Sorona Masina ny Talata 17 mey 2022

Herinandro faha-5 — Fankalazana ny Paka

TALATA


Tononkira fidirana

Apôk. 19, 5 ; 12, 10


Samia midera ny Andriamanitsika, ianareo rehetra matahotra ny Tompo, na ny kely na ny lehibe, satria tonga ankehitriny ny famonjena sy ny herin’ny fanjakan’i Kristy Zanany. Aleloia!


Fangatahana

Andriamanitra ô, nohavaozinao tao amin’i Kristy nitsangan-ko velona izahay hahazoanay ny fiainana mandrakizay; koa ataovy maharitra amin’ny finoana sy ny fanantenana izahay vahoakanao mba hatoky fa ho tanteraka izay efa nampanantenainao Mpahary anay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 14, 18-27


Nitantara tamin’ny Fiangonana ny zavatra lehibe nataon’Andriamanitra taminy izy ireo.

Tamin’izany andro izany, dia nisy Jody tonga avy tany Antiôkia sy Ikôniôma, nanome fo ny vahoaka, ka nitora-bato an’i Paoly izy ireo, sy nitarika azy ho any ivelan’ny tanàna, satria nataony ho efa maty izy. Kanjo nony tonga nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy, ka niditra tao an-tanàna. Ny ampitso ihany dia lasa nankany Derbe izy sy i Barnabe. Ary rahefa nitory ny Evanjely tamin’izany tanàna izany izy, ka nahazo mpianatra maro, dia niverina tany Listra sy Ikôniôma, ary Antiôkia nankahery fo ny mpianatra, sy namporisika azy haharitra amin’ny finoana. Hoy izy ireo: “Amim-piaretana fahoriana betsaka no tsy maintsy idirantsika amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.” Isan’Eglizy nalehany, nony efa nivavaka sy nifady hanina izy ireo, dia nanendry Pretra sy nanankina azy tamin’ny Tompo izay efa ninoany. Dia namaky an’i Pisidia izy ireo, ka tonga tany Panfilia. Ary rahefa nitory ny tenin’ny Tompo tany Perjy izy, dia nidina nankany Atalia. Avy ao izy, dia niondrana an-tsambo hankany Antiôkia, fa teo no nanolorana azy hoentin’ny fahasoavan’Andriamanitra hanao ny asa izay vitany. Vao tonga tao izy, dia namory ny Fiangonana, ka nitantara ny zavatra lehibe nataon’Andriamanitra taminy, sy ny namohany ny varavaran’ny finoana ho an’ny Jentily. Ary elaela ihany no niarahany nitoetra tamin’ny mpianatra tao Antiôkia.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 144, 10-11. 12-13ab. 21


Fiv.: Aoka ho fantatry ny olombelona, ry Tompo, ny voninahitry ny Fanjakanao.

Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra! Misaotra Anao ny mpivavaka aminao! Miresaka ny voninahitry ny fanjakanao izy ireo, sy miteny ny asanao mahery.
Mba ho fantatry ny olombelona ny asanao mahery, sy ny voninahitra sy harevaky ny fanjakanao! Fanjakana mandrakizay tokoa ny Fanjakanao; amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao!
Ny vavako hiteny fiderana ny Tompo; ny nofo rehetra hisaotra ny Anarany Masina! Isaorana ny Tompo! Isaorana ny Anarany: mandrakizay mandrakizay!


Fihobiana ny Evanjely

Alelola, aleloia.

Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona, ary hiditra amin’ny voninahiny.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 14, 27-31a


Ny fiadanako no omeko anareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Fiadanana no avelako aminareo, ny fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo. Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho atý aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao, satria lehibe noho Izaho ny Ray. Ary Izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rahefa tonga izany. Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho, fa avy ny filohan’izao tontolo izao; tsy manana na inona na inona amiko anefa izy, fa mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ka araka izay nandidiany Ahy no ataoko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotry ny Eglizinao mirebi-karavoana, fa Ianao ihany no manome azy izao hafaliana tsy omby tratra izao, ka enga anie izy higoka ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka


Kômonio

Rôm 6, 8

Raha miara-maty amin’i Kristy isika dia mino fa hiara-belona aminy koa. Aleloia!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, topazo maso miantra izahay vahoakanao, fa efa sitrakao nohavaozina tamin’ny Sakramenta izahay, ka enga anie hitsangan-ko velona tsy ho lò ho enim-boninahitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082