Sorona Masina ny Alahady 22 mey 2022

ALAHADY FAHA-6 – Taona D fankalazana ny Paka

VARY ZATO AHARON’NY SOMPITRA ISIKA AO AMIN’NY EGLIZY

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Iz. 48, 20

Teny mahafaly no torio, ary ataovy antso avo. Aelezo hatrany am-paravazan-tany izao: Nanafaka ny vahoakany ny Tompo. Aleloia!


Asiana VONINAHITRA ANIE ...


Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, enga anie izahay tsy hitsaha-mankalaza ireo androm-pifaliana anomezam-boninahitra an’i Kristy Tompo tafatsangan-ko velona; ary ny Paka mistery tsarovanay mandavantaona anie, hoentinay manamasina ny fiainanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 15, 1-2. 22-29

Sitrakay sy ny Fanahy Masina ny tsy hampitondra ny mavesatra anareo, afa-tsy ireo zavatra tsy maintsy tandremana.

Tamin’izany andro izany, nisy olona nidina avy tany Jodea nampianatra ny mpino vahiny tao Antiôkia hoe: “Raha tsy foràna araka ny Lalàn’i Môizy ianareo, dia tsy ho voavonjy”. Ka nony efa nifanditra sy niady hevitra mafy tamin’ireo i Paoly sy i Barnabe, dia izao no hevitra nifanarahana: hiara-miakatra any Jerosalema i Paoly sy i Barnabe, ary ny sasany amin’izy an-daniny, handinika amin’ny Apôstôly sy ny Pretra ilay zavatra niadiany hevitra. Nankasitrahin’ny Apôstôly sy ny Pretra mbamin’ny Eglizy rehetra, ny fanazavana nataon’i Piera sy i Jakôba; ka nifidy ny sasany tamin’izy rehetra izy ireo, mba hirahina ho any Antiôkia hiaraka amin’i Paoly sy i Barnabe: dia i Joda izay atao hoe Barsabasy, sy i Silasy, lehilahy lohandohany tao amin’ny mpino, no laniny. Ka izao no taratasy nampitondrainy azy ireo: “Ny Apôstôly sy ny Pretra ary ny havana iray finoana, avy miarahaba ny havana any amin’ny Jentily, izay any Antiôkia sy Siria ary Silisia. Noho ny nandrenesanay fa nisy olona avy taty aminay, izay tsy nahazo teny taminay velively, nampitabataba anareo tamin’ny teniny sy nampitebiteby ny sainareo, dia nivory izahay rehetra, ka nifanara-kevitra ny hifidy olona hirahina ho any aminareo, hiaraka amin’i Barnabe sy i Paoly malalanay, lehilahy nanao vy very ny ainy ho voninahitry ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika. Koa indreny i Joda sy i Silasy nirahinay hilaza am-bava izany zavatra izany aminareo. Sitraky ny Fanahy Masina sy izahay ny tsy hampitondra ny mavesatra anareo, afa-tsy izao zavatra tsy maintsy tandremana izao: dia ny hifadianareo ny hena natolotra tamin’ny sampy, sy ny ra, ary ny biby nokendaina, mbamin’ny fijangajangana; soa ho anareo ny mifady an’izany. Veloma”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.— Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 66, 23. 5. 6. sy 8


Fiv.: Hidera Anao ny vahoaka, ry Andriamanitra,
hidera Anao anie ny vahoaka rehetra.

Andriamanitra anie hiantra sy hitso-drano; hampamiratiny amintsika anie ny Tavany: ka ny herinao ho fantatra eran-tany, ny vonjinao ho hitan’ny firenen-drehetra!
Hifaly sy hihoby anie ny fokom-pirenena, satria Ianao mitsara ny tany ara-drariny, mitsara ny vahoaka amim-pahamarinana, mitondra ny fokom-pirenena eto an-tany.
Hidera Anao ny vahoaka, ry Andriamanitra, hidera Anao anie ny vahoaka rehetra! Andriamanitra anie hitahy antsika hatrany, ny vazan-tany rehetra anie hatahotra Azy!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Boky Fanambaràna nosoratan’i Md. Joany Apôstôly

Apôk. 21, 10-14. 22-23


Naseho ahy ny tanàna masina nidina avy any an-danitra.

