Sorona Masina ny Alakamisy 19 mey 2022

Herinandro faha-5 — Fankalazana ny Paka

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Eks. 15, 1-2


Aoka hiantsa ny Tompo isika fa naneho ny voninahiny Izy. Ny Tompo no heriko sy fototry ny tononkirako. Izy no namonjy ahy. Aleloia!


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no mahatonga anay mpanota ho olo-marina sy manova anay zoim-pahoriana ho sambatra, tsarovy izahay arin-tananao ary jereo ny fanomezanao, ka enga anie izahay nohamarininao tamin’ny finoana, tsy hilaozan’ny herinao mba haharitra hatramin’ny farany.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 15, 7-21


Izao no hevitro: tsy mety ny manome fahasahiranana ny Jentily izay manatona an’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, rahefa niady hevitra mafy naharitra ela ny amin’ny famoràna ny Apôstôly sy ny loholona, dia nitsangana i Piera ka nanao tamin’izy ireo hoe: “Ry rahalahy, fantatrareo fa efa ela izay no nifidianan’Andriamanitra ahy teto aminareo mba handrenesan’ny Jentily amin’ny vavako ny tenin’ny Evanjely sy hinoany. Ary Andriamanitra izay mahalala ny fo, dia naneho ny fankasitrahany azy ireo tamin’ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa; nataony tsy nisy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin’ny finoana ny fony. Ka nahoana àry no maka fanahy an’Andriamanitra ianareo izao, ka manisy jioga amin’ny vozon’ny mpianatra, nefa samy tsy nahazaka izany na isika na ny razantsika? Fa noho ny fahasoavan’i Jesoa Tompo ihany no inoantsika hahazoana famonjena, tahaka ny azy ireo ihany koa.” Dia nangina ny olona rehetra, ka nihaino an’i Barnabe sy i Paoly nitantara ny famantarana amam-pahagagana betsaka nampanaovin’Andriamanitra azy tany amin’ny Jentily. Nony nitsahatra ny tenin’izy roa lahy, dia namaly i Jakôba nanao hoe: “Ry rahalahy, henoy aho. Ny amin’ny namangian’Andriamanitra ny Jentily aloha, mba hangalany vahoaka hanaja ny Anarany amin’izy ireo, dia efa voatantaran’i Simôna. Ary mifanaraka amin’izany koa ny tenin’ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe: Rahefa afaka izany, dia hiverina Aho, ka haoriko indray ny tranon’i Davida izay efa nianjera; hamboariko izay rava, dia hatsangako indray izy, mba hitady ny Tompo ny olona sisa mbamin’ny jentily rehetra izay niantsoana ny Anarako, hoy ny Tompo, izay manatanteraka izany zavatra fantatra hatraiza hatraiza izany. Koa amin’izany, izao no hevitro: tsy mety ny manome fahasahiranana ny Jentily izay manatona an’Andriamanitra, fa aoka hampitondrana taratasy izy ireo mba hifady ny hena natolotra tamin’ny sampy, sy ny fijangajangana, ary ny biby nokendaina, mbamin’ny ra. Fa hatramin’ny taranaka mifanesy hatra ny ela dia manana izay mitory azy isan-tanàna rehetra i Môizy, satria vakìna ao amin’ny sinagôga isan-tsabata ny teniny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 95, 1-2a. 2b-3. 10


Fiv.: Ambarao ny vahoaka rehetra ny Asany mahagaga.

Ikaloy ’reo hira vaovao e ho an’ny Tomponao, ry manana aina. Ny fisaorana aoka hanakoako e! Isan’andro vaky, dia torio e, ’tony vonjy nentiny lazao e mba handre daholo ny eran-tany e!
Fa ny Tompo ihany no ambony. Mahatahotra Izy noho ny hafa, ka variana erý ny firenena! He! ny Tompo irery no Mpanjaka. ’Tony tany vitany mijoro. Zany rariny entiny mitsara!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, mamindrà fo aminay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 15, 9-11


Mitomoera amin’ny fitiavako dia ho lavorary ny fifalianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa, ka mitomoera amin’ny fitiavako ianareo. Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany. Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, izao Sorona ifandraisanay aminao izao no nataonao hiombonanay anjara aminao Andriamanitra avo indrindra, koa mihanta aminao izahay: enga anie ho arakaraka ny ahalalanay ny marina nambaranao no hanamasinanay ny toe-piainanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka


Kômonio

2 Kôr. 5, 15

Maty ho an’ny olona rehetra i Kristy mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona fa ho Azy Tompo maty sy nitsangana ho azy ireo. Aleloia.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin’ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin’ny fiainam- baovao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087