Sorona Masina ny Alatsinainy 06 jona 2022

Herinandro faha-10 mandavantaona

ALATSINAINY

 

Tononkira fidirana

Sal. 26, 1-2

 

Ny Tompo no faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan’ny aiko: zovy no hangovitako?

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian’ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hanatontosa azy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky voalohan’ny Mpanjaka

1 Mpanj. 17, 1-6

 

Velona ny Tompo Andriamanitr’i Israely, izay itsanganako eo anatrehany.

Tamin’izany andro izany, i Elia Tesbita, isan’ny mponina tao Galaada, nilaza tamin’i Akaba hoe: “Velona ny Tompo, Andriamanitr’i Israely, izay itsanganako eo anatrehany! Tsy hisy ando na ranonorana amin’ireto taona ireto raha tsy teniko ihany.” Dia tonga tamin’i Elia ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “Mialà eto ianao, ka mandehana miantsinanana, ary miere ao amin’ny ranon-driaka Karita, tandrifin’i Jordany. Ny rano eo an-dranon-driaka no hisotroanao ary ny goaika no efa nodidiako hamelona anao any.” Dia niainga izy ary nanao araka ny tenin’ny Tompo, ka lasa nonina tao amin’ny ranon-driaka Karita tandrifin’i Jordany. Nitondran’ny goaika mofo sy hena isa-maraina izy, sy mofo sy hena isan-kariva, ary nisotro rano teo an-dranon-driaka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 120, 1-2. 3-4. 5-6. 7-8.

 

Fiv.: Ny fitahiana ahy dia avy amin’ny Tompo, Ilay nanao ny tany aman-danitra.

Miandra any an-tendrombohitra ny masoko. Avy aiza àry no ho tonga any izany vonjiko? Avy any amin’Izy Tompo re ny vonjiko fa Izy nanao ny tany sy ny lanitra.
Ary Izy tsy hamela anao ho solafaka, satria tsy sondrian-tory fa miambina. Tokoa tsy sondrian-tory na rendremana, fa miambina an’i Israely re ny Tompony.
Ny Tompo miahy anao amin’ny alina; ny Tompo eo anilanao ka miambina. Masoandron’ny antoandro tsy afaka hisompatra; ny volan’ny alina aoka tsy hatahorana.
Tsy voan’ny loza ianao fa ambenany ho lavitra anao ny rofy sy ny aretina. Miambina anao mandroso sy miverina. Ny Tompo no toky ary Izy tsy mivadika.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Fanombohan’ny taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

2 Kôr. 1, 1-7

 

Nanafaka alahelo anay ny Tompo mba hahazoanay manala alahelo ny tra-pahoriana rehetra.

I Paoly, Apôstôlin’i Jesoa Kristy noho ny sitrapon’Andriamanitra, sy i Timôte rahalahiny, mamangy ny Eglizin’Andriamanitra izay any Kôrinto, mbamin’ny olona masina rehetra eran’i Akaia manontolo: ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.

Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Rain’ny famindram-po ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra, izay manafaka alahelo anay amin’ny fahoriana rehetra, mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy. Fa araka ny haben’ny fijalian’i Kristy mihatra aminay no haben’ny fanalana alahelo azonay amin’ny alalan’i Kristy koa. Raha azom-pahoriana izahay dia fanalana alahelo sy famonjena anareo izany; ary raha alana alahelo izahay, dia ho fanalana alahelo anareo koa izany, fa mahatonga anareo handefitra tsara ireny fahoriana entinay ireny ihany. Ary mafy ny fanantenanay ny aminareo, satria fantatray fa toraka ny niombonanareo tamin’ny fahoriana no hiombonanareo amin’ny fanalana alahelo koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 33, 2-9

 

Fiv.: Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra; eo am-bavako lalandava ny fisaorana Azy. Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko: mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Mankalazà ny Tompo miaraka amiko; miaraha isika midera ny Anarany! Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny; ny tahotro rehetra nalàny tamiko.
Mibanjîna Azy fa ho mirana; ny tavanareo tsy hangaihay. Itý ory: velona antso ka novalian’ny Tompo; ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.
Ny Anjeliny milasy manodidina mba hamonjy izay matahotra ny Tompo. Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo: sambatra ny olona mifefy aminy.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 5, 1-12

 

Sambatra izay mahantra am-panahy.

Tamin’izany andro izany, nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rahefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany, ka niloa-bava Izy nampianatra azy, nanao hoe: “Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo. Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy. Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy. Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy. Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy. Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko: mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, topazo maso izahay manompo Anao, dia ho sitrakao ny fanatitray ary hitombo ny fitiavanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 17, 3

Ny Tompo no vatolampiko, tany ialofako sy mpanafaka ahy; Izy no Andriamanitro sy andriko.

 

na hoe:

1 Jo. 4, 16

Fitiavana Andriamanitra: izay mitoetra ao amin’ny fitiavana mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra mitoetra ao aminy.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ny Sakramentanao manasitrana ny rofy rehetra anie hanafaka anay amin’ny ratsy isan-karazany sy hitarika anay hizotra amin’ny lala-mahitsy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0283