Izaho, Joany, dia nentin’ny Anjely am-panahy tany amin’ity tendrombohitra, sady lehibe no avo, ka nasehony ahy ny tanàna masina, dia i Jerosalema nidina avy any an-danitra, avy amin’Andriamanitra. Namirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra izy ary voazavan’ny kintana sy ny vato sarobidy, dia ny vato jaspa izay azo itarafana toy ny kristaly. Sady avo no lehibe ny mandany, ary roa ambin’ny folo ny vavahadiny; nisy Anjely roa ambin’ny folo tamin’ireo vavahady ireo, ary nisy anarana voasoratra koa, dia ny anaran’ny foko roa ambin’ny folon’ny zanak’i Israely. Vavahady telo no eo atsinanana, vavahady telo no eo avaratra, vavahady telo no eo atsimo, vavahady telo no eo andrefana. Misy vato fanorenana roa ambin’ny folo ny mandan’ny tanàna; ary misy anarana roa ambin’ny folo amin’ireo, dia ny anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry. Tsy nahita tempoly tao aho, fa ny Tompo Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy ny Zanak’ondry no Tempoliny. Tsy mila masoandro ny tanàna, na volana hanazava azy, fa ny voninahitr’Andriamanitra no mamirapiratra ao aminy, ary ny Zanak’ondry no fanilony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.— Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 14, 23-29

Ny Fanahy Masina no hampahatsiaro anareo ny Zavatra nolazaiko taminareo.

Tamin’izany andro izany i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. Fa izay tsy tia Ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo, dia tsy Ahy, fa an’ny Ray izay naniraka Ahy. Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo. Fiadanana no avelako aminareo, ny fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo. Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho aty aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao, satria lehibe noho Izaho ny Ray. Ary Izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rehefa tonga izany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, tsy mandao antsika Andriamanitra, raha mitandrina ny teniny isika; koa angataho Izy hanohy ny asany ao amin’ny Eglizy sy eo amin’izao tontolo izao, mba hanarahantsika ny didiny sy tsy handaozany antsika, fa hiraisantsika rehetra ho vahoakany tokoa.

Valy :Tsy ho very mandeha izay rehetra mifefy aminao

* Mba tsy hahakivy ireo Pretra mahita ny vahoaka manohitra ny fampianaran’ny Eglizy na tsy miraika na manenjika, dia mivavaha mba hitombo ny finoany sy ny faharisihany.
* Misy ny manam-pahefana tsy te hanova na inona na inona amin’ny fitondrana, na misy tsy rariny aza koa mivavaha ho an’ny mpitondra rehetra mba samy hikatsahany fanatsaràna araka ny Evanjely lalandava.
* Mivavaha ho an’ireo lasa any an-koatra, mba horaisin’i Kristy tafatsangan-ko velona hiaraka aminy izy, ary mba tsy ho diso fanantenana ireo havany, fa ho tafahaona aminy any an-tanindrazana mandrakizay.
* Mivavaha mba ho ampiasain’ny olombelona hampanjakana ny fandriam-pahalemana, ny fandrosoana ara-tsiansa sy ara-teknika, fa tsy sanatria hifamonoana na hifandrafiana.
* Nampanantena ny Fanahy Masina ny Tompo, ka angataho mba handrotsaka Azy amin’ny fanahintsika sy hanavao ny fiainantsika, hahatonga antsika ho vahoakan’Andriamanitra anjakan’ny fitiavana.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Ry Jesoa Tompo ô, maty Ianao fa velona indray, koa aza mandao anay manana ady sy sahirana, fa omeo ny fiadanana nampanantenainao, ny fonay rehetra; ary ampianaro hikatsaka izay mahafaly Anao lalandava, dia ho vahoakanao hiadam-pinaritra.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Ny vavakay anie, ry Tompo, hisondrotra any aminao miaraka amin’ny Sorona atolotray; ary efa sitrakao nodiovina izahay, ka enga anie ho mendrika ny Sakramenta mirakitra ny fitiavanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka.


Kômonio

Jo. 14, 15-16

Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko hoy ny Tompo. Ary Izaho hangataka amin’ny Ray haniraka Mpiaro hafa ho anareo, mba hiaraka aminareo mandrakizay. Aleloia!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ny fitsanganan’i Kristy no anarenanao anay ho velona mandrakizay; ka mba ampitomboy ao aminay ny vokatry ny Sakramentan’ny Paka ary hamafiso ao am-ponay ny herin’ny Mofo mahavelona.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0517