Sorona Masina ny Alakamisy 27 janoary 2022

Herinandro faha-3 mandavaotaona

ALAKAMISY

 

Tononkira fidirana

Sal. 95, 1. 6

 

Iventeso hira vao ny Tompo; ihirao ny Tompo, ry tany tontolo. Fiandrianana sy fahamendrehana no mialoha Azy, hery sy harevaka no amin’ny toerany masina.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tantano araka ny sitrakao ny asa ataonay mba ho mendrika hahavita asa soa betsaka izahay amin’ny Anaran’ny Zanakao malalanao, fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany 

Boky faharoan’i Samoela

2 Sam. 7, 18-19. 24-29

 

Zinona moa aho, ry Tompo Andriamanitra, Zinona moa ny mpianakaviko.

Tamin’izany andro izany, nony avy niteny tamin’i Davida i Natàna, dia niditra ny mpanjaka ary nipetraka teo anatrehan’Andriamanitra ary nanao hoe: “Zinona moa aho, ry Tompo Andriamanitra ô! Ary zinona moa ny mpianakaviko no nentinao ho tonga amin’izao aho? Izany indray aza mbola zavatra kely eo imasonao, ry Tompo Andriamanitra, fa niteny Ianao ny amin’ny taranaky ny mpanomponao ka hatrany amin’ny andro aoriana any. Arakaraka ny lalan’ny olombelona izany ataonao amiko izany, Tompo Andriamanitra ô!

Nataonao mafy orina i Israely vahoakanao, ho vahoakanao mandrakizay, ka Ianao, ry Tompo, dia efa tonga Andriamaniny. Koa ankehitriny, ry Tompo Andriamanitra ô, tano ny teny voalazanao ny amin’ny mpanomponao sy ny taranany, tano mandrakizay izany ary tanteraho araka ny teninao; dia hankalazaina anie ny Anaranao, ka hatao hoe: Ny Tompon’ny tafika no Andriamanitra amin’i Israely. Ary aoka ho voaorina mafy eo anatrehanao ny fianakavian’i Davida mpanomponao. Fa Tenanao, ry Tompon’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, no efa niseho tamin’ny mpanomponao ka nilaza hoe: Hanorenako trano Ianao. Ka izany no nahasahian’ny mpanomponao nanao izao hataka izao taminao. Koa ankehitriny, ry Tompo Andriamanitra, Ianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao. Efa nilaza izany teny mahafinaritra izany tamin’ny mpanomponao Ianao, ka aoka ho sitrakao ny hitahy ny fianakavian’ny mpanomponao, mba haharetany mandrakizay eo anatrehanao. Fa Ianao, Tompo Andriamanitra, no niteny, ka amin’ny fitahianao dia ho voatahy mandrakizay ny fianakavian’ny mpanomponao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 131, 1-3. 3-5. 11-12. 13-14

 

Fiv.: Homen’ny Tompo Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy.

Tsarovy i Davida sy izay nataony, ry Tompoko.
Tsarovy ny asa sy ireo teny napetrany.
Fa ilay fianianana izay nataony dia fatratra.
Dia ilay dina masina izay naloaky ny vavany.

Fa zovy àry moa aho no sahy honina ao an-dapako?
Ho sahiko ve ny hiala sasatra eo am-pandriako?
Izay torimasoko tsy ho tonga handrendrika!
Ny masoko tsy mba hikimpy, tsy ho rendremana!

Hoy ny Tompo raha nianiana teo imason’i Davida:
Ho an’izay haterakao ny seza fiandriananao.
Ny taranany aoriana koa handimby azy eo.
Raha mitandrina ny didy sy manaja fanekena.

Fa ny Tompo dia nifidy an’i Siôna mba ho Azy.
Ka ataony Fitsaharany onenany hatrany.
Ho Fitsaharako maharitra ka tiako lalandava.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 4, 21-25

 

Entina hapetraka eo ambony fanaovan-jiro ny jiro ary araka izay famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo koa.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: “Moa entina hapetraka ao ambanin’ny vata famarana na ambanin’ny farafara va ny jiro? Moa tsy hapetraka amin’ny fanaovan-jiro va izy? Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy haposaka. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.” Dia hoy indray Izy: “Diniho izay renareo. Araka izay famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo. Fa izay manana dia homena, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso ary ankasitraho, ry Tompo, ireto fanatitra ireto hanamasina anay sy hahavonjy anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 33, 6

Manatòna ny Tompo, ary itafio ny fahazavany, dia tsy hangaihay intsony ianareo.

 

Na hoe:

Jo. 8, 12

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo. Izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina fa hamirapiratan’ny fiainana.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa nahazo aim-baovao avy aminao izahay, ka enga anie hifaly mandrakariva amin’ny fanomezanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744