mba henoy ny fitarainako, ry Tompo.

Tompo ô, mba henoy ny teniko, mba fantaro ny eritreritro! Ry Mpanjaka sy Andriamanitra ô! mandrenesa ny feoko miantso!
Tsia, tsy mba Andriamanitra tia ratsy Ianao; ny olon-dratsy tsy mba monina ao aminao; ny adala tsy mijoro eo anoloan’ny masonao, ny mpanao ratsy rehetra tsy tohanao.
Ny mpiteny lainga levoninao; ny tia ra, ny mpamitaka, halan’ny Tompo.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

2 Kôr. 6, 1-10

 

Aoka isika hitondra tena toy ny mpandraharahan’Andriamanitra

Ry kristianina havana, noho izahay mpiara-miasa amin’Andriamanitra, dia mihanta aminareo izahay mba tsy handray foana ny fahasoavan’Andriamanitra ianareo; fa hoy Izy: “Tamin’ny fotoana tsara, nihaino anao Aho, ary tamin’ny androm-pamonjena namonjy anao Aho”; indro, ankehitriny ny fotoana tsara; indro, ankehitriny ny androm-pamonjena sady tsy avelanay hisy manafintohina izay rehetra ataonay, mba tsy ho azo tsinîna ny fandraharahanay, fa mainka ny zavatra rehetra entinay hahamendrika ny tenanay araka ny mety amin’ny mpandraharahan’Andriamanitra: dia faharetana lehibe amin’ny fahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fahantrana, amin’ny kapoka, amin’ny tranomaizina, amin’ny tabataba, amin’ny fisasarana, amin’ny fiaretan-tory, amin’ny fifadian-kanina; ary fahadiovan-toetra, fahalalana, faharetam-po, hamoram-panahy, ny Fanahy Masina, fitiavana tsy mihatsaravelatsihy, tory teny marina, ny herin’Andriamanitra, ny fiadian’ny fahamarinana, na amin’ny ankavanana na amin’ny ankavia; na omem-boninahitra na alam-baràka, na ratsy laza na tsara laza; honoina ho mpamitaka, nefa mpilaza ny marina; ho olon-tsy fantatra, nefa fantatra tsara; sy ho efa ho faty, nefa indro fa velona; ho faizina mafy, nefa tsy maty tsy akory; ho ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; ho mahantra, nefa nampanan-karena ny maro; ho tsy manana na inona na inona, nefa manana ny, zavatra rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4

 

Fiv.: Nanambara ny famonjeny ny Tompo.

Ihirao hira vao ny Tompo: fa nahavita zava-mahagaga! Namonjy Azy ny tanany havanana, nanampy Azy ny sandriny masina.
Ny Tompo nanambara ny famonjeny, sy naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena! Tsarovy, ry tranon’i Israely, ny hatsaram-po sy fahamarinany!
Zahao, ry vazan-tany rehetra, ny famonjen’Andriamanitray! Mihobia ny Tompo, ry tany tontolo! Mientàna, mihobia sy miantsà!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny Vavanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 5, 38-42

 

Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Efa renareo fa voalaza hoe: Maso efai-maso, nify efai-nify. Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana, dia atolory azy koa ny ilany; ary raha misy te-hiady aminao mba hahazoany ny akanjonao, dia afoizo ho azy koa ny lambanao; ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana, miaraha aminy roa arivo. Omeo izay mangataka aminao, ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, ireto fanatitra ireto no amelomanao sy anavaozanao ny olombelona; koa mihanta aminao izahay: enga anie tsy ho diso anjara amin’ny soa ateraky ny Sakramenta ny fanahy amam-batanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 26, 4

Ny zava-tokana angatahiko amin’ny Tompo ary katsahiko indrindra, dia ny honina ao an-tranon’ny Tompo amin’ny andro rehetra hiainako.

 

na hoe:

Jo. 17, 11

Ry Ray Masina ô, tahirizo amin’ny Anaranao ireo nomenao Ahy mba ho iray tahaka antsika, hoy ny Tompo.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Manambara ny firaisan’ny mpino ao aminao, ry Tompo, ny Kômonio masina nomenao, ka enga anie ho tonga lafatra ny firaisanay ao amin’ny Eglizinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0391