Sorona Masina ny Alarobia 26 janoary 2022

Herinandro faha-3 mandavaotaona

ALAROBIA

 

Tononkira fidirana

Sal. 95, 1. 6

 

Iventeso hira vao ny Tompo; ihirao ny Tompo, ry tany tontolo. Fiandrianana sy fahamendrehana no mialoha Azy, hery sy harevaka no amin’ny toerany masina.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tantano araka ny sitrakao ny asa ataonay mba ho mendrika hahavita asa soa betsaka izahay amin’ny Anaran’ny Zanakao malalanao, fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela

2 Sam. 7, 4-17

 

Hatsangako ny taranakao manaraka anao ary hamafisiko ny fanjakany.

Tamin’izany andro izany tonga tamin’i Natàna ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “Mandehana lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe: Izao no lazain’ny Tompo: Ianao ve no hanao ny trano hitoerako? Fa mbola tsy nitoetra an-trano Aho, hatramin’ny nitondrako ny zanak’i Israely nivoaka avy tany Ejipta ka mandrak’androany, fa izao nifindrafindra tamin-day sy tamin-tabernakla izao. Ary nandritra ny fotoana rehetra niarahako nandeha tamin’ny zanak’i Israely rehetra, moa mba nilaza teny indraim-bava aho tamin’ireo mpifehy an’i Israely, izay nasaiko hamahana an’i Israely vahoakako, nanaovako hoe: Nahoana ianareo no tsy manao trano sedera ho ahy? Koa ankehitriny lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe: Izao no lazain’ny Tompon’ny tafika: Tany an-tanim-bilona tao aorian’ny ondry no nangalako anao ho andriana amin’ny vahoakako amin’i Israely, ary izay nalehanao nombako anao avokoa; ny fahavalonao rehetra naringako teo anoloanao, ny anaranao nataoko nalaza toy ny anaran’ny olo-malaza ambonin’ny tany. Nanokan-toerana ho an’ny vahoakako, ho an’i Israely aho, dia nampiorina azy eo, ka efa monina ao aminy izy, ary handry tsy amin’ahiahy, fa tsy hampahorin’ny zanaky ny faharatsiana toy ny taloha intsony sy toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara hifehy an’i Israely vahoakako. Nanome anao fialan-janona tamin’ny fahavalonao rehetra aho; ary lazain’ny Tompo aminao fa hananganany trano ianao. Rahefa tapitra ny andronao, ka mandry amin’ny razanao ianao; dia hatsangako ny taranakao manaraka anao, izay haloaky ny kibonao, ary hamafisiko ny fanjakany. Izay no hanorina trano ho an’ny anarako, ary hohamafisiko ho mandrakizay ny seza fiandrianan’ny fanjakany: Ho toy ny ray ho azy Aho, ary izy dia ho toy ny zanaka ho Ahy. Raha manao ratsy izy, dia hofaiziko amin’ny rotsankazon’olombelona. Ny famindram-poko anefa tsy mba hiala aminy, toy ny nanesorako izany tamin’i Saola, izay nalako teo anoloanao. Fa ho azo antoka ny faharetan’ny tranonao, sy ny fanjakanao eo anatrehanao mandrakizay ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao.” Nambaran’i Natàna tamin’i Davida avokoa izany teny sy fahitana rehetra izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 88, 4-5. 27-28. 29-30

 

Fiv.: Hotanako aminy mandrakizay ny Hatsaram-ponao.

Nanao fanekena tamin’ilay voafidiko Aho; nianiana tamin’i Davida mpanompoko. Ajoroko ho mandrakizay hoy Aho ny taranakao; aoriko ho lalandava ny Fiketrahanao.
Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Ianao. Andriamanitro sy Vatolampy famonjena ahy. Izaho kosa hanao azy ho lahimatoako, sy ho avo indrindra amin’ny mpanjakan’ny tany.
Hotanako aminy mandrakizay ny hatsaram-poko, ho azony antoka ny fanekeko. Hapetrako eo am-piketrahany ny taranany, ho toy ny lanitra ny fitoeram-piandrianany.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 4, 1-20

 

Niainga hamafy ny mpamafy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa nampianatra teo amoron-dranomasina ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy, Izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely teo ambonin’ny ranomasina, ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina Ary nampianatra azy zavatra maro tamin’ny fanoharana Izy ka nilaza tamin’ny fampianarany hoe: “Mihainoa: Indro niainga hamafy ny mpamafy, ka nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dalana dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy. Ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sy marivo nofo, ka nitsimoka vetivety satria tsy nisy tany lalina, fa nony niposaka ny masoandro, sady nasian’ny hainandro izy no tsy latsapaka ka maina. Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, ary nitombo ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy. Ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia naniry sy nitombo, ary namoa, ka ny sasany avo telopolo heny, ny sasany avo enim-polo heny, ny sasany avo zato heny.” Ary hoy Izy: “Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino.” Nony efa nitokana Izy, dia nanontany Azy ny amin’ny fanoharana ireo momba Azy mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy. Ary hoy Izy taminy: “Ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa amindry zareo any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia natao amin’ny fanoharana mba hahita maso izy fa tsy hahalala, ary handre sofina fa tsy hahafantatra, fandrao hibebaka izy ka havela ny helony.” Dia hoy Izy: “Tsy azonareo va izany fanoharana izany? Koa hataonareo ahoana àry no fahalala ny fanoharana rehetra? Ny mpamafy dia mamafy ny teny. Ireto eo amoron-dalana dia ny olona izay amafazana ny teny; fa raha vao nahare izy, dia tonga i Satana ka manesotra ny teny voafafy tao am-pony. Toy izany koa, ireo mandray ny voa amin’ny tany be vato no izay vao mandre ny teny, dia mandray azy an-kafaliana; nefa tsy miorim-paka ao anatiny izy, ka tsy maharitra ela; fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy. Ireto mandray ny voa ao anatin’ny tsilo no izay mihaino ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mbamin’ny fanirian-javatra hafa, dia miditra mamono ny teny, ka tonga tsy mamoa izy. Ary ireo mandray ny voa amin’ny tany lonaka no izay sady mihaino ny teny no mandray azy ka mamoa, ny sasany avo telopolo heny, ny sasany enim-polo heny, ary ny sasany zato heny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso ary ankasitraho, ry Tompo, ireto fanatitra ireto hanamasina anay sy hahavonjy anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 33, 6

Manatòna ny Tompo, ary itafio ny fahazavany, dia tsy hangaihay intsony ianareo.

 

Na hoe:

Jo. 8, 12

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo. Izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina fa hamirapiratan’ny fiainana.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa nahazo aim-baovao avy aminao izahay, ka enga anie hifaly mandrakariva amin’ny fanomezanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.092